Toko faha 19

1 Ary rafa navita reo teny reo Jesosy, niala taigny Galilia Izy, ary nakaigny amin'ny faritr'i Jodia ze taigny andafin'ny reniranon'ny Jordana. 2 Vahôka betsaka no nagnaraka an'Azy, ka nagnasitragna an'jareo taigny Izy. 3 Nagnatona an'Azy reo fariseo, nitsapa an'Azy, nitare tamin'azy hoe: "Ara-dalàna ho an'ny leila ma ny misaraka amin'ny vadiny noho ze mety ho antony daôly?" 4 Jesosy namaly ary nitare hoe: "Tsy novakinareo ma fa Izy ze nagnano an'azy reo tamin'ny volôny de nagnano an'azy reo ho làhy sy vavy? 5 Izy Ze nagnano an'azy reo de nitare iany ko hoe: 'Fa noho zany antony zany de hiala ny rainy sy reniny ny leila ka hikambagna amin'ny vadiny, ary ho lasana nofo raika izy rôy?' 6 Ka tsy ho rôy intsony zareo, fa ho nofo raika. Ka ze natambatr'Andriamanitra, ôka tsisy hagnasaraka." 7 Ozy zareo tamin'azy hoe; "Nagnino zany Mosesy no mandidy an'nay hagnome taratasy fagnamarinam-pisarana ary avy akeo hampody an'azy?" 8 Ozy Izy tam'reo hoe: "Fa ny hamafisam-ponareo no namelan'i Mosesy an'nareo hisaraka amin'ny vadinareo, fa tamin'ny volôny de tsy zany no fomba. 9 Lazaiko an'nareo, na iza na iza misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana, ka manambady hafa, de magnitsakitsa-bady; ary ny leila manambady vevavy ze efa nisara-bady de mijangajanga." 10 Reo mpianatra nitare tamin'i Jesosy hoe: "Rafa zany no toetran'ny leila amin'ny vadiny, de tsy tsara ny manambady." 11 Fa Jesosy nitare tamin'reo hoe: "Tsy ny ôla daôly no afaka magneiky zany fampenarana zany, fa reo ze navela hagneiky an'zany fôgna. 12 Fa misy reo ionoka ze efa ôtran'zany hatraigny an-kibon-drenin'jareo, ary misy reo ionoka ze nataon'olombelona, ary misy reo ionoka ze magnano ny tenan'jareo ho ionoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Izy ze afaka mandray zany fampiagnarana zany, ôka izy handray izany." 13 Avy akeo nisy zaza kely sasatsasagny nindesiny teo amin'azy mba hametrany tagnana amin'jareo ka hivavaka, fa nitare mafy an'azy reo ireo mpianatra. 14 Fa ozy Jesosy hoe: "Avelao ny zaza kely, ary aza raràna izy reo hagnatogna Ana, satria ny fanjakan'ny lagnitra de an'ny salan'azy reo." 15 Napetrany teo amin'reo zaza kely ny tagnany, ary avy akeo niala teo Izy. 16 Indro, nisy leila nagnatogna an'i Jesosy ary nitare hoe: "Mpampianatra, Ino no ra tsara tsy maintsy ataoko mba hazaôko ny fiaignana mandrakizay?" 17 Jesosy nitare taminy hoe: "Nanigno enao no magnotany momba ze tsara aty amina? Raika fôgna no tsara, fa raha te-hiditra aigny amin'ny fiaignana anao, de tandremo reo didy." 18 Ozy le lehilà tamin'azy hoe: "Didy ino?" De ozy Jesosy hoe: "Aza mamono ôla, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety vavolombelona tsy marina, 19 hajao ry rainao sy ny reninao, ary tiavo ny mpiara-belona aminao ôtran'ny tegnanao." 20 Le gaogna nitare tamin'azy hoe: "Efa nankatoaviko avoko zany daôly zany. Ino no mbôla ilaiko? 21 Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Raha magniry ny ho tonga lafatra anao, de mandeana,amidio ze anagnanao, ary ameo ny mahantra, ka hanagna harena aigny an-dagnitra anao; ary ave, magnaraka Ana." 22 Fa rafa nareigny ze nolazain'i Jesosy le gaogna, de niala tamin'alaelo izy, satria nanagna fanagnana betsaka. 23 Ozy Jesosy tamin'reo mpianatra hoe: "Lazaiko marina aminareo, sarotra ho an'ny mpanakarena ny hiditra ny fanjakan'ny lagnitra. 24 Ary mbôla lazaiko aminareo ndre,mora kokoa ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vodim-panjaitra noho ny idiran'ny mpanakarena amin'ny fanjankan'Andriamanitra." 25 Rafa nareigny zany reo mpianatra, de tegna gaga tokoa ka nitare hoe: "Iza ary zany no afaka ho vonjena?" 26 Nijery an'azy reo Jesosy ary nitare hoe: "Amin'ny ôla de tsy hay atao zany, fa amin'Andriamanitra ny ra-daôly de azo atao." 27 Avy akeo Petera namaly ary nitare hoe: "Indro, navelanay ny ra-daôly ary nagnaraka An'nao zahay. Ino ary no ho azonay?" 28 Jesosy nitare an'azy reo hoe: "Lazaiko marina aminareo, amin'ny vanim-potôna vaovao rafa mipetraka akeo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'Ôla, de hipetraka akeo amin'ny seza fiandrianana rombefolo iany kô anareo ze nagnaraka Ana, hitsara reo foko rombefolon'Israely. 29 Ny ôla daôly ze nandosa tragno, rahalà, anabavy, ray, reny, zanaka, na tany, noho ny agnarako, de handray avo zato heny ary handova fiaignana mandrakizay. 30 Fa maro reo ze volôny ho lasana farany, ary ny farany ho volôny.