Toko faha 4

1 1Avy taiza no neven'reo ady sy reo fifandirana akeo aminareo ?Mô va reo avy amin'ny fagnirinareo ze miady amin'ny mpikambana akeo agnivonareo? 2 Magniry ianareo nefa tsy magnana. Mamono sy mitsiriritra ianareo,nefa tsy afaka ny ahazo. Miady sy mifanditra ianareo.Tsy magnana ianareo satri tsy mangataka. 3 Mangataka ianareo nefa tsy mahazo satri ratsy fangatana,mba hahafahanareo mampiasa zany ho amin'ny fagnirinareo 4 Anareo ry mpijangajanga! Mo tsy hainareo ma fa ny fisakaizana amin'izao tontolo izao de fandrafina nanoitra an'Andremanitra ka n'iza n'iza te ho naman'izao tontolo izao de magnano ny tegnany ho fahavalon'Andriamanitra. 5 Se anareo ma nieritreritra fa ny Soratra Masina de miteny zava-pagna hoe: "Ny Fanahy zay nataony takeo amintsika de saro-piaro loatra?" 6 Fa Andriamanitra de magnome fahasoavana betsaka kokoa noho izany de ozy ny Soratra Masina hoe: "Andriamanitra manohitra ny mpirearea,fa magnome fahasoavana ny nagnetry tegna." 7 Ka magnikesa an'Andriamanitra. Tohero ny devoly de hilefa anareo izy. 8 Manankikeza an'Andriamanitra de hagnankeky anareo Izy sasao nny tagnanareo ry mpanota ary sasao ny fonareo ry mpizarazara saigna. 9 Malaelova, magnanova fisaonana, ary mitomagné! Oka ny fimemezanareo hanjary fitomagnena, ary ny fifalenareo ho fanjoretana. 10 Magnetre tegna akeo agnatrean'ny Tompo de hampisondrotra anareo Izy. 11 Aza mifagnaratsy ianareo, ry rala. Ny ôla ze nmagnaratsy ny rala na mitsara ny lalàna. Ra mitsara ny lalana nareo, de tsy mpankato ny lalana fa mpitsara. Raika fogna ny mpagnome ny lalàna sy mitsara. 12 Izy le afaka mamonjy ny mandringana. Iza ma anao, ze mitsara ny namanao? 13 Koa mitainoa anareo ze miteny hoe: "Gniany na amaraigna hiditra akato amin'ny tanàna ty tsika, hanangana herintaona, akaigny, hagno varotra, ary hiaka antombony." 14 Iza no mafantatra ze hiseo amraigna ary ino ny fiaignanareo? Fa zavona nibogna vetiketika anareo ary avy akeo de levona. 15 Fa kosa tokony hiteny anreo hoe: "Ra sitrakin'ny Tompo, de ho velona isika ary hagnano an'ity na hagnano an'iry." 16 Fa amin'zao fotoana zao anareo de mirehare amin'ireo tetika misehoseho. Ny fisehosehoana rehetra ohatran'zany de ratsy. 17 Ka ho an'ze rehetra mafantatra magnano tsara nefa sy magnano an'zany, de heloka ho an'azy zany.