Toko faha 26

1 Rafa vitan'i Jesosy zany teny daôly zany, de nitare tamin-reo mpianagny Izy hoe: 2 "Fantatrareo fa afaka ro andro de ho tonga ny Paska, ary hatolotra hombogna amin'ny hazofijaligna ny Zanak'Ôla." 3 Avy akeo ny leiben'ny mpisorogna sy ny loholona niara-nivory takao amin'ny lapan'ny mpisorogna-be, ze nantsovina hoe Kaiafa. 4 Niara-nagnano tetika izy reo mba hisamboragna mangigna an'i Jesosy ary hamono an'Azy. 5 Fa ozy izy reo hoe: "Tsy amin'ny fety, mba tsy hisian'ny korontagna akeo amin'ny ôla." 6 Ary Jesosy rafa takao Betania akao an-tranon'i Simona boka, 7 raha nipetraka nignana takeo amin'ny latabatra, de nisy vevavy raika nagnana tavoara alabastara feno menaka lafo vidy nagnatogna an'Azy, de nagnidigna izany tamin'ny lôny. 8 Fa rafa hitan-reo mpianagny zany, de tezitra izy reo ka nagnano hoe: "Ino no anton-zao fandaniana zao? 9 Afaka namidy lafo ary nomegna reo mahantra io." 10 Fa Jesosy, nafantatra izany, ary nitare an'azy reo hoe: "Naôgna nareo no magnahiran-tsaigna an-dravevavy? Fa ra tsara no natôgny taminà. 11 Akeo aminareo mandrakariva ny mahantra, fa Za de tsy ho akeo aminareo mandrakariva. 12 Fa rafa nagnidigna izany menaka manitra zany tamin'ny vatako izy, de natôgny ho an'ny fandevegnana Ana zany. 13 Lazaiko marina aminareo, na aiza na aiza hitorina ny filazantsara aketo am-zao tontolo zao, ze natôgn'ity vevavy ty de ho lazaina iany kô ho fatserovagna an'azy." 14 Avy akeo ny raika tam-reo rombefolo, ze nantsovigna hoe Jodasy Iskariota, nankegny amin'ny leiben'ny mpisorogna 15 ary nagnano hoe: "Omenareo ôtrin za hagnolorako an'Azy aminareo?" Nandanja volafotsy madinika telopolo izy reo ho an'azy. 16 Tam-zany fotôgna zany de nikaraka fahafana izy mba hagnolorana an'Azy amin'izy reo. 17 Tamin'ny andro vôlôn'ny mofo tsisy lalivay de nagnatogna an'i Jesosy reo mpianatra ka nitare hoe: "Aiza no tegnao hagnomagnanay ho anao hinanana ny sakafon'ny paska?" 18 Namaly Izy hoe: "Midira akao an-tanàna misy leila raika ary lazao izy hoe: 'Ozy ny Mpampianatra hoe: "Efa ankeky ny fotôgnako. Akato an-tranonao Za no hagnano ny paska miaraka am-reo mpianatro." 19 Natôgn-reo mpianatra araka ze nandidin'i Jesosy zany, ary nagnomana ny sakafon'ny paska izy reo. 20 Refa tongo ny hariva, de nipetraka nignana niaraka tamin'ny mpianatra rombefolo Izy. 21 Rafa nignana izy reo, de ozy Izy hoe: "Lazaiko marina aminareo fa ny raika am-nareo hamadika an'Ana." 22 Nalaelo zareo ary nanomboka nagnontany an'Azy ny tsirairay hoe: "Tsy mba zà miitsy ry Tompo?" 23 Namaly Izy hoe: "Ze niara-nagnatsoboka ny tagnany taminà takao agnaty vily no le raika hamadika an'Anà. 24 Hande ny Zanak'Ôla, araka ze efa vôsoratra momba an'Azy. Nefa lozan'ny ôla ze hamadika ny Zanak'Ôla! Tsara am-zany ôla zany no tsy teraka avy." 25 Jodasy, ze hamadika an'Azy nitare hoe: "Za ma zany, Raby ô?" Ozy Izy taminy hoe: "Vôlazanao." 26 Raha mbola nignana zareo, de naka ny mofo Jesosy, ary nisôtra sy nanapaka izany. Nameny an-reo mpianatra izany ary nitare Izy hoe: "Raiso, hoano, ity ny vatako." 27 Nandray ny kapôka Izy ary nisôtra, ary nagnome izany an-jareo ka nitare hoe: "Anareo daôly, sotroy ty. 28 Fa ity ny ràn'ny fanekem-piavanana ahidigna ho anareo daôly ho famelan-keloka. 