Toko faha 6

1 Ry zanaka, magnikesa ny ray sy reninareo akao amin'ny Tompo, satria mety zany. 2 "Hajao ny rainao sy ny reninao" (zany no didy vôlôny misy fampanantenana), 3 mbô hahita soa anao ary mbô ho lava andro iaignana aketo ambonin'ny tany. 4 Anareo ray, aza mitondra ny zanakareo ho amin'ny fasosorana. Fa kosa, tazao amin'ny fitsipika sy reo fampenaran'ny Tompo zareo. 5 Ry mpanompo, mankatoava ny tomponareo ety an-tany amin'ny fagnajana sy fangitakitana, amin'ny fatsoran'ny fonareo. 6 Magnikesa an'jareo salan'ny agnikesanareo an'i Kristy. Magnikesa tsy akeo amason'ny tomponareo fôgna mbô hankasitran'jareo. Fa kosa, magnikesa salan'ny mpagnompon'i Kristy, ze magnano ny sitrak'Andriamanitra amin'ny fonareo manontolo. 7 Magnompô amin'ny fonareo manontolo, salan'ny hoe magnompo ny Tompo anareo fa tsy ôla, 8 satria fantatsika fa na ino na ino asa tsara ataon'ny ôla tsiraikaraika, de handray valim-pitia avy amin'ny Tompo izy, na andevo na ôlon'afaka. 9 Anareo Tompo, magnanôva salan'ny reo ra reo kô amin'ny mpanomponareo. Aza mpampihorohoro an'jareo. Fantatrareo fa Izt ze sady Tomponareo no Tompon'jareo de aigny an-dagnitra, ary tsisy fingarana akao amin'Azy' 10 Farany, mahereza akao amin'ny Tompo sy amin'ny tanjaky ny heriny. 11 Itafio ny fiadian'Andriamanitra daôly, mbô ahafanao mitsangana manohitra ny tetiky ny devoly. 12 Fa ny adintsika de tsy magnohitra ny nofo sy rà. Fa kosa, magnohitra ny fanjakana sy ny faefana ara-panahy sy reo mpanapaky ny fahamaizignan-dratsy, magnohitra an'reo fanahy ratsy aigny amin'ny fitoeran-dagnitra. 13 Noho zany itafio ny fiadian'Andriamanitra daôly, mbô ahafahanareo mitsangana am'zao andron'ny ratsy zao, ary rafa vitanareo ny ra daôly, de hahatohitra anareo. 14 Mitsangàna, noho zany, rafa avy nagnano ny fekibon'ny fahamarinana sy ny fiarôvan-tratran'ny fahitsiana anareo. 15 Ary salan'ny kiraro ho an'ny tongotrareo, de hapetaho ny fahavognonana hitory ny filazantsaran'ny fihavanana. 16 Amin'ny ra daôly de raiso ny ampigan'ny finoana, ze ahafanareo manohitra reo zana-tsipika miretr'afon'le ratsy. 17 Ary raiso ny aro-lôhan'ny famonjena sy ny sabatry ny Fanahy, ze tenin'Andriamanitra. 18 Amin'ny vavaka sy ny fangatahana daôly, de mivavaha amin'ny Fanahy amin'ny fotôna daôly. Am'zany fomba fisainana zany, de miambesa hatraigny amin'ny faharetana daôly, rafa manolotra vavaka ho an'reo ôlo-masin'Andriamanitra anareo. 19 Ary mivavaha ho anà, mbô hisy hafatra amena anà rafa magnokatra ny vavako za. Mivavaha mbô afahako mampafantatra amin'ny fasahiana, ny famarinana misitrika momba ny filazantsara. 20 Ho an'ny filazantsara no maha ambasadôro vôfatotra amin'ny gadra anà, mbô ahafako magnambara an'zany am-pasahina, raha tsy maintsy hitare za. 21 Tykiko, le rahalà malala sy mpanompo matoky akao amin'ny Tompo, no hampafantatra an'nareo ny ra daôly, mbô afantaranareo ze ataoko. 22 Nirahiko taminareo izy noho io tanjona io ndrindraka, mbô afantaranareo reo ra momba an'nay, ary mbô afahanay mampahery ny fonareo. 23 Fiadanana ho amin'reo rahalà, ary ny fitiavana miaraka amin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy ny Tompo Jesosy Kristy. 24 Ny fahasoavana anie ho am'ze daôly te an'i Jesosy Kristy Tompotsika amin'ny fitiavana tsy maty mandrakizay.