Toko faha 24

1 Nivôka ny tempoly Jesosy ary lasa nande. Nagnatona an'Azy reo mpianagny mbô hanorona an'Azy ny rafitry ny tempoly. 2 Nefa namaly Izy ary nikoragna tamin-jareo hoe: "Tsy hitanareo ma reo ra daôly reo? Lazaiko marina aminareo, tsisy vato ho tavela amin'ny raika hafa ze tsy ho ravàna. 3 Raha nipetraka takeo an-tendrombohitr'Oliva Izy, de nagnatona an'Azy mangingina reo mpianagny ary nitare hoe: "Lazao an'nay, rôvina reo ra daôly reo no hitranga? Ino no famantarana ny fatongavanao sy ny fara-andro? 4 Namaly Jesosy ary nitare an-jareo hoe: "Mitandrema mbô tsisy hamitaka an'nareo. 5 Fa ho maro no ho avy amin'ny agnarako. Ary hitare zaro hoe: 'Za no Krity,' ary maro no ho vôfitaka. 6 Handregny ady sy tatitr'ady anareo. Mitandrema mbô tsy hitebiteby anareo, fa tsy maintsy hitranga zany ra daôly zany; nefa tsy mbôla ho tonga ny faragny. 7 Fa hisy firenena hitsangana hagnohitra firenena, ary fanjakana hagnohitra fanjakana. Hisy silaona sy horohoron-tany amin'ny tôrana samihafa. 8 Nefa zany ra daôly zany de fendôhan'ny fanaintaignan'ny fitirahana fotsiny iany. 9 Ka ho atolotr'zareo ho amin'ny fahoriana anareo ary ho voniny. Ho halan'ny firenena daôly anareo nohon'ny agnarako. 10 Ary betsaka ny ho tafitôna, ary hifamadika sy hifankahala ny tsiraikaraika. 11 Mpaminagny sandoka betsaka no hitsangana ka hamitaka ôla betsaka. 12 Satria ny faratsena de hitombo, ary hihamangatseka ny fitiavan'ny maro. 13 Fa le raika ze miharitra hatramin'ny faragny de ho vôvonjy. 14 Ty filazantsaran'ny fanjakana ty de ho toriana magnerana an'zao tontolo zao ho vavolombelona amin'ny firenena daôly. Avy akeo de ho tonga ny faragny. 15 Noho zany, raha matazagna ny favetavetagn'ny fandravana anareo, ze nolazain'i Daniela mpaminagny, de hitsangana akeo amin'ny tôrana Masina anareo" (ôka ny mpamaky hatakatra), 16 "Ôka reo ze aigny Jodia hilefa ho aigny an-tanety, 17 ôka ze akao an-tampon'ny tragno tsy hidigna hiaka ra avy akao an-tragnony, 18 ary ôka ze aigny an-tsaha tsy hiverigna hiaka ny lambany. 19 Fa loza ho an'reo bevoka sy mampinono am'zany andro zany! 20 Mivavà mbô tsy ho amin'ny ririnina na amin'ny Sabata no hitranga ny fandosiranareo. 21 Fa hisy fahorena gedabe, ze tsy mbôla nisy ôtran'zany hatraigny am-pendohan'zao tontolo zao mandrak'gniany, tsia, ary tsisy tsony. 22 Raha tsy afoherina reo andro reo, de tsisy nofo ho vonjena. Fa nohon'ny ôlom-bôfidy, de hafoherigna reo andro reo. 23 Fa raha misy ôla mitare an'nareo hoe: 'Indro, ty le Kristy' na, 'iry le Kristy' de aza mino an'zany. 24 Fa ny Kristy sandoka sy ny mpaminagny sandoka de ho avy ary hampibôgna famantarana gedabe sy ra mahagaga, mbô hamitaka, raha azo atao, iôny fa na reo ôlom-bôfidy aza. 25 Indro, efa notaraviko an'nareo melôn'ny fotôna. 26 Noho zany, raha mitare an'nareo zareo hoe: 'indro, aigny agn-efitra izy," de aza mankaigny agn'efitra. Na hoe 'indro, aigny agnaty efitragno izy' de aza mino an'zany. 27 Fa ôtran'ny varatra ze mitselatra avy aigny antsinanana ka mazava hatraigny andrefana, de salan'zany ny fevin'ny Zanak'Ôla. 28 N'aiza n'aiza misy biby maty, de aigny no hiangonan'ny voltora. 