Toko faha 6

1 Ry raalà, ra misy ôla azon'ny ota,anareo ze ara-pagnà no tokony amerigna anazy ndre aminn'ny faamoram-pagnà. Mivera ny tegnanao, mba tsy ho alaim-pagnà kô an'nao. 2 Mifampitondrà ny mavestra, ary amin'izany de tantirao ny lalàni Kristy. 3 Fa ra misy ôla mihevitra ny tegnany ho ra tsisy dikany, de mamitaka ny tegnany izy. 4 Tokony handinika ny asany avy ny tsiraikaraika, mba ho an'ny tegnany iany no hireharehany fa tsy amin'ny ôla afa. 5 Fa say hitondra ny entany avy ny ôla tsiraikaraika. 6 Ny ôla ze nampenarina ny teny tsy maintsy mizara ny ra tsara daôly am'ze mampianatra. 7 Aza mety ho fitahana. Tsy azo vazivazena Andemagnitra, fa ze daôly ambolen'ny ôla, no dideny kô. Ho an'ze mamboly vô amin'ny toetrany feno faotana, de avy ami'zany no handideny fahasimbana. 8 Ze mambôly vô amin'ny Fanahy, amin'ny Fananhy no handideny ny fiainana mandrakizay. 9 Öka tsika mba tsy ho reraka amin'ny fagnanôvan-tso, fa handidy vokatra tsara amin'ny fotôna mety , ra tsy milavo lefogna isika. 10 Kô no izany, satre magnana fahafahana tsika, de ôka hagnano ny tsara amin'ny ôla daôly, ndrindra fa amin'ny fenaaven'ny finôna. 11 Jereo ny agedan'ny soratra ze nosoratan'ny tagnako ho an'nareo. 12 Reo ze te hiseho ho tsara amin'ny nofo no miezaka magnery an'nareo mba ho forana. Magnano an'zany zareo mbô hialana amin'ny fahendrena noho ny amin'ny Hazo fijalian'i Kristy. 13 Na reo ze tsy vôfora aza de tsy mitandrina ny lalàna, nefa ten'jareo hoforana anareo mba irearean'jareo amin'ny nofonareo. 14 Nefa tsy hirehareha na ovena na ovena afa-tsy ny amin'ny hazo fijalian'i Kristy Tompontsika ane za, ze nanomboana an'zao tontolo zao takeo aminà, ary za kosa takeo amin'zao tontolo zao. 15 Fa ny famorana na ny tsy famorana de samy tsisy dikany, fa ny fiagnam-baovao no misy antony. 16 Ho an'reo daôly se miaigna araka zany fomba zany, de ho an'jareo ane ny fedanana sy ny faindram-po, na amin'ny Israeli' Andremagnitra aza. 17 Manomboka zao de ôka tsisy agnadala anà, fa itondra reo marik'i Jesôsy akeo amin'ny vatako 18 za. Ho amin'ny Fanahinareo ane ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsika, ry raalà. Amena.