Toko faha 25

1 Ny fanjakan'ny lagnitra de ho salan'ny virijiny folo ze niaka ny jirony ka nande niaogna tamin'ny mpampakatra. 2 Adala ny dimy tamin'jareo fa ny dimy kosa hendry. 3 Ary rafa nitondra ny jirony reo virijiny adala, de tsy nitondra solika niaraka taminy. 4 Fa reo virikiny hendry kosa de nitondra fitarizan-tsolika niaraka tamin'ny jirony. 5 Ary raha tara ny mpampakatra, de rendremana izy daôly ka natory. 6 Fa tamin'ny sasak'alina de nisy niantso mafy hoe: "Indro, ny mpampakatra! mivoà mba hiaogna amin'azy." 7 Avy akeo niarina reo virijiny daôly ka nikarakara ny jirony. 8 Ozy reo adala tamin-reo hendry hoe: "Mba omeo ampany amin'ny solikareo zahay fa efa ho foaty ny jironay. 9 Fa namaly reo hendry ka nitaré hoe: "Sao de tsy ho ampy ho anay sy ho anareo, fa madana mividiana aigny amin'ny mpivarotra ho an'ny tegnanareo." 10 Raha nande nividy zareo, de tonga ny mpampakatra, ary ze efa vonona de niara-nande tamin'azy ho akao amin'ny fagnasam-panambadena, ka niidy ny vavahady. 11 Rafa afaka zany de tonga iany kô reo virijiny sasagny ka niteny hoe: "Tompoko, Tompoko, mba vahao zahay". 12 Fa namaly izy ka niteny hoe: "Lazaiko marina aminareo, tsy mafantatra an'nareo za." 13 Kô no zany membena, fa tsy fantatrareo ny andro na ny ora. 14 Fa zany de ôtrany ny leila raika ze nande ho aigny amin'ny firenen-kafa. Nagnantso ny mpanompony izy ka nampitantana an'azy reo ny hareny. 15 Ny raika tamin-jareo nomeny talenta dimy, ny raika hafa nameny roey, ary ny raika hafa kosa nameny talenta tokana. Ny tsiraikaraika de samy nandray talenta araka ze fahaizany avy, ary nande tamin'ny deiny izany leila zany. 16 Ny raika ze naray talenta dimy de niainga teo no eo ka nampiasa an'azy reo ary nahazo talenta dimy hafa. 17 Ôtran-zany kô le raika ze naray talenta roey nahazo roey hafa. 18 Fa le mpanompo tokana ze naray talenta raika kosa, nandeha ka niady tamin'ny tany, ary nandevigna ny volan'ny tompony. 19 Ary tafaran'ny fotôgna ela de niverigna ny tompon-reo mpanompo reo ary nandamin-tabà tamin-jareo. 20 Niditra le mpanompo ze naray talenta dimy no sady nitondra talenta dimy hafa. Ozy izy hoe: "Tompoko, namenao talenta dimy hafa za. Indro, nanatombo talenta dimy hafa za." 21 Ozy ny tompony taminy hoe: "Tsara zany, ry mpanompo tsara sady matoky! Natoky tamin-ra vitsivitsy enao. Za hampendraikitra an'nao amin'ny ra betsaka. Midira amin'ny fifalian'ny tomponao." 22 Le mpanompo ze naray talenta roey de nagnatona sy nitare hoe: "Tompoko, namenao talenta roey za, indro, nagnatombo talenta roey hafa za." 23 Nitare an'azy ny tompony hoe: "Tsara zany, mpanompo tsara sady matoky! Natoky tamin'ny ra vitsivitsy enao. Za hampendraikitra an'anao amin'ny ra betsaka. Midira amin'ny fifalian'ny tomponao." 24 Avy akeo le mpanompo ze naray talenta tokana nagnatogna no sady niteny heo: "Tompoko, fantatro fa leila hentitra enao. Mandidy aigny amin-ze tsy namafazanao enao, no sady magnangom-bokatra aigny amin-ze tsy nambolenao. 