Toko faha 5

1 Iahy da nahare tatitry fa misy mampirefy eo aminare, fitondran-tegna tsy mety izany tsy azo anigny amin'ireo Jentilisa. Gne tatitry da hoe misy miaraky matory ame vadin'i abany. 2 Anareo da tene magnanognano fahatany! Tsy tokony alahelo ve anareo? Gne raiky magnano anizany da tsy maintsy alàgny eo aminareo. 3 Ndry da tsy eo ara-batagny aza iaho fa mbola ara-pagnahy, da efa nitsara gne raiky nagnano anizany sahady, mitovy tame taloha. 4 Rehefa miaraky mivory ame agnaran'i Jesosy Tompontsika anareo, ary gne fagnahiko da eo koa ame herin'i Jesosy Tompintsika, da efa nitsara anio olo io sahady iah. 5 Naniko izany mba hagnomezagny izany lehilahy izany ho an'i Satana ho familavilagny gne nofon, mba ho vovonjy gne fagnahiny ame andron'i Tompo. 6 Tsy tsara gne fireharehanareo! Tsy fantatrareo fa gne lalivay kely da magnova gne mofo rehetra? 7 Sasay gne tegnanareo ame lalivaytaloha mba hiova mofo madio tsy misy lalivay sanaky. Fa Kristy, zanak'ondritsika tame Paska, da nanigny sorogny. 8 Noho izany da aoka intsika ankalaza gne fifalifaligny, tsy gne lalivay taloha, fitondra-tegna ratsy sy faharatsigny. Fa kosa, isika hankalaza ame mofo tsy misy lalivain'gne fahadiovam-po sy fahamarinagny. 9 Iaho da efa nanoratry ho anareo tame taratasiko mba tsy hiresanareo miasa amin'ireo olo mpijanganjanga. 10 Kanefa gne tiko zakaigny da tsy gne olo mpinjanganjanga agnaby eto amin'izao tontolo izao, na ireo tsy manam-bady, na ireo mpangalatry, na ireo magnano sampy, satria mba helagny amin'izy ireo da mila miala amizao tontolo izao anareo. 11 Ankehitriny iaho da manoratry ho anareo mba tsy hiara-hiasa ndre amin'iza zakaigny fa rahala nefa da nbola miaigny ao agnatin'ny finjanganjangagny, na izay tsy manam-bady, na magnano sampy, na mpizaka ratsy, na mpindrano toaky, na mpangalatry. Ka mihinagny miaraky ame olo akoizany. 12 Akognaia gne idirako ame fitsaragny izay agny imbadikin'ny fengonagny? Mifamadiky amizany anareo ve da tsy tokony hitsara ireo izay agnatine fengonagny? 13 Andriamanitra da mitsara izay agny ambadiky ." Alay eo aminareo gne olo ratsy."