Toko faha 18

1 Tam'zany fotôna zany fôgna kô de tonga takeo amin'i Jesôsy reo mpianany ary nitare hoe: "Iza no geda indrindra aigny amin'ny fanjakan'ny lagnitra?" 2 Jesosy nagnantso zaza kely hankeo amin'Azy, nametraka an'azy takeo amin-jareo, 3 ary nitare hoe "Lazaiko marina aminareo, fa ra tsy miova salan'ireo zaza kely reo anareo, de tsisy hevitra ny hidiranareo aigny amin'ny fanjakan'ny lagnitra. 4 Noho zany, n'iza n'iza magnetry tegna salan'ty zaza kely ty de geda ndrindra izy aigny amin'ny fanjakan'ny lagnitra. 5 N'iza n'iza mandray ny zaza kely salan'zao amin'ny Agnarako de mandray Anà. 6 Fa n'iza n'iza matonga ny raika amin'reto zaza kely reto ze mino an'Anà hanota, de tsara koko ho an'azy ny hagnantognana laona fitotom-bary gedabe akeo amin'ny tendany, ka halentika aigny amin'ny ranomasina laligna izy. 7 Loza ho an'zao tontolo zao no ny fotônan'ny fanafitoinana! Fa ilaina ny atongavan'zany fotôna zany, nefa loza ho an'ôla ze niaven'zany fotôna zany! 8 Raha miteraka fanafintohinana ho an'nao ny tagnanao na ny tongotrao, de tapao zany ary alao akeo aminao. Tsara kokoa ho anao ny miditra kilemaina na mandringa aigny amin'ny fiaignana mandrakizay noho ny ho very aigny amin'ny afo tsy mety maty amin'ny fanagnana tagnana rôy na tongotra rôy. 9 Raha miteraka fanafintohinana ho anao ny masonao raika, hongoto zany ary alao akeo aminao. Fa tsara kokoa ho anao ny miditra aigny amin'ny fiaignana mandrakizay miaraka amin'ny maso ilany noho ny hoe very aigny amin'ny afo tsy mety maty miaraka amin'ny maso roey. 10 Tandremo tsy hagnano tsinontsino reo zaza kely reo anareo. Fa milaza aminareo Za fa aigny an-dagnitra reo anjeliny de mijery fôgna ny endriky ny Ray. 11 [Fanamarihana: Ny dikan-teny talô tsara ndrindra de tsy ahitana ny fehezan-teny ze mitranga ôtrany hoe: "Fa ny Zanak'Ôla de tonga mba hamonjy an'ze very."] 12 Ino no eritreritrareo? Raha misy managna ondry zato, ka mankaigny amin'ny lalan-diso ny raika am'jareo, de tsy handôsa ny sivy amby sivifolo akeo amin'ny tanety va izy ary ande hikaraka le raika ze nankaigny amin'ny lalan-diso? 13 Raha tazany zany, de lazaiko marina aminareo, fa mifaly am'zany mihôtra noho reo sivy amby sivifolo ze tsy nankaigny amin'ny lalan-diso izy. 14 Ôtran'zany iany kô, tsy sitraky ny Rainareo aigny an-dagnitra ny hahavery ny raika amin'reo kely reo. 15 Raha magnota am'nao ny rahalanao, mandàna ary taravo an'azy ny hadisony, aminao sy izy rerika fôgna. Raha miaino an'nao izy, de hifankahazo amin'ny rahalànao ndre anao. 16 Kanefa ra tsy miaino an'nao izy, de mangalà raika na rôy hafa miaraka aminao,am'ze mba amin'ny vavan'reo vavolombelona rôy na telo no ahafahana magnamarina ny teny daôly. 17 Ary raha tsy magneky ny hiaino an'jareo izy, de lazao amin'ny fiangonana ny ra nitranga. Ra tsy magneky hiaino ny fiangonana iany kô izy, de avilao izy ho ôtran'ny Jentilisa sy ny mpamory hetra. 18 Lazaiko marina aminareo, na ino na ino fehezinareo ety an-tany de ho fehezina aigny an-dagnitra; ary na ino na ino avelanareo aketo an-tany de vôvela aigny an-dagnitra. 19 De mbôla lazaiko aminareo ndre hoe: "Raha misy rôy aminareo magneky aketo an-tany ny am'ze daôly angatahan'jareo, de ho hatao ho an'jareo amin'ny alalan'ny Raiko ze aigny an-dagnitra?. 20 Fa na aiza misy rôy na telo miara-miangona amin'ny Agnarako, de akeo ampovôn'jareo Za." 21 Avy takeo nagnatogna Petera ary nitare tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, impiry hagnota aminà ny rahalàko ka hamela an'azy za? Hatramin'ny im-pito ma? 22 Jesosy nitare an'azy hoe: "Tsy mitare aminao Za hoe im-pito, fa hatramin'ny fitopolo im-pito. 23 No zany ny fanjakan'ny lagnitra de salan'ny mpanjaka raika ze te hifandamina ara-bola miaraka am'reo mpiasany. 24 Raha vô nanomboka ny fandaminana izy, de nisy mpiasa raika ndesina takeo amin'ze nanagnany talenta iray alina. 25 Nefa satria tsy nanagna fomba handoavana an'zany izy , de nandidy ny hamarotana an'azy ny tompony, miaraka amin'ny vadiny sy reo zanagny ary ze hanagnany daôly, ka ho vita ny fandoavan-trosa. 26 No zany de niondrika le mpiasa ary nenkoka teo agnolônany, ary nitare hoe: 'Tompo, manàgna faharetana aminà, de halôko aminao ny ra daôly'. 27 No zany ny tompon'zany mpiasa zany, de nalahelo, ka nagnafaka an'azy ary namela ny trosa tamin'azy. 28 Fa nivôka io mpanompo io ka natazagna ny raika tam'reo mpiara-miasa amin'azy,ze nanagnany denaria zato. Nosamboriny izy, noraisiny tamin'ny tendany, ary nitare hoe: 'Aloavo amina ze notrosainao'. 29 Nefa nitagnondrika io mpiara-miasa amin'azy io ary nengavy tamin'azy, nanagno hoe: 'Manàgna faharetana amina, de halôko aminao ndre.' 30 Kanefa nandà le mpiasa vôlôny. Mifanôitra am'zany, nande izy ary nataony taigny am-pigadrana le mpiara-miasa amin'azy mandram-pahalôny amin'azy ze notrosainy. 31 Rafa natazagna ze nitranga reo mpiara-miasa amin'azy, de nalahelo tokôtra zareo. Nande ary nilaza tamin'ny tompony ze ra daôly niseo zareo. 32 Avy teo nagnantso an'azy ny tompon'io mpiasa io, ary nitare an'azy hoe: 'Anao ry mpiasa ratsy fagna, namela ny trosa daôly taminao za satria anao nitalaho tamina. 33 Tsy tokony hanagna famindram-po amin'ny mpiara-miasa aminao ma anao, sala'ny nanagnako famindram-po taminao?' 34 Sosy ny tompony ary nitondra an'azy taigny am'reo mpampijaly mandra-padoavagny ze ra daôly notrosainy. 35 Salan'zany fôgna kô no hataon'ny Raiko aigny an-dagnitra aminareo, raha tsy mamela ny rahalany amin'ny fony tsiraikaraika avy aminareo.