Toko faha 2

1 Ho amin'ny fahafana no nagnafahan'i antsika. Miorena tsara, noho izany, aza mety ho akao aman'ny zogan'ny fagnandevozana ndre. 2 Indro, za, Paoly, miresaka aminareo fa ra mamela ny tegnanareo ho forana anareo, de tsy hasô anareo amin'ny fômba dahôly Kristy. 3 Mijoro vavolombelon amin'ny ôla tsiraikaraika ze mamela ny tengany ho voafora ndre za fa vôtery hagnaraka ny lalàna dahôly izy. 4 Tafasaraka tamin'i Kristy, nareo, zay te hagnarinina amin'ny lalàna; ary tsy miaigna fahasoavana intsony anareo. 5 Fa amin'ny halalan'ny Fagnahy, amin'ny finona, no hiandrasantsika fatratra ny fanatenaana ny fahamarinana. 6 Akao amin'i Kristy Jesosy de tsy midika na ino no ino na voafora na tsy voafora, fa ny fignona miasa amin'ny fitiavana ihany. 7 Fa nihazakazaka tsara anareo. Iza no nisakana anareo amin'ny fankatoavana ny marina? 8 Zany fandresen-dahatra zany de tsy avy aminy le anareo. 9 Lalivay kitika no mampitombo ny koba dahôly. 10 Fa matoka ny Tompo za fa tsy handray fomba fijery hafa nareo no hagnefa ny sazy, na iza iza na iza. 11 Ry rala, ra mbôla mitory ny amin'ny famorana za, nagnino za no mbôla enjena? Amin'izany de ho afaka tokô ny fahatafintonan'ny hazo fijaliana. 12 Fa ho anireo ze manakorontana anareo enganie ka hanapaka ny tegnany izy reo! 13 Fa nantsovina ho amin'ny fahafahana nareo, ry rala. Nefa aza ampiasaina ho irika amin'ny filan'ny nofo ny fahafahanareo; fa kosa, amin'ny alalan'ny fitiavana de mifanompoa. 14 Fa ny lalàna daôly de tanateraka akao amin'ny didy raika; akao amin'ny hoe: "Tsy maintsy mite ny namanao ôtrany tegnanao anao." 15 Fa ra mifagnekitra sy mifampihinana nareo, de mitandrema sô hifandringana. 16 Fa hoy za, mandehana araka ny Fagnahy de tsy hatanteraka izay filan'ny nofo nareo. 17 Fa manohitra ny Fagnahy ny filan'ny nofo ny fanirian'ny Fagnahy. Fa mifanohitra ireo, mba tsy hafantaranareo magnano ze ra tenareo. 18 Fa ra tarihin'ny Fagnahy nareo de tsy ho ambanin'ny lalàna. 19 Ankehitriny de miharihary filan'ny nofo: fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoan, 20 fanompoan-tsampy, famosaviana, fankahalana, fifandirana,fahasarotam-piaro, fipoahan'ny fahatezerena, fifandrafiana, fisaraham-bazana, fizarazarana, 21 fialonana, fahamamoana, fanakorontanana, ary ny ra sahala amin'zany. Mampitandrina anareo za, tahaka ny efa nampitandrina anareo za, tahaka ny efa nampitandremako anareo taloha, fa tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra reo zay mampihatra reo ra reo. 22 Fa ny vokatry ny Fagnahy de fitiavana, fifaliana,fiadanana, faharetana, hatsarampagnahy,fanaovantsoa, finoana, 23 fahalemem-panahy, ary fahafehezan-tena; tsy misy lalàna manohitra ra ôtran'zany. 24 Reo zay an'i Kristy Jesosy de efa nanombo ny toetra feno fahotany niaraka tamin'ny fahafinaretany sy ny filany. 25 Ra miaigna amin'ny Fagnahy tsika, aoka handeha amin'ny Fagnahy ihany kô. 26 Aoka tsika tsy ho lasa mpieboebo, mifandrangitra,ary mifampialona.