Toko faha 3

1 No 'zany, za Paoly, de gadran'i Kristy Jesosy ho an'nareo Jentilisa. 2 Atôko fa nareigny ny fitantanana ny fasoavan'Andriamanitra ze namena anà ho an'nareo anareo. 3 Manoratra araka ny fagnambarana nampafantarina anà zà. Zany no marina misitrika momba an'ze nosoratako foihy taminareo. 4 Rafa mamaky an'izany anareo, de ho afaka ny hafantatra ny fomba fazaôko an'izany marina misitrika momba an'i Kristy zany. 5 Tam-reo taranaka hafa de tsy natao fantatry ny zanak'olombelona zany marina izany. Fa am-zao kosa zany de nambara tamin'ny alalan'ny Fagna tam-reo Apostôly sy reo mpaminagniny ze vôtokagna ho am-ty asa ty. 6 Zany marigna misitrika zany de milaza fa reo Jentilisa de mpiara-mandova, sy mpiara-miombona amin'ny vatagna, ary mizara ny fampanantegnana akao amin'i Krisy Jesosy amin'ny alalan'ny filazantsaran-jareo. 7 Fa lasa mpanompon-zany filazantsara zany zà tamin'ny fasoavan'Andriamanitra namena anà tamin'ny alalan'ny fiasan'ny heriny. 8 Namen'Andriamanitra anà zany fagnomezana zany, na de zà aza no farany kely indrindra am-reo ôlo-masin'Andriamanitra. Zany fagnomezana zany de ny mba hitoriko am-reo Jentilisa ny filazantsaran'ny haren'i Kristy saro-tadiavina. 9 Ny fagnomezam-pasoavan'Andriamanitra ho anà de ny hitondrako fagnazana amin'ôla daôly ny fandaharan'Andriamanitra. Io fandaharana io de nasitrikan'Andriamanitra, le nahary ny ra daôly, nandritra ny taona maro talô. 10 Nampafantarina tamin'ny fengonana zany fandaharana zany mba hatonga an'ireo mpanapaka sy reo manam-pahefana aigny an-dagnitra hahalala ny toetra maron'ny fahendren'Andriamanitra. 11 Nitranga araka ny fandaharana mandrakizay ze notanteràny takao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika zany. 12 Fa akao amin'i Kristy no anagnantsika fasahina sy lalana am-patokina no ny finontsika an'Azy. 13 No zany mengavy an'nareo zà mba tsy ho kivy no ny fijaliko ho an'nareo, ze voninahitrareo. 14 No 'zany de mendohalika akeo agnatrehan'ny Ray zà, 15 ze nagnome agnarana ny fianakavena daôly aigny an-dagnitra sy aketo an-tany. 16 Mivavaka zà mba hagnomezany an'nareo, araka ny haren'ny voninahiny, mba hatanjaka amin-kery amin'ny alalan'ny Fagnahy Masina, ze akao aminareo. 17 Mivavaka zà mba hipetraka akao am-ponareo amin'ny finona an'i Kristy, mba hifototra sy hiorina akao amin'ny fitiavany anareo. 18 Hahazo hery ane nareo ka ho afa-matakatra, miaraka am-reo mpino daôly, ny sakany, ny alavany, ny ahambony, ary ny alaligny, 19 ary mba halala ny fitiavan'i Kristy, ze mba mihôtra ny falalagna daôly, ka mba ho fenon'ny fafenoan'Andriamanitra daôly nareo. 20 Ary ho an'Azy ze mavita magnano mihôtra ze daôly angatantsika na eritreretintsika, araka ny hery ze miasa akao agnatintsika, 21 ho an'Azy ny voninahitra akao amin'ny fengonana ary akao amin'i Krity Jesosy hatramin'ny taranaka daôly mandrakizay doria. Amena.