25 Natatra za, ka nande ary nanitrika ny talentanao takao agnaty tany: Jereo, indro ze an'nao." 26 Ary namaly an'azy ny tompony ka nagnano tamin'azy hoe: "Enao ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa za de mandidy akaigny amin-ze tsy namafazako sy magnangom-bokatra akaigny amin-ze tsy namboleko. 27 No zany de tokony namenao ny mpanjana-bola ny volako ka rafa niverigna za de nandray ny anà miaraka amin'ny tombony. 28 No zany alaivo aigny amin'azy ny talenta ary ameo ho an-le mpanompo ze managna talenta folo izany. 29 Fa ze daôly managna de amena betsaka mihôtra lavitra aza. Fa ho an'reo ze tsy managna na ino na ino kosa, na ze hanagnany aza de alàna amin'azy. 30 Ario aigny amin'ny maizina aigny ambelagny ny mpanompo tsy mendrika, aigny no misy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. 31 Ka rafa tonga amin'ny voninahiny ny Zanak'Ôla sy ny anjely daôly miaraka Aminy, de hipetraka akeo amin'ny seza fendrihanan'ny voninahiny Izy. 32 Ary ny firenena daôly de hangonina akeo agnatreny, ary hagnavaka ny ôla raika amin-raika hafa Izy, salan'ny mpiambina ondry manavaka ny ondry amin'ny osy. 33 Hametraka ny ondry ho akeo ankavanany izy, fa ny osy akeo ankaviany. 34 Ary ny mpanjaka hiteny amin-reo ze akeo an-tagnana ankavanany hoe: 'Ave, anareo ze notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana ze efa vôhomagna ho an'nareo hatrizay nagnorenana an-zao tontolo zao. 35 Fa nôgna Za de namenareo hanina; nangetaheta Za de namenareo ho sotroina; nivainy Za de nampandrosoinareo; 36 niboridagna Za de nampitafinareo; narary Za nokarakarainareo; ary taigny am-ponja Za de nakany Aminà nareo.' 37 Ary reo marina de hamaly sy hiteny hoe: 'Tompo, ovena zahay no nahita Anao nôgna ka namahana Anao? Nangetaeta ka nampisotroinay? 38 Ovena Enao no hitanay nivainy ka nampandrosoinay? Na niboridagna ka nampitafianay? 39 Ovena zahay no nahita Anao narary na taigy am-ponja ka nakaigny aminao? 40 Ary ny Mpanjaka namaly ka niteny an'azy reo hoe: 'Lazaiko marina aminareo, ze nataonareo tamin-reny rahalako kely indrindra ireny, de natanonareo taminà.' 41 Ary izy hilaza amin-reo ze akeo ankaviany hoe: 'Mialà aminà, Nareo ze vôhozogna, ho aigny amin'ny afo mirehitra mandrakizay ze efa vôhomagna hoan'ny devoly sy reo anjeliny, 42 satria nôgna Za, fa tsy namenareo sakafo; nangetaeta Za, fa tsy namenareo hosotroina; 43 nivahiny Za, fa tsy nampandrosoinareo; niboridagna Za, nefa tsy nampitafinareo; narary sy tao am-ponja Za, fa tsy nokarakarainareo.' 44 Ary de hamaly kô izy reo ka hiteny hoe: 'Tompo! Ovena zahay no naita Anao nôgna, na nangetaeta, na nivahiny, na niboridagna, na narary, na taigny am-ponja, ka tsy nanompo Anao? 45 Ary Izy hamaly an'azy reo ka hiteny hoe: 'Lazaiko marina aminareo, fa ze tsy nataonareo tamin'ny raika tamin-reo madinika reo, de tsy nataonareo taminà.' 46 Reo de halefa ho akao amin'ny fagnasazina mandakizay fa reo marina kosa akao amin'ny fiaignana mandrakizay."