Toko faha 4

1 Milaza zà fa ny mpandova, ra mbôla zaza izy, de tsisy hafa amin'ny andevo, tmpon'ny ra daôly aza, 2 Kanefa izy de akeo amabany fiadidin-jareo mpiambina sy zareo mpitahiry ra_ Sarobidy mandra-pahatongan'ny daty ze napetraky ny rainy. 3 Ka toy izany iany kô, fony sika mbôla zaza, de nandevozon'ireo lalàna fitsipi-pianaran'zao tontolo zao. 4 Fa rafa tonga ny fotôna, de nandefa ny zagnany Andremagnitra, ze natera-bevavy, nateraka takeo ambanin'ny lalàna. 5 Nagnano an'izany Izy mba hagnavotany reo ze ambanin'ny lalàna, mbô hafantarantsika nadray ny fananganana ho zanaka. 6 Ary satre zanaka anareo,de nasain'Andremagnitra ny Fanahn'ny Zanany, ze magnantso hoe: " Aba, Ray ô!" 7 No zany tsy andevo tsony an'nao, fa zanaka, ary ra zanaka, de mpandova amin'ny alalan'Andremagnitra iany kô an'nao. 8 Fa tam'zany fotôna zany, fony nareo tsy nahalala an'Andremagnitra, de natao ho andevonjareo ze, amin'ny hery vôjanahary, de tsy andremagnitra velively. 9 Fa amzao fotôna zao anareo de lasa nahay an' Andremagnitra na kô hoe: hain'Andremagintra nareo ka ino ny heveranareo amin'ny abidim-pianarana malemy no sady tsisy dikany? Te ho andevozinandre ma na? 10 Mandinika reo andro sy reo volana ary ireo vnanim-potôna sy reo taona nareo! 11 Matatra ny aminreo zà fa sô de ho zava-pôgna ny asako taketo aminareo. 12 Mengavy an'nareo za, ry ralà, magnanova karanà. Satre za iany kô de efa lasana ôtran'nareo tsy nagnano ratsy taminà nareo. 13 Kanefa hainareo fa non'ny areti-batako no nanambarako an'nareo ny Filazantsara tamin'ny vôlôny. 14 Na de nitondra an'nareo tamin'ny fakam-panahy aza ny toe-batako, de tsy nagnano tsinontsino na ngnilika anà nareo. Fa noraisinareo salan'ny hoe: Anjelin'Anremagntra kosa zà, salan'ny hoe zà mintsy no Kristy Jesôsy. 15 Akaiza, noizany, ny fahasoavanareo amin'zao fotôna zao? Fa mijoro vavolombelogna aminareo za fa, ra azonareo atao de, nalanareo ny masonareo ary namenareo anà zany. 16 Ka no izany, efa lasa faavalonareo ma zà satremikoragna aminareo ny marina? 17 Zareo reo de mazoto ny hitôna an'nareo, fa tsy amin'ny tsara. Te hagnidy an'nareo aigny ambelany zareo, mbô hanagnanareo zotom-po ho an'zareo. 18 Tsara foagna ny manana zotom-po amin'ny tanjona mendrika. 19 Ry anako, mbôla mijaly amin'ny fanaintainan'ny fiterahagna ho an'nareo ndre za mandra-piforon'i Krsity akao aminareo. 20 Maniry za mba ho afaka miaraka aminareo am'zao fotôna zao ary hagnôva ny fomba firesako, satria magnahiran-tsaina anà ny aminareo. 21 Taravo aminà, nareo ze magniry ny ho eo ambanin'ny lalàna, ka tsy mankatò ny lalàna ve nareo? 22 Satria voasoratra fa i Abrahama de nanan-janaka leila rôy, fa ny raika avy tamin'ny andevo ary ny raika avy amin'ny veivavy miaina malalaka. 23 Fa ny raika nateraky ny andevo veiavy araka ny nofo, fa le raika hafa d nateraky ny veivavy tamin'ny teny fampanantegnana. 24 Reo zavatra reo de azo ho sahala ny fagnoarana, satria reo veivavy reo de manambara fanekena rôy. NY raika aminjareo de avy amin'ny tanetin'i Sinay ary niteraka zaza e andvo izy. Izy io de Hagara. 25 Ary i Hagara de maneo ny tanetin'i Sinay any Arabia; ary maneo an'i Jerosalema am'zao fotôna zao satria nandevozina niaraka tamin'jareo zagnany izy. 26 Fa i Jerosalema ze aigny agnambo de afaka, ary izy no renintsika, 27 satria voasôratra hoe: "Mifalia, ianao ry momba zay tsy miteraka. magnantsonantsôva mafy ary magnanôva kikam-pifalena, 28 Fa nareo, ry ralà, ôtran'i Isaka, de zanaky ny Fampagnantegnana. 29 Tam'zany fotôna zany le ôla teraka arak ny nofo de nanenjika ze teraka araka ny Fanahy. Sala am'zany iany ami'zao fotôna zao. 30 Kanefa ino no koragnin'ny Soratra Masina? " Alefao akaigny ny andevo vaiavy mbamin'ny zagnany leila. Fa ny zanakalain'ny andevo vaiavy tsy hizara lova miaraka amin'ny zanaka lain'ny vaiavy miaigna malalaka." 31 No izany ry raalà, tsy zanaky ny andevo vaiavy tsika, fa zanaky ny vaiavy miaina amin-kalalahana.