Toko faha 5

1 No zany ôka mba ho mpaka taka an'Andriamanitra, ôtrany zanaka malala. 2 Ary mandagna amin'ny fitiavagna, araka ny nitiavan'i Kristy antsika iany kô sy nagnomezany ny tegnany ho antsika, fagnatitra manim-pôfona sy sorona ho an'Andriamanitra. 3 Fa tsy tokony hisy na de resaka fijangajangana na karazagna falotôgna na tsy fahononan-tegna aza akeo aminareo, fa tsy mendrika ny olo-masin'Andriamanitra reo. 4 Ôka tsisy mamôfady, resaka adaladala, ary hanihany tafaôtra, fa tsy mendrika ny daôly reo. Fa kosa tokony hisy fankasitragna. 5 Fa afaka mahazo antoka ny am-zao nareo, fa tsisy mpijangajanga, maloto, na ny mpierigna - zany hoe, mpanompo sampy - magnana lova akao amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra. 6 Ôko tsisy hamitaka anareo amin'ny teny fôgna, satria nony reo ra reo de tonga amin'ny zanaky ny tsy fankatoavagna ny hatezeran'Andriamanitra. 7 No zany, aza mikambana am-jareo. 8 Fa maizigna nareo talô, fa zao nareo de fazavagna akao amin'ny Tompo. Mandagna ôtrany zanaky ny mazava, 9 (fa ny vokatry ny fahazavagna de akao amin'ny fahatsarana daôly, fahitsina, sy famarignana.) 10 Ary tedavo ze mafinaritra ny Tompo. 11 Aza mikambana am-reo asa tsy mamokatra ny haizigna, fa ampiseo kosa reo. 12 Fa mamegnatra na de ny manognona reo ra atôn-jareo akagny amin'ny miafigna aza. 13 Fa rafa hazavain'ny fazavana ny ra raika, de lasa mitranga. 14 Fa ny ra daôly ze mitranga de fazavagna. No zany de vôlaza hoe: "Mifoaza, enao matory, ary mitsangana amin'ny plasin'ny maty, de hamiratra aminao Kristy." 15 Mitandrema amin'ny fomba fiaignanao tsy ôtrany tsy hendry fa ôtrany hendry. 16 Ararôty ny fotogna satria zao andro zao de ratsy. 17 No zany, aza medaladala, fa takaro hoe: Ino ny sitrapôn'ny Tompo. 18 Ary aza magnano mamon'ny divay, fa mitondra akeigny amin'ny fasimban-toetra izeigny. Fa kosa, ôka ho fenon'ny Fagna Masina, 19 mifampiresa aminareo samy nareo amin'ny salamo sy fihirana ary hiram-pagna, mihirà ary mikaloa amin'ny Tompo amin'ny fonareo daôly. 20 Misaora mandrakariva amin'ny ra daôly, amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika ho an'Andriamanitra le Ray, 21 mifanolora tegna amim-pagnajana ho an'i Kristy. 22 Ry vevavy, magneke ny vadinareo, ôtrany amin'ny Tompo. 23 Fa ny leila no lôn'ny vavy ôtrany Kristy kô lôn'ny fengonana, ary Kristy tegnany no mpamonjy. 24 Fa ôtrany ny haneken'ny fegnonana an'i Kristy, de ôtrany zany kô no tôkony haneken'ny vevavy ny vadiny amin'ny ra daôly. 25 Ry lehilà, tiavo ny vadinareo, ôtrany ny nitiavan'i Kristy ny fengonana sy nagnomezany azy ny ainy. 26 Nagnolotra ny tegnany ho an'ny fengonana Kristy mba afany magnamasigna an'azy, tamin'ny fanadiovagna an'azy tamin'ny rano fagnasana amin'ny teny, 27 mba afany mampiseo an'azy ho be voninaitra akeo aminy, tsy misy pentigna na kentrogna na ra ôtrany zany, fa masina sady tsisy diso. 28 Ôtrany zany iany kô ny leila de tôkony ho te ny vadin-jareo avy ôtrany tegnan-jareo. Izy ze te ny vadiny de te ny tegnany iany kô. 29 Tsy mbola nisy nakahala ny tegnany, fa mamagna sy mikarakara zany tsara, ôtrany an'i Kristy mamagna ny fegonana sy mikarakara an'azy iany kô, 30 satria isika de ratsam-batany. 31 No zany antony zany ny leila de hiala ny ray sy ny reniny ka hikambagna amin'ny vadiny, ary izy roa ho tonga nofo raika iany. 32 Lehibe zany famarignana misitrika zany fa Za de miresaka momban'i Kristy sy ny fengonana. 33 Kanefa ny tsitokatokagna aminareo iany kô de tokony ho te ny vadiny avy ôtrany ny tegnany, ary ny vevavy de ôtrany hanaja ny vadiny.