Toko faha 16

1 Ary mahakasika gnefanangonam-bola ho an'ireo mpino, arky gne nagnabarako lalagny gne fiangonan'i Galatia, da mitovy amizany koa gne tokony aninarao. 2 Ame andro voalohany gne herignandro, da tokony hanokagny zavatry gne tsirairay aminareo, ary hitahiry anizany araky izay vitanareo. Magnambohara izay mba mety tsy apisygne fanangonam-bola rehefa avy iaho. 3 Rehefa avy iaho, ndre ino ekenareo da alefako miaraky ame taratasy mba hagnolorako gne fagnatitrareo ho an'i Jerosalema. 4 Raha mety amina koa gne mandeha, da handeha hiaraky amiko indreo. 5 Fa ho avy agny aminareo iaho rehefa mandalo an'i Makedonia. Fa handalo an'i Makedonia iaho. 6 Mety afaky hijanogny miaraky aminareo iaho na mandritry gne ririnigny mihitsy kada, mba hahafahanareo magnampy ahy ame diako, ndre aia andehehanako. 7 Fa tsy magniry gne hihita anaeo mandritra gne fotogny fohy iaho zao. Fa magnategna gne hipetraky maharitry miaraky aminareo, raha omeny Tompo. 8 Fa hipetraky ao Efesaosy iaho mandra-pevisany gne Pentekosta, 9 Fa efa varangara malalaky gne nipoky ho anaha, ary misy fahavalo maro. 10 Ary rehefa tonga Timoty, da ezako mba tsy haliha izy miaraky aminareo, fa magnano gne asan'ny Tompo izy, mitovy gne aniko. 11 Aza apetraky hisy olo hagnano tsinotsinogny anazy. Ampio izy ame lalany ame fiadanagny, mba hafahany mandeha eo aminaha. Fa magnatagna anazy mba ho avy hiaraky aminareo rahalahiny iaho. 12 Ary mikasiky an'i Apolosy rahalantsika, da nampiresiky anazy mafy iaho mba hamangy anareo miaraky amireo rahalahiny. Fa mbola tsy vonogny tanteraky gne ho avy izy zao. Ndre da izany . ho avy izy rahefa mety gne fotoa. 13 Membena, mijoroa tsara ame finoagny, miàs motovy gne lehilahy, mahereza. 14 Amboharo am-pitiavagny izay aninareo aby. 15 Lalanareo gne fianakavian'i Stefanasy, fa indreo gne iova fo voalohany tao Asaia, ary indreo nametraky gne tegnandreo ho ane fagnopoagny ireo mpino. Ary mampirisiky anareo iaho, ry rahalahy, 16 mba hagneky gne olo mitovy anizany sy ame olo rehetra izay magnampy ame asa sy miasa miaraky aminay. 17 Mifaly ame fevisan'i Stefanasy, Fortinatasy, ary Akaiosy iaho. Nameno gne tsy nateo anareo indreo. 18 Fa namelombelogny gne fagnahiko sy gne anareo indreo. Ka noho izany fantaro gne olo ako izany. 19 Ireo fiangonan'Asia da magnano veloma anareo. Akila sy Prisila da magnano veloma anareo ao amin'ny Tommpo, miaraky ame fiangonagny izay ao ame fipetrahan-dreo. 20 Gne rahalahiny aby magnano veloma anareo. magnamboara veloma ame oroka masina. 21 Iaho Paoly, manoratry ity ame tagnako. 22 Raha misy olo tsy tia gne Tompo, enga anie mba ho voaozagny izy. Ho avy, gne Tompontsika! 23 Ho aminareo ane gne fahasoavan'ny Jesosy Kristy. 24 Ho aminareo aby gne fitiavako ao amin'i Jesosy Kristy. [Fagnamarinagny: Gne dikan-teny taloha da magnampy hoe "Amena." Fa gne vaovao maro hafa ao agnatin'izany gne ULB sy gne UDB, da mangalaky anizany.]