Toko faha 16

1 Tonga reo Fariseo sy Sadoseo ary nitsapa an'Azy ka nangataka an'Azy mba hampiseho an'azy reo famantarana avy akaigny an-dagnitra. 2 Fa Izy namaly ary nitare an-jareo hoe: "Rafa ariva, de ozy nareo hoe: Ho tsara ny andro, fa mena ny lagnitra." 3 Rafa ampolakeka, de ozy nareo hoe: "Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lagnitra." Hainareo ny mamantatra ny endriky ny lagnitra, fa nareo tsy afaka mandika reo famantarana ny fotôna. 4 Ny taranaka ratsy sy mpijanganjanga de mikaraka famantarana, fa tsisy famatarana hamena an'azy ankôtra ny famantaran'i Jona." Avy akeo Jesosy nandao an'azy reo ka lasa. 5 Rafa tonga taigny ampita reo mpianatra, de adinon-jareo ny nitondra mofo. 6 Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Miabena ary mitandrema amin'ny masirasiran'reo Fariseo sy Sadoseo." 7 Niady hevitra reo mpianatra ka nilaza hoe: "No tsika tsy nitondra mofo zany." 8 Jesosy nafantatra izany ka nitare hoe: "Anareo ry kely finona, nagnino nareo no miady hevitra ka mitare fa nony tsy nitondranareo mofo izany? 9 Mbola tsy fantatrareo na tadidinareo ma ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo là, ary sobika firy no nangoninareo? 10 Na reo mofo fito ho an'reo efatr'arivo, ary sobika firy no nalainareo? 11 Nagnino no tsy azaôgnareo fa tsy momban'ny mofo no nolazaiko anareo? Miambena ary mitandrema amin'ny masirasiran'reo Fariseo sy Sadoseo. 12 Avy akeo azon-jareo fa tsy hitandrina amin'ny masirasiran'ny mofo no nolazainy an'azy reo, fa hitandrina ny amin'ny fampegnaran'ireo Fariseo sy Sadoseo. 13 Ary rafa tonga takaigny amin'ny faritra akaikin'ny Kaisaria-filipo Jesosy, de nagnontagny reo mpianagny Izy, magnano hoe: "Atôn'ny ôla ho iza ma ny Zanak'Ôla? 14 Ozy izy reo hoe: "Ny sasagny milaza fa Jaona mpagnano batisa; ny sasagny nagnano hoe: Elia mpaminagny; ary reo hafa nagnano hoe: Jeremia, na raika amin'reo mpaminagny." 15 Ozy Izy tamin-jareo hoe: "Fa nareo kosa magnano an'Anà ho iza?" 16 Namaly Simona Petera nagnano hoe: "Enao no Kristy, Zanak'ilay Andriamanitra velogna". 17 Namaly Jesosy ka nagnano taminy hoe: "Sambatra enao ry Simona Bar-jaona, fa tsy ny nofo sy rà no naneho izany taminao, fa ny Raiko ze akaigny an-dagnitra. 18 Lazaiko aminao iany kô fa enao no Petera, ary ambonin-ty vatolampy ty no hagnorenako ny fengonako. Ny vavahadin'ny fasagna de tsy haharesy izany. 19 Hameko anao ny lakilen'ny fanjakan'ny lagnitra. Na ino na ino fehezinao aketo ambonin'ny tany de ho fehezina akaigny an-dagnitra, ary na ino na ino vahanao aty an-tany de ho vahana akaigny an-dagnitra." 20 Avy akeo Jesosy nandidy reo mpianatra fa izy reo de tsy tokony hilaza na amin'izy na iza fa Izy no Kristy. 21 Tamin-zany fotôgna zany Jesosy nagnomboka nitare reo mpianagny fa tsy maintsy ho agny Jerosalema, hizaka fijalegna betsaka akeo an-tagnany loholona sy ny lohan'ny mpisorogna ary reo mpanora-dalàna, ho vonoina, sy hatsangana ndre amin'ny andro fatelo. 22 Avy akeo Petera naka an'Azy ka nitare mafy an'Azy, magnano hoe: "Ho lavitra anao ane zany, ry Tompo; tsy hitranga aminao mintsy ane zany." 23 Fa Jesosy nitodika ka nitare tamin'ny Petera hoe: "Mialà agny an-damosiko ry Satana! Enao de fagnafitohinana ho Anà, no enao tsy miraharaha reo ran'Andriamanitra, fa reo ran'ny ôla." 24 Avy akeo Jesosy nitare tamin-reo mpianagny hoe: "Raha misy te-hanaraka an'Anà, de tsy maintsy mandà ny tegnany izy, hitondra ny hazofijaliany, ary manaraka an'Anà. 25 Fa na iza na iza te-hamonjy ny aigny de hahavery an'azy, ary na iza na iza no hahavery ny aigny nony aminà, de hahazo izany. 26 Fa in ma no soa ho azon'ny ôla raha mahazo izao tontolo zao kanefa very ny aigny? Ino no omen'ny ôla ho takalon'ny aigny? 27 Fa ny Zanak'Ôla de ho avy amin'ny voninahitra ny Rainy miaraka amin-reo anjeliny. Avy akeo Izy hamaly soa ny ôla tsiraikaraika araka ze vitany. 28 Lazaiko marina aminareo, fa misy sasagny aminareo ze mijoro aketo no tsy hitsapa ny fafatesagna mandrapahitan'izy reo ny Zanak'Ôla tonga amin'ny fanjakany."