Toko faha 4

1 Akohiza gne tokony handraisan'ny gnolo antsika, mitovy gne mponompin'i Kristy ary mpitandrina ireo misterin'Andriamanitra. 2 Amin'izany fifandraisana izany, da fepetra takinnby aminareo mpitandrina gne maha-mendri-pitokiany azy ireo. 3 Fa amina da zavatry kidy gne tokony hitsaranareo na hitsaran'olo rehetra anaha. Fa na iaho aza aza tsy mitsara gne tegneko. 4 Iaho da tsy mahafantatry izay fiampangana naniko tamina, fa izany da tsy midika fa tsy manan-tsigny iaho. Ny Tompo no hitsara anaha. 5 Noho izany, aza mizaka gne fitsaragny momba gne zavatry rehetra alohane fotogny, mialohan'ny hiavian'ny Tompo. Izy da hitondra anireo zavatry miafigny ame mizigny ho ame fahazavagny ary hamiseho gne fikasan'gne fo. avy eo gne tsirairayavy da handray gne fideragny avy amin'Andriamanitra. 6 Ankehitriny, ry rahalahy, nampiasa anireo fitsipiky ireo taminaro sy tame Apostoly iaho nohon'ny aminareo,mba hafahanareo mianatry avy aminaygne dikan'ny fizakagny hoe:"Aza mandeha mihôtry izay voasoratry." Izany da mba tsy hisy raiky aminareo hirehareha gne amin'ny fankasitrany gne raiky noho gne hafa. 7 Fa izy gne mahita gne fahasamihafagny eo aminareo sy gne hafa? Inogne anagnanareo ka tsy noraisinareo maimaimpona? Raha nandray anizany maimaimpona anareo,nagnino anareo no mirehareha mitovy ame tsy naninareo. 8 Efa angnanareo aby izay rehetra tadiavinareo! Efa lasa mpanakarena anareo! Ary efa nanomboky nanjaka anareo-- Ary izany da tsy avy taminay! Iaho da magniry tokotry gne nanjakanareo, mba hafahanay manjaka miaraky aminare. 9 Fa iaho da mieritreritry fa Andriamanitry da nametraky antsika ho apostoly mibabadriky mitovy gne farany ame laharagny sy mitovy gne ologngy voaheloky ho faty. Iahy da lasa fampisehoagny ho an'izao tontolo izao--- ho an'ireo anjely, ary ho an'gnolombelogny. 10 Iahy da mola nohon'ny amin'i Kristy, Fa anareo da hendry ao amin'i Kristy. Malemy iahy, fa anareo mahery. Anareo da nome voninahotry, fa iahy kosa tsy nalaigny baraka. 11 Mandrak'ankehitriny iahy da mosare sy tindrano,tsy mana lamba,vofiky mafy, ary tsy mana-tragno 12 Miasa mafy iahy, miasa ame alalan'ny tagnanay avao. Rehefa latsaigny iahy, da miaritry. 13 Rehefa hiagnigny iahy, da mitso-dran. Rehefa voaendrikendriky iahy da mizaka ame hatsaram-pagnahy.Iahy da niova, ary mbola alainay ho, fakon'izao tontolo izao sy faikan'ny zavatry rehetra. 14 Iaho da tsy nanoratry anireo zavatry ireo mba hahamegnatry anareo, fa magnitsy anareo mitovy ame zanako malalako. 15 Fa na da managny mpiambigny raiky ao amin'i Kristy aza anareo, da tsy magny aba maro. Fa iaho da lasa rainareo ao amin'i Kristy Jesosy tame alalan'ny filazantsara. 16 Iaho da mandrisiky anareo mba mpaka-tahaky mitovy aminaha. 17 Izany gne nandefasako Anareo an'i Timoty, Zanako malalako sady matoky ao amin'in Tompo.Izy da hampalala Anareo gne lalako amin'in Kristy, mitovy gne ampenariko anazy ndre ia ndre ia sy gne fiagnonagny agnaby. 18 Ankehitriny da miavogny gne sasany aminareo, magnano hoe tsy ho avy aminareo iaho. 19 Fa ho avy tsy ela sanaky iaho, raha sitraky ny Tompo. Ary da tsy alala gne zakany izay tena miavogny fotsiny iaho, fa hagnety gne herin-dreo. 20 Satria gne fanjakan'Andriamanitra da tsy avy ame resaky fa avy ame hery. 21 Ino gne tadiavinareo? Tokony ho avy agny aminareo miaraky ame kakazo sa miaraky amr fitiavagny feno halemem-pagnahy iaho?