Toko faha 7

1 Mahakasika an'ireo olona izay nosoratanareo momban'ny hoe:" Tsa ane lehilahy gne tsy mikasiky vehivavy." 2 Nefa noho ireo fakam-pagnahy ame fahavetavetagny maro isan-karazany, da tokony hanagny gne vadiny manokagny aby gne lehilahy, ary da tokony hanagny gne vadiny manokagny koa gne vehivavy. 3 Gne lehilahy da tokony hagnome gne zo ara-panambadiagny ho ane vadiny, ary da akohizany koa gne vehivavy ho ane vadiny. 4 Tsy gne vehivavy gne managny fahefagny ame vatany manokagny, fa gne vadiny. Akohizany koa, tsy gne lehilahy gne managny fahefagny ame vatany, fa gne vadiny. 5 Ka mifanakasakagny anareo tsirairay, afa-tsy ame fifagnaragny nifagnamboaragny ame fotoagny votokagny. Ataovy izay mba hafahanareo manoka-tegna ame vavaka. Avy eo da tokony hiara-hatory koa anareo, mba tsy hazahoan'n satana maka fanahy anareo nohon'ny tsy fanananareo fifehezan-tenga. 6 Kanefa iaho da mizaka an'ireo zavatry ireo aminareo am-pahalalagny fa tsy didy. 7 Fagnirihako gne olon-drehetra mba hitovy amiko. Fa gne tsirairay da samy nanagny gne fagnomezam-pasohavagny manokagny avy amin'Andriamanitra. Gne raiky managny ity karazam-pagnomezam-pahasoavagny ity, ary gne raiky hafa managny karazany hafa koa. 8 Ho an'ireo izay tsy manambady sy ireo mpitondrategna da mizaka iaho fa tsara ho andreo raha mizanogny tsy manambady, mitovy aminaha. 9 kanefa indreo raha tsy afaky mamehy tegna, da tokony hanambady. Satria tsara kokoa ho andreo manambady toy izay ampirehetin'ny filàna ara-nofo. 10 Ary ho an'ireo izay manambady da magnome izao didy izao iaho---tsy iaho, fa gne Tompo---gne vehivevy da tsy tokony hisaraky ame vadiny, 11 ( fa raha izy ka misaraky ame vadiny,da tokony hijanogny tsy hanambady sanaky na miverigny mihavagny ame vadiny)---ary gne lehilahy da tsy tokony hisaraky ame vadiny. 12 Fa ho an'ny sisa da mizaka aho---iaho, fa tsy gne Tompo---hoe raha misy rahalahy iray managny vady tsy mpino, ary raha mahafaly azy gne miara-miaigny aminy, da tsy tokony hisaraky ame vadiny izy. 13 Raha gne viavy raiky gne mana vady tsy mpino, ary raha mahafaly anazy gne miara-mipetraky aminy, da tsy tokony hisaraky ame vadiny izy. 14 Satria gne lehilahy tsy mpino da nanigny ho ane vadiny, ary gne viavy tsy mpino da nanignyho ane rahalahiny. Fa raha tsy izany da ho maloto gne zanakareo, nefa raha gne marina da efa voatokagny izy ireo. 15 Fa raha gne vady tsy kristianina gne mandao, avelao izy andeha. Ame toe-javatry toy izany, gne rahalahy na gne rahavavy da sty voafatotr'ireo voadin'indreo. Andriamanitra da niantso antsika mba hiaigny am-pedanagny. 16 Fa ame fomba ahona gne halalanareo,ry vehivavy,raha voavonjinao gne vadinao? Na ame fomba akory gne ahalalanao,ry lehilahy,raha ho voavonjinao gne vadinao? 17 fa avelao fotsiny gne tsiraikiray avy hiaigny gne fihainany izay efa nanendren'ny Tompo anazy, ary araky gne efa niantson'Andriamanitra azy. Io gne fitsipiky ao ame fiangonana rehetra. 18 Efa voafora ve gne olo iray rehetra nantsoigny mba hino? Izy da tsy tokony hiezaky gne hiehoseho mitovy ame tsy voafora.Tsy voafora ve gne olo raiky rehefa nantsoigny ho ame finoana?Tsy tokony ho foraigny izy. 19 Satria tsy gne famoragny na gne tsy famoragny gne zava-dehibe. Gne zava-dehibe da gne fankatoavagny ireo didin'Andriamanitra. 