Toko faha 15

1 Amizao mampahatsiahy anareo iaho, roh rahalahy, gne amigne filazantsara zay nambarako taminareo, zay niraisinareo sady zay ijoroanareo. 2 Amin'alalan'izany filazantsara zany gne havovonjy anareo, raha mitagny mafy amine zaka notoriko taminareo anareo, raha tsy da hoe minomino fatany. 3 Fa nomeko ho zavatry zakabe volôny ho anareo zay azoko avakoa: fa maty ho anigne fahotatsika Kristy arakine Soratra Masina, 4 sady nalevigny izy, sady izy da natsangagny tamine maty tamign'andro fatelo arakigne Soratra masina. 5 Kristy da niboky tame kefasy, ary avy eo da tame roa ambin'ny folo; 6 avy eo da niboky indraiky mandeha tame rahalahy mihotry gne dimanjato Izy. Mbola velogny gne ankamaroan'dreo, fa gne sasany da maty. 7 Avy eo Izy niboky tamin'i Jakoba, avy eo tamin'ireo apostoly aby. 8 arany, da niboky taminaha Izy, ako hoe tame zaza teraky tsy tonga volagny. 9 Fa iaho gne kidy indrindra ame apostoly. Iaho da tsy mendriky gne angegny hoe apostoly satria nagnenjiky gne fiangoanan'Andiamanitra 10 Fa nohon'gne fahasoavan'Andriamanitra gne nakohio anaha, ary da tsy ritry gne fahasoavagny aty aminaha. Fa kosa, niasa mafy miotry andreo aby iaho. Nefa tsy iaho izany, fa gne fahasoavan'Andriamanitra izay miaraky aminaha. 11 Noho zany na iaho na indreo, araky gne nitorianay da araky izany gne ninoanreo. 12 Ankehitriny, raha nambara fa Kristy natsangagny tame maty, akognay gne halalan'gne sasany aminareo mizaka fa tsy misy gne fitsaganagny ame maty? 13 Nefa raha tsy misy gne fitsaganagny ame maty, da tsy natsangagny avakoa i Kristy; 14 ary raha tsy natsangagny Kiristy, da foagny gne fitoriagny, ary da foagny avakoa gne finoanareo. 15 Koa, da hita ho vavolombelogny diso momban'Andriamanitra iahy satria nijoro vavolombegny nanohitry an'Andriamanitra, nizaka hoe nantsangangy Kristy rehefa tsy nagnano izany Izy. 16 Raha tsy nantsangagny gne maty, da na Kristy tsy natsangagny; 17 ary raha tsy natsangagny Kristy, da foagny gne finoanareo ary da mbola ame fahotanareo anareo 18 Ary gne maty rehetra ao amin'i Kristy da efa very avakoa. 19 Raha amin'ity fiainagny ity avo gne anagnatsika toky ho avy ao amin'i Kristy, da isika gne mampalahelo indrindra ame olo aby. 20 Fa ankehitriny da efa nantsangany tame maty Kristy, gne volony gne vokatry indreo maty. 21 Fa satria tonga tame alalany olo raiky gne fahafatesagny, da avy tame alalany gne olo raiky avakoa gne nevisany gne fitsanganagny ame maty. 22 Fa ako gne fahafatesan'gne rehetra tao amin'i Adama, da ho velomigny ao amin'i Kristy avakoa gne rehetra. 23 Kanefa samy ao amin'gne filaharagny manokagny gne tsirairay: Kristy, ilay voaloham-bokatry, ary avy eo gne an'i Kristy da ho anigny velogny ame fevisany. 24 Avy eo da ho avy gne farany, raha homen'i Kristy ho an'Andriamanitra Ray gne fanjakana.Izany da rehefa hangalaky gne fitsipiky aby sy gne fahefa aby ary gne hery Izy. 25 Fa tsy maintsy manjaka Izy mandra-pametrany gne fahavalony rehetra ao ambanin'gne tongony. 26 Gne fahavalony farany ho haringany dagne fahafatesagny. 27 Fa " Napetraky teo ambanin'gne tombony aby gne raha rehetra." Fa vozaka fa:" Izy gne nametraky gne raha aby," da mazava tsara fa tsy tafiditry ao agnatin'izany gne raiky nametraky gne raha aby hagneky gne tegnany. 28 Rehefa magneky ananzy gne raha aby, da gne zanaky mihitsy gne hagneky gne ray izay nampagneky gne raha aby ho anazy. Hiboky izany mba ho rehetra ao ame rehetra gne Andriamanitra Ray. 29 Na ino gne tadiaviny gne vita batisa ho ane maty? Raha tsy natsangagny mihitsy gne maty, nagnino indreo gne nanigny batisa ho andreo? 30 Nagnino ary, asika no am-bava loza isake-lera? 31 Miatriky fahafatesagny isanandro iaho! Izany da azo antoky mitovy gne fireharehako gne aminareo, izany azako amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. 