Toko faha 27

1 Ary rafa tonga ny maregna, de nitetika hanotra an'i Jesosy mba hamono an'Azy reo leiben'ny mpisoragna sy ny loholona daôly. 2 Izy reo namatotra an'Azy, nitarika an'Azy teigny ivelany, ary nanolotra an'Azy tamin'i Pilato governora. 3 Ary Jodasy, le namadika an'Azy, rafa naita fa vôeloka Jesosy, de nibebaka izy reo namerina reo volafotsy telopolo tamin'reo leiben'ny mpisorana sy reo loholona, 4 ary niteny hoe: "Nanota za tamin'ny namadiko rà tsy manan-tsiny." Fa zareo niteny hoe: "Aônay ino? Anao zany." 5 De natsipiny takao an-tempoly reo volafotsy, ary nanainga, sy nivôka ary nagnantona ny tegnany Izy. 6 Ireo leiben'ny mpisorona naka reo volafotsy ary niteny hoe: "Tsy ara-dalàna ny mametraka ity akao amin'ny fiteirizam-bola, satria ity de vidin-drà." 7 Niara-niresaka ny ôla zareo ary nividy ny sahan'ny mpagnano vilany tanimanga ze handevegnana reo vahiny tamin'reo vôla. 8 Ary zeigny no antony niantsoana izany saha zany hoe: "Sahan'ny Rà" mandrak'androany. 9 Ary de tanteraka ze vôlaza tamin'ny mpaminany Jeremia, magnao hoe: "Naka ny volafotsy telopolo zareo, vidy nanombanan'reo vaôkan'Isarely Azy, 10 ary zareo nagnome izeigny ho an'ny sahan'ny mpagnano vilany tanimanga, araka ny natoron'ny Tompo ana." 11 Ary Jesosy nijoro takeo anatrehan'ny governora, ary ny governora nagnontany an'Azy hoe: "Enao ma no mpanjakan'reo Jiosy?" Jesosy namaly an'azy hoe: "Vôlazanao." 12 Fa rafa nampangain'reo leiben'ny mpisorona sy reo loholona Izy, de tsy namaly na ino na ino. 13 De niteny taminy Pilato hoe: "Tsy enognao ma ny fiampangana rehetra atao amignao 14 Fa tsy namaly na de tegny raika aza Izy, gaga tanteraka nony zany ny governora. 15 Ary isakin'ny fety de fômban'ny governora ny mamôka gadra raika vôfidin'ny vahôka. 16 Tamin'io fotoana io, nagnana gadra malaza ratsy antsoina hoe Barabasy zareo. 17 No zany rafa niara-nitarongona zareo, de ozy Pilato tamin'jareo hoe: "Iza no teignareo halefako ho anareo Barabasy, sa Jesosy ze antoigna hoe Kristy?" 18 Fantany fa nony fialonana no nanoloran-jareo an'i Jesosy taminy. 19 Raha nipetraka takeo amin'ny seza fitsaragna izy, de nandefa tent taking ny vadiny ary nagnano hoe: "Tsy magnana na ino na ino atao amin'ity leila tsy manan-tsiny ity za. Fa ory lôtra za niany nony nofy azoko momba an'Azy." 20 Ary reo leiben'ny mpisorona sy reo loholona nandresy lahatra ny vahôka mba hangataka an'i Barabasy, ary hampamono an'i Jesosy. 21 Nagnontany an-jareo ny Governora hoe: "Iza amin'izy roey no teignareo halefako ho an'nareo?" Ozy zareo hoe: "Barabasy." 