Toko faha 3

1 Ary iaho,ry rahalahy, da tsy afaky nizaka taminareo mitovy ame gnolana izay ara-panahy, fa kosa mitovy ame gnolana ara-nofo, mitovy ame zazakidy ao amin'i Kristy. 2 Nofahanako ronono anareo, fa tsy fokany,satria tsy vonogny tamizany anareo ,ndre amizao aza da tsy mbola vonogny amizany anareo. 3 Satria anareo mbola araky gne nofo. Fa ndre aiza misy fahasarotam-piaro sy fifamaligny eo aminareo,da tsy mivelogny araky gne nofo ve anareo, ary da tsy mandeha ame tokony ho izy gne olombelona? 4 Fa rehefa raiky mizaka hoe:" Iaho magnaraky an'i Paoly" ary gne raiky mizaka hoe "iaho magnaraky an'i Apolosy," da mivelogny motovy ame olombelogny avao ve anao? 5 Ia ary i Apolosy? Ia i Paoly ? Mpanompo izay tamin'ny alalan'ny no ninoanareo, izay nomen'ny Tompo asa avy. 6 Iaho gne namboly,Apolosy gne nanondraky, fa Andriamanitra gne nampitombo. 7 Ka noho izany,ndre ia mamboly, ndre ia manondraky da tsy misy dikany. Fa Andriamanitra gne mampitombo. 8 Ary izy gne mamboly sy izy gne manondraky da raiky avao, ary gne tsirsisry da samy mahazo gne karamany araky gne asany. 9 Fa iahay da mpiara-misa amin'Andriamanitra. Anareo da tanim-bolin'Andriamanitra, sy tranon'Andriamanitra. 10 Araky gne fahasoavan'Andriamanitra izay nomeny anaha da mitovy ame mpagnano tragno mahay, da nametraky gne fototry aho ary hafa gne gne magnorigny eo amboniny. Fa aoka gne lehilahy hitandrigny ame fomba hagnorenany eo amin'izany. 11 Fa tsy misy ologny mametraky fototry afa tsy ilay iray izay napetraky, izany hoe Jesosy Kristy. 12 Ankehitriny raha misy olo magnorogny eo ambony gne fototry ame volamena, volafotsy, vato lafo vidy, kakazo, hatry na sasagnitry, 13 da haseho gne asany, fa gne andro mazava no hamphitany anizany. Satria haseho ame afo izany.Gne afo no hitsagny gne hatsaran'ny nataon'ny tsirairay. 14 Raha mizanogny gne asan'ilay olona, da hahazo valisoa izy; 15 fa raha may gne asany, da ho fantiantoky izy, fa gne tegnany no vovonjy, mitovy ame nilefa tame afo avao. 16 Tsy lalanareo fa anareo da tempolin'Andriamanitra ary gne Fanahin'Andriamanitra gne midoboky ao aminareo? 17 Fa raha misy olo mamilavila gne tempolin'Andriamanitra, da hanimba anizany olo izany Andriamanitra. Fa masina gne tempolin'Andriamanitra, ary da mitovy amizany koa anareo. 18 Kasihagny olo hamita-tegna zany. Fa ra misy olo eo aminareo mihevitry fa hendry amin'izao vanim-poana izao, apetray izy ho mola amizay mba mety ho lasa hendry izy. 19 Fa gne fahendrenizao tontolo izao da fahadalagny ao amin'Andriamanitra. Satria voasoratry hoe:"Nahatratry gne hendry tao amin'ny hafetsen'izy ireo izy." 20 Ary koa hoe:" gne Tompo da mahalala fa gne fihevitry gne hendry da zavatry fahatany. 21 Noho izany da tsy misy fireharehagny momban'ny olo intsony! Fa gne zava-drehetra da anareo, 22 na Paoly,na Apolosy, na Kefasy, na izaotontolo iza,na fiainagny, na fahafatesagny, na zavatry ankehitriny, na mbola ho avy. Gne zava-drehetra da anareo, 23 ary anareo da an' Kristy, Ary Kristy da an'Andriamanitra.