20 Gne tsirairay avy da tokony hijanogny ame fiantsoagny izay nisy azy rehefa nantsoin'Andriamanitra mba hino izy. 21 Andevo ve anao tamin'Andriamanitra nangaiky anao? ka magnahagnaha gne amizany. Fa raha mety ho afaka anao, da araraoty izany. 22 Satria gne olo raiky izay nangeny Tompo ho andevo da olo afaky gne Tompo. Da akoizany koa gne olo izay afaky fony izy nangegny mba hino da andevon'Kristy. 23 Anareo da vovidy, noho izany da aza avy akon'ireo andevon'gne olo. 24 Ry rahalahy, na ino na ino fiainangy nisy antsika tamen'tsika nangegny mba hino, da aoka isika hijanogny akoizany avao. 25 Ary mahakasika ireo izay tsy nanambady mihitsy, iaho da tsy managny didy avy tamin'ny Tompo. Nefa iaho da magnoma gne hevitriko mitovy gne raiky izay,ame alalan'ny famindram-pon'ny Tompo, da mendri-pitokisagny. 26 Noho izany, mieritreritry iaho fa nohon'ny gne loza izay ho avy, da tsara ho ane lehilahy gne mijanogny ame maha izy anazy. 27 Voafatotry ame vehivavy ve anareo? Aza mitady gne ho hafaky aminy. Afaky ame vadinao ve anao? Aza mitady vady. Nefa raha manambady anareo, da tsy nanota. 28 Raha gne vehivavy tsy manambady gne manmbady, da tsy nanota izy. Nefa ireo izay manambady da hanagny karazan'olagny maro raha mbola velogny, ary iaho da te hangalaky anareo amin'izany. 29 Fa izao gne zakaiko, ry rahalahy: Kidy gne fotogny. Manombiky izao, apetray gne efa manambady avao gne hitovy ame tsy managny. 30 Gne mitomagny da tokony hagnano tsy mitomangny, gne mifaly da tokony hagnano tsy mifaly, ary gne mividy da tokony hagnano tsy managny na inona na inona; 31 ary gne mampiasa izao tontolo izao da tokony tsy hagnano mampiasa anizany tanteraky. Satria izao tontolo izao ame endriny ankehitriny da ho tonga ame fiafarany. 32 ako anareo ho afaky amin'ireo taotry. Gne lehilehy tsy manambady da magnahagnaha amin'ireo zavatry ny Tompo, Gne ame fomba hampifaliagny azy. 33 Fa gne lehilehy manambady da miahiahy ame zavatr'izao tontolo izao, gne ame fomba hampifaliagny gne vadiny--- 34 mizarazara izy. Gne vehivavy tsy manambady na virijiny da miahiahy gne ame zavatry ny Tompo, gne ame fomba hanokanany gne tegnany sy gne fanahiny. Fa gne vehivavy manambady da magnahagnaha gne ame zavatr'izao tontolo izao, gne ame fomba hampifaliany gne vadiny. 35 Zakaiko izany ho ane tombotsoanareo manokagny, fa tsy hametraky izay rehetra sakasakagny eo aminareo. Mizaka anizany iahonoho gne marina, amizay anareo mba hanolo-tegna ho an'ny Tompo tsy misy fanelingelegnagny. 36 Nefa raha misy olo raiky mihavitry fa tsy mitondra gne sakezam-badiny am-panajana---raha mihôtry gne taogny fanambadiagny ilay vehivavy ary tsy maintsy---da tokony hagnano izay tiany izy. Tsy manota izy. Tokony hivady indreo. 37 Nefa raha nikasa tsara tao am-po ny izy, raha toa ka tsy ambany gne faneriteregny fa afaka mifehy gne sitrapony manokagny, ary nanapa-kevitry tao am-pony izy gne hagnano anizany, mba hitanagny gne sakezam-badiny ho virijiny, tsara gne naniny. 38 Koa izay manabady gne fofombadiny da manao gne tsara, ary izay misafidy gne tsy hanambady da hanao gne tsaratsara tokôtry. 39 Gne vehivavy da voafatotry gne vadiny raha mbola velogny rahalehilahy. Fa raha maty gne vadiny, da malalaky tsara izy ny hanambady izay tiany ho vadiany, nefa ao amin'ny Topoihany. 40 Nefa ame fitsarako da tokony ho faly izy raha miaina am'izao ihany. Ary heveriko faizao ihany koa da managny gne Fanahin'Andriamanitra.