Toko faha 4

1 No zany, satria zahay managna an'zany asa fanompoana zany, ary vô nahazo famindram-po, de kivy zahay. 2 Fa kosany, nolavinay reo fomba mamegnatra sy miafina. Tsy miaigna am'fitaka zahay, ary mampiasa marina ny tenin'Andriamanitra. Am'fampisehoana ny marina, zahay de mandidy ny tegnanay ny am'feon'ny fieritreretan'ny ôla mba ho entina akeo amason'Andriamanitra. 3 Fa raha vôsarogna ny filazantsaranay, zany de ho vôsarogna am'reo ze maty rerika iany. 4 Am'toe-draraha mibôgna am-jareo, ny andriamanitr'zao tontolo zao najamba reo saigna tsy minon'jareo. Vokatry zany, tsy afaka mahita ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy zareo, ze endrik'Andriamanitra. 5 Fa zahay tsy magnambara ny tegnanay, fa i Kristy Jesosy ôtran'ny Tompo, ary ny tegnanay ôtran'ny mpanomponareo non'ny am'Jesosy. 6 Fa Andriamanitra de le reika ze nitare hoe: "Ny fahazavana hamiratra akao amin'ny haizigna." Izy namiratra tao am-ponay, mba hagnome ny fahazavan'ny falalana ny voninahitr'Andriamanitrra akeo am'fagnatrehan'i Jesosy Kristy. 7 Fa zahay managna an'zany harena zanyy ao agnaty tavoara tanimanga, mba hazava fa ny hery leibe mihôtra lavitra de an'Andriamanitra fa tsy an'nay. 8 Ampahorena am'fomba daôly zahay, fa tsy resy. Very hevitra zahay fa tsy feno famoizam-po. 9 Enjena zahay fa tsy nilôzana. Vononà zahay fa tsy rava. 10 Mitondra eo am'tegnanay ny fafatesan'i Jesosy hatraigny zahay, am-ze ny fiaignan'i Jesosy iany kô de hibônga eo am'tegnanay. 11 Zahay ze velona de mitondra hatraigny ao am'vatanay ny fafatesan'i Jesosy, am-ze ny fiaignan'i Jesosy de hibôgna eo am'vatanay olombelona. 12 No zany ny fafatesana de miasa akao amtsika, fa ny fiaignana miasa akao aminareo. 13 Fa zahay managna fagnahin'ny finoana mitovy araka ze vôsoratra hoe: 14 "Nino za, ary de niteny za." Mino iany kô zahay, ary de niteny iany kô zahay. Fantatray fa le tokana ze manangana ny Tompo Jesosy de hanangana antsika iany kô miaraka am'Jesosy. Fantatray fa hitondra an'nay mairaka aminareo akao am'fagnatrehany Izy. 15 Ny ra-daôly de ho an'nareo mba, araka ny fasoavana vôparitaka tam'ôla betsaka, no hitomboan'ny fagnomezam-pisaorana ao am'voninahitr'Andriamanitra. 16 No zany de tsy ho kivy zahay. Na de malemy ambelany aza zahay, de havaozina isan'andro isan'andro ny akao agnatinay. 17 Fa am-zao andro mandalo zao, ny fahorena maivagna de magnomana an'nay ho am'lanjan'ny voninahitra maharitra mandrakizay ze mihôtra ny fandanjana daôly. 18 Fa tsika tsy mijery ra ze hita, fa reo ra tsy hita. Reo ra re mety hitantsika de tsy maharitra, fa reo ra ze tsy hita de maharitra mandrakizay.