22 Pilato niteny tamin-jareo hoe: Ino no tokony atôko amin'i Jesosy ze antovina hoe Kristy?" Izy daôly namaly hoe: "Fantsiho amin'ny hazofijaliagna Izy." 23 De ozy Izy hoe: "Naôgna, ino ny heloka natôny " Fa vô maika zareo nikikika mafy hoe: "Fantsiho amin'ny hazofijaleigna Izy." 24 Fa rafa hitan'i Pilato fa tsy afaka hagnano na ino na ino izy, kanefa efa nanomboka ny tabataba, de naka rano izy, nagnasa ny tagnany takeo agnatrean'ny vahôka, ary nagnano hoe: "Tsy magnan-tsiny amin'ny ràn'ity lehilà tsy magnan-tsiny ity za. Fa asanareo zeigny." 25 Reo ôla daôly nitare hoe: "Ho aminany sy ny zanakay anie ny ràny." 26 De nalefany ho an-jareo Barabasy, fa nively karavasy an'i Jesosy izy ary nagnolotra an'Azy ho fantsina. 27 Avy akeo reo miaramilan'ny governora naka an'i Jesosy hakao an-dapa ary nagnangona reo vondrona miaramila daôly. 28 Nagnala ny fitafiagny zareo ary nampagnao akanjo jaky an'Azy. Nagnambôtra satro-boninahitra tsilo zareo ary nametraka izeigny takeo an-dôny, ary nametraka tehina takeo amin'ny tagnany ankavanana. 29 Nedohalika takeo agnatreny zareo ary naneso an'Azy, nagnano hoe: "Arahaba, ry mpanjakan'ny Jiosy!" 30 Nororan-jareo Izy, ary nalain-jareo ny tehina de nikapoka an'Azy im-betsaka takeo amin'ny lôny. 31 Rafa avy nagneso an'Azy zareo, de nagnala ny akanjo lavany ary nampitafy an'Azy ny fitafeigny, ary nitondra Azy nivôka mba hamantsika an'Azy amin'ny hazofijaligna. 32 Rafa nivôka zareo, de naita leila raika avy akeigny Syrena antsoina hoe Simona, ze noteren'jareo hiaraka amin-jareo mba hampilanjaigna ny hazofijaligny. 33 Nankeigny amin'ny toerana antsovigna hoe Golgota zareo, ze midika hoe: "Toeran'ny Karandô." 34 Nomen-jareo divay mifangaro amin'ny afero Izy mba ho sotroina. Fa rafa nandramany zany, de tsy nisotro Izy. 35 Rafa nofantsin-jareo tamin'ny azofijalina Izy, de nataon-jareo loka ny fizarana reo fitafiny, 36 ka nipetraka zareo ary nijanona niambina an'Azy. 37 Takeo ambonin'ny lôny no nametran-jareo soratra milaza ny nanameloana an'Azy, ze mivaky hoe: "Ity no Jesosy, mpanjakan-reo Jiosy." 38 Nisy jolahy roey nofantsegna niaraka taminy, ny raika teo ankavanany ary raika teo ankavia. 39 Reo ze nandalo de nanevateva an'Azy, nanivingivigna ny lôn-jareo 40 ary nagnano hoe: "Enao ze handrava ny tempoly ary hanambôtra izany indray akao agnatin'ny telo andro, vonjeo ny tegnanao! Raha Enao no Zanak'Andriamanitra, midinà avy akegny amin'ny hazofijalina!" 41 Ôtrany zany ko reo leiben'ny mpisorona nagneso an'Azy, niaraka tamin-reo mpanora-dalàna sy reo loholona, ary nitare hoe: 42 "Nagnavotra reo afa Izy, fa tsy afaka magnavotra ny tegnany. Izy no mpanjakan'Israely. Avelao Izy hidigna akegny amin'ny hazofijalina, ary de hino an'Azy isika. 43 Natoky an'Andriamanitra Izy, avelao Andriamanitra hamonjy an'Azy ao, raha mankasitraka ny hagnafaka an'Azy Andriamanitra. Fa na Iza aza de nitare hoe: "Izao no Zanak'Andriamanitra." 44 Ôtrany izany kô reo jolahy ze nofantsina niaraka taminy nitare fanevatevagna taminy iany kô. 45 Ary nagnomboka tamin'ny ora fahenina de nandrakotra ny tany daôly ny aizina ka hatramin'ny ora fasivy. 