Toko faha 5

1 Malaky,ianareo ze manankarena,mitomaneza sy migogogogò noho ny fahorena tonga aminareo. 2 Ny harenanareo efa lo,ary ny fitafinareo efa lanin'ny kadradraka. 3 Ny volamenanareo sy ny volafotsinareo de efa refesenina. Ny refesina de vavolombelona hiampanga anareo,handoro ny nofonareo sala amin'ny afo azo zany. Niterizinareo ny harenanareo ho amireo andro farany. 4 Zao kô, ny karaman'ny mpiasa de mitaraigna, ny karama ze tsy namenareo ho an'ny mpamboly ny taninareo, ary ny fitarainan'ny mpandidy de fa tonga agny an-tsôfin'ny Tompon'ny maro. 5 Niaigna tamin'ny harena taketo ambon'ny tany anareo ary nagnara-po ny tegnanareo. Nampitavizina ny fonareo ho amin'ny andro famonôna. 6 Nanameloka sy namôno ny ôlo-marina nareo. Tsy namaly anareo izy. 5 7 Ka mahareta, ry rahlahy, mandrapaha-tongan'ny Tompo. Indro, ny mpamboly mandigny ny vokatra tsara amin'ny tany. Mandigny am-paharetana anzany izy,mandra-pazaôny ny vôlô sy fara-ôrana. 8 Nareo, kô, mandignia. Atanjao ny fônareo,satre efa tsy ela ny fiavian'ny Tompo. 9 Aza mifampitaraigna, ry ralà, mba tsy ho tsaraigna iagnareo. Indro ny mpitsara mijoro eo an-tokonana. 10 Mangalà ôatra, ry ralà, avy amin'ny fijalena sy ny faharetan'ireo mpamignany, ireo ze nitare tamin'ny anaran'ny Tompo. 11 Indro ataontsika ôtrany sabatra reo ze efa niaritra .efa regninareo ny fiaretan'i joba, ary fantatrareo ny tanjonan'ny Tompo,mahafeno ny fangoràna sy famindram-po Ananjy. 12 Fa ambonin'ny zavatra daôly ry ralaiko,aza miozogna na lanitsa na amin'ny tany na fianiagnana hafa fa kosa ôka ny teninareo hoe'' Iôny"de "iôny'' ary ny " tsia" ho "tsia" Mba tsy hidiranareo aigny amin'ny fitsarana. 13 Misy ôla va akeo aminareo mijaly amin'ny ady sarotra? öka izy hivavaka. Misy ôla faly va? Öka izy hihira fiderana. 14 Misy manavy va akeo ampovônareo? Aoka izy hagnantso ny loholon'ny fiangonana, Ary ôka zareo hivavaka hoanazy. Ka hagnosotra menaka anazy amin'ny agnaran'ny Tompo. 15 Ny fivavaky ny finôna ho magnasitrana le ôla manavy ,Ary ny Tompo hanangana anazy. Ary ra magnota izy, de hamela ananjy Andriamanitra. 16 Kô mifagneke heloka ianareo, ary mifampivavà mba ho sitragna ianareo. Ny vavaka ataon'ôlo-marina de tegna matanjaka ny fiasany. 17 Elia de leila mitovy tamintsikana ihany, nivavaka mafy izy mba tsy hilatsan'ny ranonôrana, ary tsy nilatsaka tamin'ny tany nandritra ny telo taona sy enim-bôlana izany. 18 Avekao nivavaka ndre Elia. Ny lanitra de nagnome ranonôrana, ary ny tany de nagnome vokatra. 19 Ry ralaiko, ra misy akeo aminareo miala amin'ny famarinana ary misy raika mampiverigna anazy, 20 de tokony ho fantatr'io ôla io fa n'iza n'iza magnala ny mpanota raika amin'ny lalan-disony de hamonjy anazy amin'ny fahafatesana, ary hagnarona fahota betsaka.