Toko faha 28

1 Ary tamin'ny align'ny Sabata, ra vô nanomboka mangiran-dratsy ny andro vôlôny amin'ny herinandro, de lasa nande nijery ny fasagna Maria MAgdalena sy le Maria raika hafa. 2 Indro, nisy horohoron-tany be, fa ny anjelin'ny Tompo no nidigna avy takaigny an-dagnitra, ary nanakode ny vato, ka nipetraka takeo ambonin'izany. 3 Ny endriny de ôtran'ny tselatra, ary ny akanjony de fotsy ôtran'ny oram-panala. 4 Raiki-tatra reo mpiambina ka nanjary ôtran'ny lehilà maty. 5 Nikoragna tam-reo vevavy le anjely ary nitare tamin-jareo hoe: "Aza matatra, fantatro fa mikaraka an'i Jesosy nareo, le nofantsina tamin'ny hazofijalina. 6 Tsy akato Izy, fa efa nitsangana, araka ny efa nolazainy. Malaky, tazano ny tôrana ze nandrin'ny Tompo. 7 Mandehana fainagana ary taravo reo mpianagny hoe:' Nitsangana tamin'ny maty Izy. Indro, efa nande nelôha an'nareo aigny Galilea Izy. Aigny no ahitanareo an'Azy. 'Indro, efa vôlazako taminareo." 8 Nandaosa haingana ny fasagna tamin-tatra sy tamin'ny hafalena leibe reo vevavy, ary nihazakazaka mba hitare reo mpianagny. 9 Indro, nihaona tamin-jareo Jesosy ary nitare hoe: "Arahaba!" Nagnatona reo vevavy, nitazona ny tongony ary nidera an'Azy. 10 Avekeo Jesosy nitare tamin-jareo hoe: "Aza matatra. Mandeana mitare am-reo ralàko mba hiala ka hanaraka an'i Galilia. Aigny no hahitan-jareo Ana." 11 Ary raha mbola iny nande iny reo vevavy, indro, ny sasagny tam-reo mpiambina nankaigny amin'ny tanàn-dehibe ary nitare tamin'ny lohan'ny mpisorogna ny ra daôly ze nibôgna. 12 Rafa niaogna tam-reo lohan'ny mpisorogna ary nikoragna momban''ny ôla tamin-jareo, de nagnome vola be an-reo miaramila zareo reo 13 ary nitare an-zareo hoe: "Lazao am-reo sasagny hoe: 'Tonga tamin'ny andro aligna reo mpianatr'i Jesosy ary nangalatra ny vatany ra mbola natory zahay.' 14 Rafa tonga taigny amin'ny governora zany tatitra zany, de handresy latra an'azy tsika ary hanala ahiahy aminareo." 15 Ary de nalain'ny miaramila ny vola ary nagnano arak-ze efa nolazaina an'azy zareo. Ary zany tatitra zany de nieli-patrana takeo am-reo Jiosy ary mitohy mandrak-zao aza. 16 Fa nankaigny Galilia reo mpianatra raika ambefolo, taigny amin'ny tendrombohitra ze efa natoron'i Jesosy an'azy reo. 17 Rafa natazana an'Azy zareo, de nidera an'azy, fa ny sasagny kosa niahiahy. 18 Nagnatona an'jareo Jesosy ka nikoragna tamin-jareo ary nitare hoe: "Efa namena Anà ny fahefana retraretra aigny an-dagnitra sy ety an-tany. 19 Koa mandeana ary atôvy batisa zareo amin'ny agnaran'ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina. 20 Ampenaro zareo hankatô ny ra daôly ze nandidiko an'nareo. Indro, miaraka aminareo fôgna Za, eny fa na hatramin'ny fefaran-zao tontolo zao aza."