46 Takeo amin'ny ora fasivy, de nikikika tamin'ny feo mafy Jesosy ary nagnanao hoe: "Ely, Ely, lamà sabaktani?" Izay midika hoe: "Andriamanitro, Andriamanitro, naôgna no nandao Anà Enao?" 47 Rafa reign'ny sasagny tamin-jareo ze nitsangana teo zany, de ozy zareo: "Miantso an'i Elia Izy." 48 Takeo iany de nihazakazaka ny raika tamin-jareo ary naka spaonjy, namonto izeigny tamin'ny vinaingitra, nametraka izeigny tamin'ny tohitohina bararata, 49 ary nagnome izeigny an'Azy mba ho sotroina. Ny sasagny tamin-jareo nitare hoe: "Avelao Izy. Hitantsika aketo raha ho tônga hamonjy an'Azy Elia." 50 De nikika tamin'ny feo mafy ndray Jesosy ary nagnolotra ny fagnany. 51 Indro, ny lamban'ny tempoly nizara roey hatrany ambony ka hatrany ambany, ary nihorohoro ny tany, ary vaky nisasaka reo vatolampy. 52 Nisokatra reo fasagna, ary ny fatin-reo ôlon'Andriamanitra betsaka ze nodimandry de natsangana. 53 Zareo de nivôka avy takao amin'ny fasagna tafaran'ny fitsanganany tamin'ny maty, niditra ny tagnana masina, ary nibôgna tamin'ny ola betsaka. 54 Ary reo kapiteny sy reo ze nijery an'i Jesosy rafa naita ny horohoron-tany sy reo ra ze nitranga, de lasa natatra mafy ary nagnano hoe: "Zanak'Andriamanitra marina ty." 55 Nisy Vevavy betsaka ze nagnaraka an'i Jesosy hatreigny Galilia mba hikarakara an'Azy takeo nitazagna avy aigny lavitra. 56 Tamin-jareo Maria Magdalena, Maria renin'i Jakoba sy Josefa, ary ny renin-reo zanakalan'i Zebedio. 57 Rafa ariva ny andro, de nisy leila raika manan-karena avy aigny Armatia tonga, antsovina hoe Josefa, ze mpianatr'i Jesosy iany kô. 58 Nagnatona an'i Pilato izy ary nangataka ny fatin'i Jesosy. De nobekon'i Pilato omegna an'azy zany. 59 Naka ny faty Josefa, namono zany tamin'ny lamba rongony madio, 60 ary nampandray zany tamin'ny fasagna vaovao ze nolavahany tamin'ny vatolompy. De nanakodia vato ngeza hanôgna ny varavaran'ny fasagna izy ary nivôka. 61 Maria Magdalena sy reo Maria hafa de takeo, nipetraka takeo ampitan'ny fasagna. 62 Ny andro manaraka, ze andro akao afaran'ny fanomanagna, de niara-nitarongona tamin'i Pilato reo leiben'ny mpisorogna sy reo Fariseo. 63 Ozy zareo hoe: "Tompoko, tadidinay fa tamin'ny mbola velogna iny mpamitaka iny, de ozy Izy hoe: "Afaran'ny telo andro, de hitsangana ndray Za." 64 Ka no zany, mandidia mba ho ambesana ny fasagna hatramin'ny andro fatelo, raha tsy zany reo mpianagny mety ho avy ary hangalatra an'Azy de hiteny amin'ny ôla hoe: "Nitsangana tamin'ny maty Izy", ary ny fitaka farany de ho ratsy nony le tamin'ny vôlôny." 65 Ozy Pilato tamin-jareo hoe: "Makà mpiambina. Mandeana ary ambeso tsara araka ze vintanareo izany." 66 De nandè izy reo ary niambina ny fasagna, nanisy tombokase ny vato ary nametraka ny mpiambina.