29 Fa lazaiko aminareo, fa tsy mba hisotro ny vokatry ny vôloboka intsony Za, mandra-piavin'ny fisotrôgna vaovao herako aminareo aigny amin'ny fanjakan'ny Raiko." 30 Rafa niraira fiderana izy reo, de nande taigny amin'ny an-tanetin'i Oliva. 31 Avy akeo ozy Jesosy tamin-jareo hoe: Anareo daôly de handao Anà nony aminà gniany alina, fa vôsoratra hoe: "Hamely ny mpiandry ondry Za de hiparitaka ny ondry." 32 Fa afaran'ny fitsanganako amin'ny maty, de hialô lalana anareo aigny Galilia." 33 Fa Petera nagnano tamin'Azy hoe: "Na de handao nony aminà aza nareo, Za tsy mba handao miintsy." 34 Ozy Jesosy taminy hoe: "Laziko marigna aminao, fa gniany alina raha mbola tsy maneno ny akoho, de handà an'Anà intelo enao." 35 Petera nitare taminy hoe: "Na de tsy maintsy ho fatsy miaraka aminao aza za, de tsy handà anao." Ôtran-zany avokô no lazain-reo mpianatra hafa. 36 Ary Jesosy nande niaraka tam-jareo nankaigny amin'ny tôrana antsovina hoe: Getsemane ary nilaza tamin'ny mpianagny hoe: "Mentôra aketo raha mbola hande ary hivavaka Za." 37 Nitondra an'i Petera mbamin'ny zanak'i Zebedio roey là Izy ary nanomboka nalaelo sy ory. 38 Avy akeo, ozy Izy tam-jareo hoe: "Fadiranovana ny fagnako, ôtran'ny efa ho faty. Mentôra aketo ary miambena miaraka aminà." 39 Niataka kely Izy, nenkoka ary nivavaka. Ozy Izy hoe: "Ry Raiko, raha azo atao, de ôka alana aminà ty kapôka ty. Nefa ôka tsy araky ny sitrapoko, fa ny sitraponao." 40 Nagnatogna an'reo mpiantra Izy ary nahita an'azy reo rekidrikena, ka ozy Izy tamin'i Petera hoe: "Nagnino nareo no tsy mavita miambina miaraka aminà na de ora raika aza? 41 Miambena ary mivava mba tsy ho azon'ny fakam-pagna nareo. Mety iany ny fagna, fa ny nofo no malemy." 42 Mbola nande fagnindroa Izy ary nivavaka. Ozy Izy hoe: "Ry Raiko, raha tô tsy azo alana aminà ty raha tsy misotro Za, de ho atao anie ny sitraponao." 43 Niverigna ndre Izy ary mbola nahita an'azy reo natory, fa navesatra ny mason-jareo. 44 Ka niala an'azy reo ndre Izy, lasa ary nivavaka fagnontelony, nilaza reo teny reo iany. 45 Avy akeo Jesosy nagnantogna reo mpianatra ka nagnano tam-jareo hoe: "Mbola matory sy miala sasatra ma nareo? Jereo, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'Ôla de hatolotra akeo an-tanan-reo mpanota. 46 Mitsangana, ande isika, jereo fa efa akaiky le hamadika Anà." 47 Raha mbola nitare Izy, de tonga Jodasy raika tam-reo rombefolo là. Nisy vahôka betsaka tonga niaraka taminy avy amin'ny leiben'ny mpisorogna sy reo loholona. Tonga niaraka tamin'ny hantsy be sy sabô zareo. 48 Ary nagnome famantarana an'azy reo le leila hamadika an'i Jesosy, magnano hoe: "Ze horoko no Izy. Sambory Izy." 49 Teo no eo iany de nagnantona an'i Jesosy izy ary nitare hoe: "Finaritra, Raby ô!" Ary nanoroka an'Azy izy. 50 Ozy Jesosy taminy hoe: "Ry sakaiza, atôvo ze nalehanao aketo." Avy akeo tonga izy reo ary naninjitra tagnana tamin'i Jesosy, ary nisambotra an'Azy. 51 Indro ny raika tam-reo niaraka tamin'i Jesosy naninjitra ny tagnany, nagnatsôka ny antsiny ary nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe, ary nahafaka ny sofiny. 52 Avy akeo ozy Jesosy taminy hoe: "Averegno amin'ny tôrany ny antsinao, fa reo ze mandray antsy de vonona amin'ny antsy. 