Toko faha 2

1 Ry ralako, aza mitana ny finona an'i Tompontsika Jesosy Kristy, Le Tompony voninatra, amin'ny fiangarana ny ôla sasagny. 2 Atôvo hoe misy ôla miditra amin'ny fivorenareo magnano peratra volamena sy akanjo tsara, ary misy leila mahantra iany kô miditra magnano akanjo maloto. 3 Raha mjery le ôla manano akanjo tsara anao ka mitare hoe: "Azafady mipetrà aketo amin'ny tôrana tsara," fa hitare amin'ny le leila mahantra kosa hoe: "Mitsangàna anao erÿ," na hoe: "Mipetrà aketo an-tongotro ," 4 mo tsy mifampitsara aminareo nareo? mo tsy lasa mpitsara amin'ny sain-dratsy nareo? 5 Mitainoa, ry rala malalako, tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny mahantran'izao tontolo zao, mbô hanakarena amin'ny finona sy mbô ho mpandova ny fanjakana ze nampagnantignaina reo zay te ananjy? 6 Fa nareo de nagnala baraka ny mahantra! Mo tsy ny mpanan-karena va no mampahory anareo? 7 Mo tsy zareo ma no nagnaratsy ny agnarana tsara ze anareo? 8 Na zany aza, raha magnantanteraka ny lalàn'ny mpanjaka nareo, araky ny Soratra Masina hoe: "Tiavo ny namanao ôtran'ny tegnanao," de manao ny tsara nareo. 9 Fa raha magnome sitraka ny ôla sasagny kosa nareo,de manota, ka vôeloka toin'ny mpandika lalàna. 10 Fa n'izan'iza mankatô ny lalàna daôly, kanefa lavo amin'ny lalàna raika fôgna, de ho meloka amin'ny lalàna daôly. 11 Fa le niteny hoe: "Aza mijangajanga," dia niteny iany kô hoe: "Aza mamono ôla." Raha tsy mijangajanga nareo, Kanefa mamono ôla, de lasa mpandika lalàna. 12 Noho zany mitinena sy magnanova ôtran'reo ze ho tsaraina amin'ny lalàn'ny fahafana. 13 Fa ny fitsarana de tonga tsy misy famindram-po ami'reo ze tsy naneo famindram-po. Ary ny famindram-po de mandresy ny fitsarana. 14 Ino no tsara, ry ralako, raha milaza ny ôla raika fa managna finôna izy. Kanefa tsisy asa? Afaka amonjy anazy ma zany finona zany? 15 Ataovo hoe misy ralà sy anabavy ratsy fitafy sy tsy ampy ahanina isan'andro. 16 Atovovy hoe misy raika aminareo miteny aminjareo hoe: "Mandiana am-piadanana, manôva mafana ary mivokisa." Raha tsy magnome an'njareo ny ra ilainy ho an'ny vatagna anareo, ino no matsara anizany? 17 De otran'zany zany kô ny finona, raha tsisy asa zany, de maty. 18 Nefa mety misy ôla miteny hoe: "Manam-pinôna anao, ary za magnan' asa," aboagno ana ny finônao tsy misy asa, de aboagnako anao kô ny finônako amin'ny alalan'ny asako. 19 Anao de mino fa raika iany ny agnaran'Andriamanitra; tsara zany ataonao zany. Fa na reo demonia aza de mino zany, ka de mangitakitaka zareo. 20 Tenareo ho fantatra ve, ry leila adala, fa ny finôna de tsy misy ilana anazy? [Fagnamarinana: Ny dikan-teny talô sasany dia mamaky hoe: "Tenareo ho fantatra ma, ry leila adala, hoe naôna ny finôna tsy misy asa no maty?"] 21 Tsy tamin'ny asa kô ma ny nagnamarinana an'i Abrahama raintsaika rafa nanolotra an'Isaka zanany la takeo ambony ny alitara izy? 22 Hitanao fa ny finôna de niasa niaraka tamin'ny asany, ary amin'ny asa de nivôtra ny finôny. 23 De tanteraka ny Soratra Masina milaza hoe: "Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina taminy fahamarinana zany," ary izy nantsovina hoe sakaizan'Andriamanitra. 24 Hitanareo zao fa amin'ny asa no agnamarinana ny ôla, fa tsy amin'ny finôna ihany. 25 Otrany zany kô, Rahaba mpivaro-tegna tsy nohamarinina taminy asany kô ve izy. Rafa nandray reo iraka sy nandefa anjareo tamin'ny lalan-kafa? 26 Fa maty ny teigna ra misaraka amin'ny fagna, de toy zany kô ny finôna tsy misy asa de maty.