Toko faha 6

1 Rehefa misy raiky aminareo managny ady ame hafa, sady handeha ame fitsaragny alohan'ny mpitsara tsy mino ve izy,fa tsy eo alohan'ny mpino? 2 Tsy fantatreo fa gne mpino gne hitsara an'izao tontolo izao? Raha izany, anareo gne hitsara an'izao tontolo izao, da tsy mahavita mandamigny raha madiniky anareo? 3 Tsy fantatrareo fa hitsara anireo anjely isika? Akognaia gne fihoaragny gne faharatsigny mitsara gne raharaha amin'ity fiaignagny ty? 4 Raha hafaky mitsara gne zava-misy ame andavanandrom-piainagny anao,nagnino mametraky karaza tranga mitovy amizany agnatrehan'ireo zay tsy misy dikany eo ame fiangonagny? 5 Hametraky anareo gne hizakako anizany. Da tena tsy misy managny fahendregny ndre da raiky aza ao aminareo mba handamigny gne adiady eo ame mpirahalahy? 6 Fa kosa misy mpino raiky hafaky mandeha mifagnatriky ame mpino hafa eo ame fitsaragny, ary izany raha zany da apetraky eo agnatrehan'gne mpitsara izay tsy mpino! 7 Gne fisian'gne mola eo ame Kristiana agnaby da efa faharesegny ho anareo sahady. Da tsy aleho ve mijaly ame fahadisoagny? 8 Fa anareo da nandiso sy namitaky gne hafa, ary da rahalahinareo avao izy! 9 Da tsy fantatrareo ve fa gne tsy marina da tsy handova gne Fanjakan'Andriamanitra? Ka magneky vandy. Gne kivadivady, mpanompo sampy, mpagnala vadin'olo, gne lehilahy mivaro-tegna, gne miaraky matory ame samy lehilahy, 10 gne mpangalatry, gne tsy malala voky ,gne mpindrano tôky, gne mpagnaratsy, gne mpngalaky an-keriny---da tsy misy na raiky amin'izy ireo handova gne fanjakan'Andriamanitra. 11 Da akohizany gne sasany aminareo. Fa efa vosasa anareo, nohamasinigny anareo, ary da vomariky amin'Andriamanitra anareo tame agnaran'ny Tompo Jesosy Kristy sy tame Fagnahin'Andriamanitra. 12 "Gne zavatry rehetra da ara-dalàna amiko" fa tsy gne zavatry rehetra da mahasoa. "Gne zavatry rehetra da ara-dalàna amiko" fa tsy andevozin' gne raiky amireo iaho. 13 "Gne hanigny da ho ane troky, ary gne troky da nanigny ho ane hanigny" fa Andriamanitra da hagnafogny azy ireo. Gne vatagny da tsy nanigny finjangajanagny. Fa kosa, gne vatagny da nanigny ho an'ny Tompo, ary gne Tompo da hagnome ane vatagny. 14 Andriamanitra da efa nanangagny gne Tompo sady da hanangagny antsika ame heriny ko. 15 Tsy fantatrareo fa gne tegnanareo rantsam-batan'i Kristy? Da hindesiko zany gne ratsam-batan'i Kristy ary hampiresiko ame mpivaro-tegna? ndre zany da tsy hisy! 16 Tsy fantatrareo fa gne miray ame mpivaro-tegna da lasa nofo raiky aminy? Mitovy ame vosoratry gne Soratra Masina hoe:"Ho nofo raiky ane izy ireo." 17 Fa izay miaraky amin'ny Tompo da lasa fagnahy raiky aminy. 18 Mela ame fijangajangagny! Gne fahotagny rehetra hafa izay nanin'gne olo da ambadikin'ny tegna, fa gne olo mpijangajanga da manota ho ane tegnany avao 19 Tsy fantatrareo fa gne vatanareo da tempolin'ny Fagnahy Masina, izay mipetraky ao agnatinareo, azonareo avy amin'Andriamanitra ? Tsy lalanareo fa tsy anareo gne tegnanareo? 20 Fa olo vovidy anareo. Noho izany da mankalazà an'Andriamanitra ame tegnanareo.[Fagnamarinagny: Ireo dika-teny sasany da mivaky toy izao hoe: "Noho izany mankalazà an"Andriamanitra ame tegnanareo sy ame fahaninareo, izay an'Andriamanitra." Fa gne dika-teny tsara indrindra da tsy mivaky toa an'io.]