53 Mieritreritra ma nareo fa tsy afaka magnantso ny Raiko Za, ary Izy de afaka mandefa no Anà tafik'anjely miôtra no ny rombefolo? 54 Fa atao akôry zany no hahatanteraka ny Soratra Masina, ze milaza fa tsy maintsy hitranga izany?" 55 Tam-zany andro zany Jesosy nitare tamin'ny vahôka hoe: "Tonga miaraka amin'ny antsy be sy sabô hisambotra an'Anà salan'ny jiolà ma nareo? Isan'andro de nipetraka nampianatra takeo amin'ny tempoly Za, fa tsy nosamborinareo. 56 Fa zany daôly zany de nibôgna mba hahatanteraka ze vôsoratr'ireo mpaminagny." Avy akeo niala an'Azy reo ny mpianatra daôly ka nilefa. 57 Ndesin'reo nisambotra an'Azy taigny amin'i Kaiafa mpisoronabe Jesosy, ze nivorian'ireo mpanora-dalàna sy loholona. 58 Fa Petera nagnaraka an'Azy avy aigny alavitra nankaigny amin'ny kianjan'ny mpisoronabe. Niditra takao agnatiny izy ary nepetraka niaraka tam-reo mpiandry rara mba hahita ze hefarany. 59 Ary reo leiben'ny mpisorogna sy reo Synedriona daôly de nitsikaraka fempangana tsy marina mba handotogna an'i Jesosy, mba mety afahan-jareo momono an'Azy. 60 Tsy naita na ino na ino zareo, na de nisy mpijoro vavolombelona betsaka tsy marina tonga aza takeo. Ary kelikely avy akeo de nisy roey tonga nagnantogna takeo 61 ary nitare hoe: "Io leila io de nitare hoe: "Afaka mandrava ny Tempolin'Andriamanitra Za ary manangana izany ndre ao agnatiny telo andro." 62 Nitsangana le mpisoronabe ka nagnano taminy hoe: "Tsy mana-kavaly ma Enao? Ino zany hempangan'izy reo Anao zany?" 63 Fa nangina Jesosy. Ozy ny mpisoronabe taminy hoe: "Mandidy Anao amin'ny alalan'Andriamanitra velona za, lazao aminay raha Enao no Kristy, Zanak'Andriamanitra." 64 Jesosy namaly an'azy hoe: "Vôlazanao, fa lazaiko aminao manomboka zao de ho hitanareo ny Zanak'Ôla hipetrka akeo an-tagnana ankavanan'ny Hery, ary ho tonga akeo amin'ny rahon'ny lagnitra." 65 Avy akeo ny mpisorognabe nandrovitra ny ankanjony ary nilaza hoe: "Niteny ratsy Izy! Nahôgna isika no mbola mila mpijoro vavolombelona? Indro, reignareo ny fitenenan-dratsy zao. 66 Ino no hevitrareo?" Namaly izy reo ary nagnano hoe: "Mendrika ny ho foaty Izy." 67 Avy akeo izy reo nandrora ny tareny sy nitaroka an'Azy, ary namely tefaka an'Azy, 68 ary nagnano hoe: "Maminagnia aminay, ry Kristy. Iza no namely Anao?" 69 Ary Petera nipetraka avelagn'ny kianja, ary nisy mpanompo vavy tonga nagnatogna azy nitare hoe: "Enao iany kô de niaraka tamin'i Jesosin'ny Galilia." 70 Fa nandà izany takeo agnolôn-jareo izy, magnano hoe: "Tsy fantatro ze koragninareo." 71 Rafa nivôka ny vavahady izy, de nisy mpanompo vavy hafa naita an'azy ary nitare tam-reo ze takeo hoe: "Ity leila iany kô de niaraka tamin'i jesosy avy aigny Nazareta." 72 Mbola nandà ndre izy niaraka tamin'ny fianianana hoe: "Tsy fantatro zany leila zany!" 73 Nony afaka kelikely de nagnatogna reo ze nitsangana takeo ary nitare tamin'i Petera hoe: Enao iany kô de tegna raika amin'izy iregny, fa ny fomba firesakao de mempanga anao." 74 Avy akeo izy nanomboka nanozogna sy niniana ka nagnano hoe: "Tsy fantatro zany leila zany." Ary takeo de nagneno ny akoho. 75 Tadidin'i Petera ny teny nambaran'i Jesosy hoe: "Mbola tsy magneno ny akoho de handà an'Anà intelo enao." Avy akeo izy nivôka ary nitomagny mafy.