Toko faha 3

1 Tsy ôla daôly no tokony ho lasana mpampianatra, ry ralahy. Fantatrika fa fitsarana mafimafy atsika. 2 Fa atsika daôly de tafitona amin'ny fomba betraka. Ra misy tsy tafitona amireo teny, de leila matotra tanteraka izy, afa mife na de ny tegnany raika manontolo aza. 3 Ary ra asentsika lamboridy akeo am-bavan'ireo sôvaly mba hankatoavanjareo antika, de afaka mitondra ny vantanjareo raimanontolo kô atsika. 4 Jereo kô fa reo sambo, na de geda tokô aza izy regny ary ndesin'ny rivotra mahery, de vovilin'ny familina tegna kitika aigny amin'ize daôly ten'ny mpamory 5 Ôtran'izany kô ny lela derantragna kitika amin'ny vatagna, kanefa izy de mihambo ra daôly. Tazagno ihany kô ny hakitikn'ny afo ze mandoro ala geda. 6 Ny lela ihany kô de afo, tontolon'ny fahotagna izay napetraka teo amin'ny faritrin'ny vatantsika koa izy.Izany de magnisy pentimpentina ny vatagna ray manontolo ary mandoro ny lalam-piaignana. Ampiretin'ny helo ny tegnany. 7 Fa ny karazam-bizava bdia daôlo, vorona, biby mandady,ary zava-boarin-dranomasina de folaka ary nofolan'ny ôlombelona. 8 Fa momban'ny lela, tsy misy ôla mavita mamolaka anizany. Io de ratsy tsy hay fehezina, feno poizina mafaty. 9 An'io derantsika ny tompo sy ny Ray, ary amin'io no hagnozognanantsika ôla, ze natao nitovy tamin'Andriamanitra. 10 Avy amizany vava zany kô no hivoan'ny fitahina sy fagnozonana. Ry ralako, tsy tokony hitranga reo ra reo. 11 Mo ny lôrano ma mamôka rano mamy sy mangidy avy amin'ny fivohany? 12 Mo ny kakazon'ny aviavy ma, ry ralahiko,mamô oliva? Na ny vôloboka, mamô aviavy? Ny rano masina kô de tsy afaka magnome rano mamy. 13 Iza no endry sy mafantatra, akeo ampovôny? Avelao zany ôla zany hanoro fiaignana tsara amin'ny asany amin'ny fanatrentegnan'ny fahendrena. 14 Fa ra managna fialonana mangidy anareo ary ny fagnirindaza akao amponareo, de aza miambo na mandainga hanotra ny marina. 15 Zagny de tsy fahendrena izany nidigna avy tagny agnambo. Fa kosa, avy amin'ny tany, ny tsy ara-pagnahy, ny demôniaka izany. 16 Fa agny amin'izany misy fialonana sy fagnirin-daza, de misy fifanjevona sy fanaovana ratsy, daôly. 17 Fa ny fahendrena avy aigny agnambo de madio alô, avy akeo feno fiadanana, malemy fagnahy, mihevitra ny sasagny, feno famindram-po, sy vokatra tsara,tsy malemy ary tsotra. 18 Ny vokatriny fahamarinana de vôfafy am-piadanana akeo ampovônireo izay mampiavana.