32 Ino gne tombony azako, avy ame fomba fagnitegny olombelogny, raha niady tame biby tao Efesosy iaho, raha tsy natsangagny gne maty? "Aoka atsika hihinagny sy indrano ho faty atsika omaray." 33 Ka mety ho habarabaraigny hoe:" Mamilavila gne fisaignangy tsara gne nama-dratsy." 34 Mandiniha! Miaigny am-pahamarinagny !Ka manohy gny hota! Fa gne sasany aminareo da tsy mana fahalala an'Andriamanitra. Mizaka anizany ho ame fahamegnaranareo iaho 35 Fa gne olo raiky hizaka hoe:" Akognaia gne nananganagny gne maty , ary ame karaza vatagny ino gne hevisan-dreo?" 36 Tsy mahalala ndreo anareo! Izay hafafinareo da tsy hanoboky hitombo raha tsy maty izany. 37 Gne nafafinareo da tsy gne vatagny izay ho avy, fa voa fostiny. Izany da mety ho lasa vary na raha hafa. 38 Fa homen'Andriamanitra anazy gne vatagny araky izay safidiny, ary samy ame vatany avy gne voa tsirairay. 39 Tsy gne nofo aby gne mitovy. fa kosa, raiky gne nofon'gne olombelogny da hafa gne nofo gne biby, ary nofo hafa gne ane voro, ary hafa gne ane hena . 40 Misy avakoa gne vatagny an-dagnitra sy gne vatagny an-tany. Fa karazany raiky gne voninaitry agny an-dagnitry ary hafa gne voninahitry gne eto an-tany. 41 Raiky gne voninahitry gne masoandro, ary hafa gne voninahitry gne volagn, ary da mbola voninahitry hafa avakoa gne ane kintagny. Fa gne kintagny raiky gne miavaky ame kintagny raiky hafa ame voninahitry 42 Mitovy amizany avakoa gne fitsanganagny ame maty. Gne hafafy da mety vilavila,ary izay gne atsangagny da tsy mety vilavila. 43 Afafy tame fahafaham-baraka izany; da natsangangy am-bininahitra. Afafy tame fahalemagny izany; da nantsangagny ame hery. 44 Afafy ame vatagny voajagnahary izany; da atsaangangy ho vatagny ara-pagnahy. Raha misy vatagny voajagnahary, da misy vatagny ara-pagnahy avakoa. 45 Ary efa voasoratry avakoa fa:" Lasa fagnahy velogny Adama gne lehilahy voalohany" Gne Adama farany da lasa fagnahy magnome fiainagny. 46 Fa tsy gne ara-pagnahy gne avy voalohany fa gne voajagnahary, ary avy eo gne ara-pagnahy. 47 Gne olo voalohany da avy ame tany, nanigny tame fotaky. Gne olo faharoy da avy an-dagnitry. 48 Mitovy ame raiky nanigny tame fotaky, da akohizany gne olo agny an-dagnitry, ary da mitovy avakoa ireo avy latagny an-dagnitry. 49 Mitovy gne nindesagny gne edriky gne olon'gne fotaky, da hitondra gne endrikin'gne olon'gne lagnitry avakoa atsika. 50 Ary izany gne zakaiko, ry rahalahy, fa gne nofo aman-drà da tsy afaky handova gne fanjakan'Andriamanitra. Ndre mety vilavila handova izany tsy mety simba. 51 Ity! zavatry marigny miafigny gne ho zakaiko anareo hoe tsy faty avokoa atsika aby, fa hoavy avakoa atsika aby. 52 Hiova atsikaame fotoagny raiky, ao anatin'gne indray mipi-maso, ame trompetra farany. Hagneno gne trompetra, ary gne maty da hatsangagny ho tsy mety lo, ary da hovagny asika. 53 Fa ity vatagny mety vilavila ty da tsy maintsy hisiky izay tsy mety lo, ary ity vatagny mety maty ty da tsy maintsy hisiky gne tsy fahafatesa. 54 Fa rehefa mitafy gne tsy mety vilavila ity vatagny mety ity, ary rehefa mitafy gne tsy fahafatesagny ity vatagny mety maty ity, da ho avy ame zaka voasoratry hoe,"Voateligny tame fandresegny gne fahafatesagny." 55 Ry fahafatesagny,aia gne fandresenao? Ry fahafatesagny, aia gne fanindronao?" 56 Gne ota gne fanindron'gne fahafatesagny, ary gne herin'gne ota da gne lalàgny. 57 Fa isaoragny Andriamanitra, izay magnome antsika gne fandresegny ame alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika 58 Noho izany, ry rahalahy malalako, mioregna tsara ary aza mietsiketsiky. Magnamaroa isanadro ame asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa ty very maigny gne asanareo ao amin'ny Tompo.