Toko faha 17

1 Enin'andro tato afara Jesosy de nialaka an'i Petera, Jakoba, sy Jaona ralàny niaraka tamin'Azy, ary nindesiny zareo niakatra ny tanety ambo tamin'ny tegnan-jareo. 2 Niôva endrika takeo alôn-jareo Izy. Namiratra salan'ny masoandro ny tavany, ary reo fitafiny lasana namiratra salan'ny ny hazavana. 3 Indro, nibôgna tamin-jareo Mosesy sy Elia nikoragna tamin'Azy. 4 Namaly Petera ary nagnano tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, tsara amintsika ny aketo. Raha sitrakao, de hagnano felofana telo ho antsika aketo za,ny raika ho Anao, ny raika ho an'i Mosesy, ary ho an'i Elia." 5 Raha mbôla nitare Izy, indro, nisy rondro mazava nanarogna an'azy reo, ary indro, nisy feo nivôka avy tao amin'ny rondro, nagnano hoe: "Ity ny Zanako malalako, ze sitrako tokôtra. Henoy Izy" 6 Rafa reignin'ireo mpianatra zany, de lavo zareo ary natatra mafy. 7 Avy akeo avy Jesosy ary nikasika an'azy reo ka nitare hoe: "Mitsangàna ary aza matatra" 8 Avy akeo de nitazagna agnambo zareo fa tsy natazagna na iza na iza afa-tsy Jesosy rerika fôgna. 9 Rafa nidigna ny tanety zareo, de nandidy an'azy ireo Jesosy, nagnano hoe: "Aza milaza zao fahitana zao na amin'iza na iza mandra-pitsangan'ny Zanak'Ôla amin'ny maty" 10 Nagnontany an'Azy reo mpianany, nagnano hoe: "Nagnino ary ireo mpanora-dalàna no milaza fa Elia de tsy maintsy ho avy alô?" 11 Jesosy namaly ary nitare hoe: "Elia de ho avy tokôtrany ary hamerigna amin'ny laoniny ny ra daôly. 12 Nefa lazaiko aminareo, fa efa tonga Elia, fa zareo tsy nahafantatra an'azy Mifanoitra ami'zany fa, nagnano ny ra daôly ze teny natao taminazy zareo. Ary salan'zany fôgna kô, ny Zanak'Ôla iany kô de hijaly akeo an-tagnan-jareo. 13 Avy akeo de takatr'ireo mpianatra fa nitare tamin-jareo ny momba an'i Jaona mpagnano Batisa Izy. 14 Rafa tonga takeo amin'ny vahôka zareo, de nisy leila raika nagnatogna an'Azy, niandoalika takeo agnoloany, ary nitare hoe, 15 "Tompo, manàgna famindram-po amin'ny zanako là, fa vôn'ny androbe izy ary mijaly mafy. Fa lavo matetika aigny agnaty afo na rano izy. 16 Nitondra an'azy takeo ami'ireo mpianatrao za, fa tsy afaka nagnasitrana an'azy zareo." 17 Namaly Jesosy ary nitare hoe: "Ry taranaka tsy mpino sy maratra toetra, mandra-pahovena no tokony hipetrako miaraka aminareo? Mandra-pahovena no tsy maintsy itôrako miaraka aminareo? Ndeso aketo Amina izy". 18 Nitare mafy ny demonia Jesosy, ka nivôka tamin'azy zany ary de sitragna tamin'zany ora zany le gaon-dà. 19 De nagnatogna an'i Jesosy mangingina reo mpiantra ary nagnano hoe: "Magnino ma no tsy nahavita namôka an'igny zahay?" 20 Jesosy nitare an'azy reo hoe: "Noho ny hakelezan'ny finonareo. Fa lazaiko marina aminareo, raha managna finona na de kely salan'ny vôntsinampy aza anareo, de afaka mitare ami'ty tanety ity anareo hoe: "Mifindrà avy aketo ho mankary, de hifindra zany ary tsy hisy na ino na ino tsy ho hainareo atao. 21 [Fanamarihana: Ny dikan-teny talô tsara indrindra de tsy hatazagnana ny hoe. "Fa ity karazagna demonia ity de tsy mivôka raha tsy miaraka amin'ny vavaka sy fifadian-kanina."] 22 Rafa nipetraka taigny Galilia izy reo, de ozy Jesosy tamin'reo mpiagnany hoe: "Ny Zanak'ôla de hatolotra akeo an-tagnan'ôla, 23 ary izy reo hamono an'Azy, ary ny andro fatelo de hatsangana Izy." Lasana nalaelo tanteraka reo mpianatra. 24 Rafa tonga taigny Kapernaomy zareo, de nankeo amin'i Petera reo leila ze nanangona ny hetra atsasaky ny sekely ary nitare hoe: " Tsy mandô ny hetra atsasaky ny sekely ma ny mpampianatrareo?" 25 Ozy izy hoe: "Iôny." Fa rafa niditra tao an-drano Petera, de Jesosy alô no nikoragna tamin'azy ka nagnano hoe: "Ino no eritreritrao, ry Simona? Ireo mpanjaka eto an-tany, avy amin'iza ma no andraisan-jareo hetra na hetran'ôla? Avy amin'reo vahôkany ma sa avy amin'reo vahiny?" 26 Rafa nitare Petera hoe: "Avy amin'reo vahiny," De ozy Jesosy tamin'azy hoe: "De afaka amin'ny fandoavana zany reo vahôka 27 Fa mba tsy hampanotantsika ny mpamory hetra, de mandeana aigny amin'ny ranomasina, manipàza fitana akao, ary alaivo ny trondro ze miakatra vôlôny. Rafa vôsokatrao ny vavany, de hatazagna sekely anao. Alaivo zany ary omeo reo mpamory hetra ho an'Anà sy ho an'nao."