Toko faha 14

1 Mitadiava fitiavagny ary managna zotom-po amireo fagnomezam-pagnahy, indrindra fa gne mba haminanianareo. 2 Fa izay mizaka ame fizaka tsy lala da tsy mizaka ame olo fa amin'Andriamanitra. Fa tsy misy mahazo azy satria mizaka gne zavatry tsy hita ao ame Fanahy izy. 3 Fa izay maminany da mizaka ame olo mba ho fampiorenagny andreo, ho fampirisiagny andreo, ary fampiononagny andreo. 4 Gne mizaka ame fizaka tsy lala da magnambotry gne tegnany, fa izay maminany da magnorigny gne fiangonana. 5 Amizao da magniry anareo rehetra hizaka ame fizaka tsy lala iaho. Fa mbola mihotry noho izany aza, magniry iaho gne haminanianareo. Izay maminany da zakabe kokoa noho izay mizaka tsy lala ( raha tsy hoe misy olo raiky mandika zaka ka mba mety hiorenagny fiangonana). 6 Fa amizao, ry rahalahy, raha avy eo aminareo ame fizaka tsy lala iaho, ino gne tombon-tsoa omeko anareo amizany? Tsy afaky iaho, raha tsy hoe mizaka aminareo ame fagnambaragny, na fahalalagny, na faminaniagny, na fampianaragny. 7 Raha magnazotso feo gne zava-magneno tsy manan'aigny--- mitovy gne sodina na lokanga--- ary tsy mamoky lantom-peo samihafa, akognay gne hahafataragny olo izay melodia azotsony sodina na gne lokanga? 8 Fa raha magnano foe hafa gne trompetra, akognay gne halalagny olo rehefa fotoagny hiomanagny ame ady? 9 Akohozany avakoa gne aminareo. Raha tsy mazava gne zaka azon'gne vavanareo, akohognay gne hahalalan'gne olo izay nozakaiko? Hizaka anareo, ary tsy halazo anareo 10 Misy mizaka samiafa eto amin'izao tontolo izao, ary tsy misy amin'ireny no tsy misy dikany. 11 Fa raha tsy mahalala gne dikan'gne fizaka raiky iaho, da ho vahiny amin'izay mizaka, ary izay mizaka ho vahiny amiko. 12 Akohozany koa gne aminareo. Satria magniry fantatry gne fihetsehan'gne Fanahy anareo, da managny zotom-po mba hiroborobo ame fagnamboaragny gne fiangonana. 13 Noho izany izay mizaka ame fizaka tsy lala da tokony hivavaka mba havitany mandika gne zaka. 14 Fa raha mivavaky ame fizaka tsy lala iaho, da mivavaky gne fanahiko, fa gne saiko tsy mamoa. 15 Ino gne tokony ho aniko? Hivavaka ame Fanahiko iaho, fa hivavaka ame saiko ihany koa. Hihira miaraky ame Fanahiko iaho, ary da hihira miaraky ame saiko avakoa. 16 Raha tsy izany, raha midera an'Andriamanitra miaraky ame Fanahy anareo, ahoana gne hizakako gne vahiny hoe"Amen" rehefa magnome fisaoragny anao raha tsy lalany gne zakainao. 17 Fa anao da tena magnome fisaoragny tsara avao, fa gne olo-kafa tsy miorina. 18 Misaotry an'Andriamanitra iaho fa mizaka ame fizaka tsy fantatry mihotry noho anareo rehefa. 19 Saingy any am-piangonana da aleoko mizaka teny dimy araky gne fahazoako mba hafako mampianatry gne hafa, toy izany zaka raiky ariva ame fizaka tsy lala. 20 Ry rahalahy, aza mba zaza ame fihevitrareo. Fa kosa, ra ame ratsy, da magnanova mitovy ame zaza. Fa ame fihevitrareo da aniko ho matotry anareo. 