Toko faha 3

1 Ry Galatiana adala! Iza no nagnosavy anareo? Takeo amasonareo indridra no nampisehona an'i Jesosy Kristy vôhombo. 2 Zao ihany no ra teko ianarana aminareo: Nandray Fagnahy tamin'ny asan'ny lalàna se tamin'ny finona ze regninareo anaeo? 3 Adala, tokô ma nareo? Nanomboka, tamin'ny Fagnahy anareo, de hifaragna amin'ny nofo ma ankehitriny? 4 Mo niharitra zavatra betsaka tamin'ny tsisy dikany ma nareo_ fa ra tegna zava-poana tokô ary izany? 5 Mo ma izy ze magnome ny Fagnahy an'nareo sy magnana asa magaga akeo aminareo de magnano izany amin'ny asan'ny lalàna, sa amin'ny fiainòna amin'ny fignona? 6 Otran'i Abrahama "nino an'Andriamanitra ary nisaigna ho fahamarinan'izany," 7 de ôtran'izany, fa reo ze amin'ny fignona de Zanak'i Abrahama. 8 Ny soratra Masina, nahita melô fa Andriamanitra hagnamarina ireo Jentilisa amin'ny fignona, de nitory ny filazantsara melô tamin'i Abrahama, niteny hoe: "Avy aminao no hitaina ny Firenena dahôly." 9 Ka, reo ze amin'ny fignona de vôtahy miaraka amin'i Abrahama, le ôlan'ny fignona. 10 Reo ze miankina amin'ny asan'ny lalàna de akeo ambanin'ny ozogna; fa voasoratra hoe: "Vôozogna ze daôly tsy magneky ny ra daôly vôdika akao agnatin'ny bokin'ny lalàna, sy magnano iregny." 11 Ankehitrigny de mazava fa tsisy ôla hamarinina akeo hanatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny lalàna, satria ny marina de ho velona amin'ny fignona. 12 Fa ny lalàna de tsy arka ny fignona, fa kosa, "Ny ôla ze magnano ny asan'ny lalàna de tsy maintsy velona, amin'ireo." 13 Kristy nagnavotra antsika tamin'ny ozogny lalàna tamin'ny nahatongavany ho ozagna ho antsika fa vôsoratra hoe: "Vôozina ze daôly miantogna amin'ny kakazo" 14 mbo ho tonga amin'ny Jentilisa ny fitahin'i Abrahama akao amin'i Kristy Jesosy, mba ho amin'ny fignona no azaôntsika le fampanantenana ny fagnahy. 15 Ry ralà, avelao za hiteny araka ny fanaon'ny ôla. Akao amin'ny fifagnarana ataon'ny ôla, tsisy afaka magnafôgna na magnampy ze akao, rafa tafapetraky ny lalàna izany. 16 Ary reo fampagnantenàna de nolazaina tamin'i Abrahama sy tamin'ireo taragnany. Tsy milaza hoe: "ho an'ny taranaka," manondro ôla betsaka, fa kosa ôla raika ihany, "ho an'ny taranakao," de i Kristy. 17 Ary zao no teko lazaina: "Ny lalàna,ze tonga telo-pola sy efa-jato taona taty hafara, de tsy hahafogna ny fanekena ze efa napetrak'Andriamanitra mialô. 18 Fa tsy avy amin'ny lalàna ny lova, de tsy avy amin'ny fampanantenana intsony izany. Fa Andriamanitra nagnome an'izany an'i Abrahama tamin'ny halalan'ny fampanantenana. 19 o,ary, ny tanjon'ny lalàna? Nasena anizany noho ireo fandikan-dalàna, mandra-pahatongan'ny taranak'i abrahama, akeo amize nagnanaovana ny fampanantenana. Ny lalàna, de nataon'ny mpanalalana raika ho manan-kery tamin'ny alalan'ny anjely. 20 Fa ny mpanalalana de midika ôla miôtra ny raika, kanefa Andriamanitra de raika. 21 Mo ve ny lalàna manotra reo fampanantenan'Andriamanitra? Sagnatre izany, fa ra nisy lalàna namena ze afaka magnome fiaignana, de avy tamin'ny lalàna tokô ny fahamarinana. 22 Fa ny Soratra Masina nagnagadra ny ra daôly ambanin'ny fahotana. Nagnano an'izany Andriamanitra mbo hagnomezany ho an'ireo mino ny fampanantenana ny hagnavota antsika, amin'ny halalan'ny fignona an'i Jesosy. 23 Ary talôn'ny natongavan'ny fignona, antsika de nitanana ho babo takao, amban'ny lalàna, nogadraina mandra-pisehoan'ny fignona. 24 Koa avekeo ny lalàna de lasa mpiambina antsika mandra-piavin'ny Kristy, mba ho vômarina amin'ny fignona atsika. 25 Fa zao de tonga zany fignona zany, ka tsy akeo ambanin'ny mpiambina intsony atsika. 26 Fa anareo daôly, de zanak'Andriamanitra, akao amin'ny fignona an'i Kristy Jesosy. 27 Fa betsaka taminjareo ze natao Batisa takao amin'ny Kristy no nandray an'i Kristy. 28 Ary tsisy intsony na Jiosy na Grika, na andevo, na ôlon-kafa, na leila na vevavy, fa raika ihany anareo, akao amin'ny Kristy. 29 Ka ra an'i Kristy anareo, de taranak'i Abrahama, sy mpandova araka ny fampanantenana anareo