29 Ary raha vô afaka ny fahorena am'reo andro reo de ho maizigna ny masoandro, tsy hagnome ny hazavagny ny volana, hilatsaka avy aigny an-dagnitra ny kintana, ary hiozongozogna ny herin'ny lagnitra. 30 Avy akeo de hibôgna aigny amin'ny lagnitra ny famantaran'ny Zanak'Ôla, ary ny foko daôly ambonin'ny tany hisaona. Hatazagna ny Zanak'Ôla tonga amin'ny rôndron'ny lagnitramiaraka amin'ny hery sy voninatra gedabe Zareo. 31 Handefa reo anjeliny Izy miaraka amin'ny feo trompetra mafy, ary hanangona ny ôlom-bôfidiy avy aigny amin'ny vazan-tany efatra zareo, manomboka amin'ny faravodilagnitra ka hatraigny amin'ny hafa. 32 Menara ny lesona avy amin'ny aviavy. Raha vantany vô matoy ny sampana ary mamôka ny ravygny, de fantatrareo fa manankeky ny favaratra. 33 Ôtran'zany iany kô, raha matazagna an'zany ra daôly zany anareo, de tokony ho fantatrareo f'efa ankeky Izy, akeo am'reo vavady mitsy. 34 Taraviko marina aminareo, fa tsy ho lany ty taranaka ty mandra-pibôgnan'zany daôly zany. 35 Tsisy tsony ny lagnitra sy ny tany, fa ny teniko de tsy mbô ho levona mandrakizay. 36 Kanefa ny makasika an'zany andro sy ora zany de tsisy mafantatra, na ny Anjelin'ny lagnitra aza, na ny Zanaka lahy, fa ny Ray fôgna. 37 Ôtran'ny tamin'ny andron'ny Noa, de salan'zany fôgna kô ny fevin'ny Zanak'Ôla. 38 Fa ôtran'ny tam'reo andro melôn'ny safo-dragno de nihinana sy nisotro zareo, nagnambady sy nampakarina mandra-patongan'le andro nidiran'i Noa takao agnatin'le sambo fiara, 39 ary tsy nafantatra na ino na ino zareo mandra-patongan'ny safo-dragno ka mandringana an'azy daôly - de salan'zany ny fevin'ny Zanak'Ôla. 40 Avy akeo hisy leila rôy aigny an-tsaha - raika ho raisina, ary ny raika ho avela. 41 Vevavy rôy no hitoto vary - ny raika ho raisina, ary ny raika ho raisina, ary ny raika avela. 42 Noho zany de membena, fa tsy fantatrareo ze andro hevin'ny Tomponareo. 43 Fantatro zao, raha fantatry ny tompo-tragno hoe am'firy alina no hiaven'ny mpangalatra, de ho niambina izy ary tsy namela ny tragnony ho vaky. 44 Noho zany de tsy maintsy mivonona fôgna kô anareo, fa ho avy ny Zanak'Ôla amin'ny ora tsy ampozinareo. 45 Ka iza ma le mpanompo matoky sy hendry ze notendren'ny tompony hanapaka ny fianakaveny mbô hagnomezana an-jareo ny sakafon-jareo amin'ny fotôna mety? 46 Sambatra zany mpanompo zany ze hitan'ny Tompony fa magnano an'zany rafa tonga izy. 47 Taraviko marina aminareo fa ny tompony no hanapaka an'azy ho agnambon'ny ra daôly ze anagnany. 48 Fa raha misy mpanompo ratsy mitare akao am-pony hoe: 'Ela fiavy ny tompoko', 49 ka magnomboka mamono reo mpanompo namany, sy mihinana ary misotro miaraka am'reo mpimamo; 50 de ho avy ny tompon'le mpanompo amin'ny fotôna ze tsy ampozigny ary amin'ny ora ze tsy fantany. 51 De ho kapakapain'ny tompony izy ary ho ataony ôtran'ny an'reo mpiatsaravelatsy ny anjarany, ze hisy ny fitomanena sy ny fikotroha-nify.