Toko faha 2

1 Efatra ambefolo taona taty afara de niakatra nakeny Jerosalema indraika za niaraka tamin'ny Barnabasy, de nitondra an'i Titosy niaraka tamina. 2 Nikatra akeny nony fanambaragna raika za ary nametraka teo amin'jareo ny filazantsara ze toriko akeo amin'jareo Jentilisa. Niresaka tamin'jareo nitôkana zay noeverina ho manandanja za, mba hazahôgna antoka fa tsy niazakazaka na efa niazakazaka very maigna za. 3 Fa na Titosy aza, ze niaraka taminà no sady Grika, de notera ho voafora. 4 Niditra nangingina reo rala sandoka nitsikilo ny fahafahana anananay ao amin'ny Kristy Jesosy. Naniry ny hagnadevo anay zareo, 5 fa tsy nety nagnaiky azy re nade fotoana kely aza zany, mba hitoeran'ny fahamarignan'ny filazantsara aminareo 6 a reo ze noevitra ho manandanja, (na ino na ino izy reo de tsy mampagninona ana Andriamanitra de tsy miangatra)_ lazaiko reo ze hevitra mandanja de tsy nanampy ninoninona tamina. 7 Mifanoitra amin'zany, itan'jareo fa fanakianana ny filazantsara hoan'dreo ze tsy voafara za, takany nanakianana an'i Petera ny filazantsara hoan'dreo ze voafora, 8 Fa Andriamanitra, ze niasa teo amin'ny Petera ho aminy maha-postoly ho an'dreo ze voafora, de niasa tato amina iany kô hoan'dreo Jentilisa. 9 I Jakoba, Kefasy, ary Jaona, fantatra fa anisan'dreo ze nanorigna fiangonana, rafa nafantatra ny fahasoavana izay nomena ana, de nagnome tagnana akavanan'ny fiombognana ho ana sy Barnabasy izy reo. Nataon'dreo ze nagnafahana anà mankaigny amin'ny Jentilisa, ary mbô hafan'jareo mankaigny amin'reo ze foafora. 10 Nangtaka foagna zareo mbô hahatsiaro ny mahantra zahay, ze zavatra tegna teko atao tokôtra. 11 Fa rafa tonga taigny Antiokia i Kefasy, de nanotra anazy teo amin'ny tavany za satria vôlaza fa diso izy. 12 Talôan'ny natongavan'ireo leila sasagny avy aigny amin'i Jakoba , de teo am-pihinanana niaraka tamin'reo leilà reo,de nanangana izy, ary niataka alavitra an'reo Jentilisa. Natatra reo ka nitaky famorana izy 13 Ny ambiny tamin'reo Jiosy kô de nitambatra tamin'zany fiatsarambelatsihy zany. Na i Barnabasy aza de voavily niaraka tamin'jareo tamin'ny fiatsaram-bealatsihy. 14 Fa rafa tazako fa tsy magnaraka ny fahamarinan'ny Filazantsara ny fitôndran-tegnan-jareo, de nitare tamin'i Kefasy teo agnolôn'izy daôly za hoe: "Ra Jiosy anaokanefa miaigna ôtran'ny Jentilisa fa tsy ôtran'ny Jiosy, aôna no afanao manery re Jentilisa hhiaigna ôtran'ny Jiiosy?" 15 Tsika de Jiosy tamin'ny alalan'ny faaterana fa tsy mpanota Jentilisa. 16 Haintsika anefa fa tsisy ôla hamarinin'ny asan'ny lalàna fa amin'ny alalan'ny finôna an'i Kristy Jesôsy. Tsika iany kô de tônga tgamin'ny finôna an'i Kristy Jesôsy mbô hnamarinina amin'ny finôna an'i Kristy fa tsy amin'ny asan'ny lalàna. Fa tsisy nofo hamarinina amin'ny asan'ny lalàna. 17 Fa ra to ka, mitady hamarinina akao amin'i Kristy tsika, tsika iany kô, de hita fa mpanota, moa mamporisika ny fahotana ma Kristy? Tsia avy hatraigny. 18 Fa ra managna ndre, reo efa noravako talô za, de magnaporofo ny tegnako ho mpandika lalàna zà. 19 Fa tamin'ny lalàna no nahatesako tamin'ny lalàna, mbô ho velogna ho an'Andreamagnitra za. 20 Nomboigna niaraka tamin'i Kristy zà, Tsy zà tsony no velogna, fa Kristy no velona ato agnatiko. Ny faignana iaignako, akao amin'ny nofo de iaignako amin'ny finôna ny Zanak'Andremagnitra, Ze té anà ka nagnome ny tegnany ho anà. 21 Tsy magnilika ny fahasoavan'Andremagnitra za, fa ra azo amin'ny lalàna ny fahamarignana, de tsisy dikany ny nahafatesan'i Kristy.