21 Ao ame lalàna da voasoratry hoe:"ame alalan'gne olo hafa fizaka sy ame alalan'gne molotry gne vahiny da hizaka amin'ireto ologny ireto iaho. Na da tsy haheno anaha indreo," hoy gne Tompo. 22 Noho izany ireo fizaka da famantaragny, tsy amin'ireo mpino. Fa gne faminaniagny kosa da ho famantaragny, tsy ho an'gne tsy mpino, fa ho an'ireo mpino. 23 Noho izany, raha misy, miara-miangogny gne fiangonana rehetra ary mizaka ame fizaka tsy fantatry avakoa, ary miditry gne vahiny sy tsy mpino, tsy ho zakaign'indreo fa mola anareo? 24 Fa raha naminagny avakoa anareo agnaby ka nisy tsy mpino na vahiny niditry, da ho resy lahatry amin'zany reheny izy. Ho tsaraigny ame alalan'izay rehetra vozaka izy. 25 Ho ambara gne tsiambaratelo ame fony. vokatr'izay, handohaliky izy ary hitsaoky an'Andriamanitra. Hagnambara izy fa tena eo aminareo Andriamanitra. 26 Ino gne maraky, ry rahalahy? Rehefa tafaraky anareo, gne tsirairay da managny salamo, fampianaragny,fagnambaragny, fizaka tsy lala, na fandikagny zaka. Aniko gne zavatry agnabymba hagnamboharanareo gne fiangonana. 27 Raha misy mizaka ame fizaka tsy lala, apetray hisy roy na farafahamarony telo, ary mandeha tsirairay, avy eo da tokony hisy raiky handika gne zakany vozakany. 28 Fa raha tsy misy mpandika zaka, apetray gne tsirairay amin'izay indreo hitagny gne fahagninagnyao am-piangonana. Avelao gne tsirairay hizaka mitokagny ame tegnany sy amin'Andriamanitra. 29 Apetray hizaka gne mpaminany roy na telo, ary apetray ireo hafa hiteno ame fahaiza-magnavaky gne vozakany. 30 Fa raha misy fahitagny omegny izay mipetraky eo ame fanompoagny, apetray hangigny gne raiky mizaka. 31 Fa gne tsirairay aminareo da afaky mifandimbymminany mba hafahany tsirairay mianatry ary mba hahare gne rehetra. 32 Fa gne fagnah'ireo mpaminany da eo ambaniny fagnaraha-mason'iro mpaminany. 33 Fa Andriamanitry da tsy Andriamanitra gne fikorontanagny, Fa gne fiadanagny. Izany gne fitsipiky ho an'ireo fiangonan'ireo mpino agnaby. 34 Gne viavy da tokony hitagny fahanginagny ao am-piangonana. Satria tsy mahazo alalagny hizaka indreo. Fa kosa, tokony hagneky indreo, mitovy gne ambaran'gne lalàna. 35 Raha misy irindreo henaragny, apetray hagnotany gne vadiny andragno indreo. Fa mahamegnatry ho ane viavy gne mizaka ao am-piangonana. 36 Avy aminareo ve gne nevisan'ge zakan'Andriamanitra? Anareo raiky ve gne voakasik'izany. 37 Raha misy mieritrritry gne tegnany ho mpaminany na ara-pagnahy, da tikony hagnaiky izy fa ireo zavatry izay soratako aminareo da didin'i Tompo . 38 Fa raha misy tsy magneky anizany, da apetray izy tsy ekegny. [Fagnamarihagny :Gne ankamaroan'gne dikan-teny, ao agnatin'izany gne ULB sy UDB, da tsy tokony ho ekegny izy." Gne dikan-teny sasny taloha magnano hoe :" Fa raha misy tsy mahafantatry anizany, da apetray i 39 ka amin'izany,ry rahalahy,magniria fatratry gne haminany, sady ka mandrara an'iza na iza hizaka amine firognonagny tsy fantatry. 40 Fa avelay gne zavatry rehetra hanigny arakine tokony ho izy sady am-pilamignagny.