Toko faha 8

1 Da makasitraky gne hanigny sorigny ho ane sampy---fantantsika fa:" Atsikany aby da managny falalagny." Gne falalagny da mampirehareha, fa gne fitiavagny manangagny. 2 Raha misy olo raiky mihevitry gne tegnany fa mahalala raha, da mbola tsy mahafantatry araky gne tokony hahafantaragny izay ologny izany. 3 Fa raha misy olo raiky tia an'Andriamanitra, da fantany tokotry izany olo izany. 4 Raha gne mikasiky gne fihinanagny gne hanigny nanigny sorogny ho ane sampy da fantatsika fa " gne sampy etoa amin'izao tontolo izao da tsy rarahigny" sady "fa tsy misy Andriamanitry raha tsy raiky avao.'' 5 Fizy mety misy avakoa gne sary anigny hoe Andriamanitry, ndre andangitry agny ndre da an-tany etoa, mitovy amigne hakamaronio "Andriamanitry" izy aminigne hamaroane "tompo". 6 Fizy ho atsika, "Raiky avao gne Andriamanitry da izy ihaba, latame zavatry rehetra, ary aban'i Tompo Jesosy Kristy, izay tame alalany gne nampisy gne zavatry rehetra, ary da mbola avy taminy koa gne nampisy antsika." 7 Ndre da izany, izany fahalalagny zany da mbola tsy ao ame tsirairay. Fa kosa, gne sasany taloha da nampiasa gne fanompon-tsampy, da nihinagny gne sakafo izay toy gne zavatry natao sorogny ho ane sampy. Noho izany da simba gne fieritreretan'dreo satria malemy izany. 8 Fa tsy gne hanigny no hatolotry antsika eo amin'Andriamanitra. Fa tsy indrindra intsika raha tsy mihinagny, na koa ho tsara kokoa raha mihinagny izany. 9 Tandremo mba tsy gne fahalalanareo no antony hahatonga ireo olona osa ara-pinogny ho tafitogny. 10 Fa ataovy toy ny hoe misy mahita anao, izay managny fahalalagny, mihinagny gne sakafo ao ame tempolin'ny sampy. Tsy gne fahalemen'gne fieritreretany ve no nasahiany hihinana izay natolotra ho an'ny sampy? 11 Koa none fahalalanao gne toetra marina momba gne sampy, da very gne rahalahy malemy finogny raiky,izay nahafaty an'i Kristy. 12 Noho izany,rehefa manota ame rahalahinareo anareo ka mandra gne sainy malamin'izy ireo, da manota manohitry an'i Kristy anareo. 13 Noho izany, ra gne sakafo no mahatonga gne rahalahiko ho tafitohigny, da tsy hihina-kena sanaky aho, mba tsy avy amiko gne halavo gne rahalahiko.