Toko faha 4

1 No zany, zà, amin'ny maha gadra ho an'ny Tompo anà, de mandrisika an'nareo mba hande am-pamendrena amin'ny kaika ze nagnantsovana an'nareo. 2 Mamporisika an'nareo za mba hanana fagnetren-tegna leibe sy fatsorana ary faretana, mifandefitra amin'ny fitiavana. 3 Magnôva ze faran'ny herinareo mba hitehirizana ny firaisan'ny Fagnahy amin'ny fatoran'ny fihevanana. 4 Raika iany ny vatagna ary raika iany kô ny Fagna, ôtran'ny nagnantsovana an'nareo takao amin'ny fanantenan'ny fagnantsovana an'nareo raika fôgna kô. 5 Ary raika iany ny Tompo, raika ny finona , raika ny batisa 6 ary raika fôgna Andriamanitra sy Rain'ny daôly, ze agnambon'ny ra daôly ary amin'ny alalan'ny ra daôly sy akao amin'ny ra daôly. 7 Tsika tsiraikaraika avy de namena fasoavana araka ny hagedan'ny fanomezan'i Kristy. 8 Araka ny koragnin'ny Soratra Masina izany hoe: "Rafa niakatra tagnambo Izy, de nitondra reo babo ho amin'ny fababôgna,ary nanolotra fagnomezana ho an'ny vahôka Izy. 9 Ino no hevitry ny hoe: "Niakatra Izy," ra tsy hoe nidigna takaigny amin'ny faritra ambanin'ny tany fôgna kô Izy? 10 Izy le nidigna iany le ôla niakatra agnambo taigny an-dagnitra, mba afany mameno ny ra daôly. 11 Kristy de nanolotra ny sasagny ho apostoly, ny sasagny ho mpaminagny, ny sasagny ho evanjelistra, ary ny sasagny pasitera sy mpampiagnatra. 12 Nagnome reo asa reo Izy mba hanampiana reo vahôkany masina ho amin'ny asa fanompôgna, amin'ny fananganana ny vatan'i Kristy. 13 Manohy manorina ny vatagny Izy mandra-patratra antsika daôly ny firaisam-pinôna sy ny fahafantarana ny Zanak'Andriamanitra, ary mba hatônga antsika ho matotra ka mba hahatratra ny hagedan'ny fafenon'i Kristy. 14 Manorina antsika Kristy mba tsy ho salan'ny zaza ze atopatopan'ny onja tsony tsika, ary ho ndesin'ny rivotry ny fampegnarana sy ny hafetsen-reo ôla amin'ny tetika feno fitaka. 15 Fa tsika kosa, amin'ny filazana ny fahamarinana amin'ny fitiavagna, de tokony hitombo amin'ny fomba daôly akao amin'Izy ze loha , zany hoe, Kristy. 16 Kristy de managana ny tegna daôly, ary nakambana sy natambatra tamin'ny isan-tonony zany,ary rafa miasa miaraka reo, de mahatlnga ny vatagna hitombo mba hampiorigna ny tegnany amin'ny fitiavana. 17 No zany, de milaza sy manindry mafy zany akao amin'ny Tompo za, mba tsy hiaigna ôtran'ny Jentilisa tsony nareo, amin'ny fahafoanan'ny fisainan-jareo reo. 18 Mizigna ny fahalalan-jareo, tafasaraka amin'ny fiainan'Andriamanitra non'ny tsy fahafantarana akao amin-jareo, non'ny hamafisampon-jareo. 19 Tsy malala megnatra zareo ary nagnolotra ny tegnan-jareo ho amin'ny filan'ny nofo, ary manohy magnano zao karazam-pahalotôgna daôly zao. 20 Fa salan-zany ny fomba nenaranareo ny momban'i Kristy. 21 Inoko fa nareigny ny momba an'Azy nareo, ary nampenarina takao amin'azy, satria ny famarinana de akao amin'i Jesôsy. 22 Nampenarina anareo mba hagnary ny fomba fiaignanareo talô, mba hagnary ny toetra talô. Le toetra talô ze simba non'ny fitaky ny filany. 23 Nampenarina nareo mba hiavao akao amin'ny fagnan'ny saignareo, 24 ary hitafy le olom-bôvao ze noharina araka ny bikan'Andrimanitra_ akao amin'ny tegna famarinana sy famasinana. 25 No zany, elao ny lainga, ary ôka ny tsiraikaraika aminareo ifampilaza ny marigna amin'ny namany, satria samy isan'ny rantsan'ny daôly tsika. 26 Mitezera fa aza manota. Aza avela ho tratran'ny masoandro mody ny hatezeranao. 27 Aza magnome hirika ho an'ny devoly. 28 Ze nangalatra de tsy tokony hangalatra tsony. Tsy maintsy miasa izy, magnano asa tsara amin'ny tagnany, mba hagnanany ra ho zaraigna ho an'reo akao agnatin'ny tsy fahampegna. 29 Aza avela hisy teny maloto hivôka avy amin'ny vavanareo. Mampesà teny ze ilaigna amin'ny fanoregnana ny hafa, araka ze ilain-jareo, mba tegna hanampy reo ze mandreigny anareo ny teninareo. 30 Ary aza mampalaelo ny Fagnahy Masin'Andriamanitra, fa avy Aminy no nanôvagna tombo-kase an'nareo ho amin'ny andron'ny fagnavotana. 31 Elao ny lolom-po daôly, haromontana, ny hatezerana, ny fifamalina, ary ny fifampitenenan-dratsy, miaraka am-reo karazan'asa ratsy daôly. 32 Magnàna falemem-pagna amin'ny tsiraikaraika avy, fahatsoram-po, mifamelà heloka, ôtran'ny namelan'Andriamanitra anareo takao amin'i Kristy.