Toko faha 3

1 Manomboka hidera-tegna ndre ma zahy? Izahy de tsy mila an'reo taratasy fagnamarinana aminareo na avy aminareo, ôtran'ny ôla sasagny, sa tsy zany? 2 Ny tegnanareo no taratasy fagnamarinanay, ze vôsoratra akao am-pontsika, ze fantatra ary vakian'ny ôla daôly. 3 Anareo no mampibôgna fa taratasy fagnamabarana avy am'Kristy, ze natolontsika. Zany de tsy vôsoratra tam'ranomainty fa tam'Fagnan'le Andriamanitra velona. Zany de tsy vôsoratra tam'takela-bato, fa takeo am'takelaky ny fon'ny ôlombelona. 4 Ary zany no toky ze anagnantsika akeo hagnatrehan'Andriamanitra amin'ny halalan'i Kristy. 5 Atsika de tsy amin'ny tegnantsika mba handray na ino na ino ze avy amintsika. Fa kosa, ny fahefantsika de avy amin'Andriamanitra. 6 Andriamanitra no nagnano amintsika mba ho mpanompon'ny fanekena vaovao. Zany de fanekena tsy avy amin'ny soratra fa an'ny Fagna. Fa ny soratra mamono, ary ny Fagna. Fa ny soratra mamono, ary ny Fagna magnome aigna. 7 Ary ny asa ze niteraka fafatesana - de vôsoratra akeo ambonin'ny vato - de tonga tamim-boninahitra leibe ka ny vahôkan'Israely de tsy afaka nibanjina ny tavan'i Mosesy. Zany de nony voninahitry ny tavany, ny voninahitra ze nihalevona. 8 Ho voninahitra leibe ôtran'ny ahôna ny asa ze ataon'ny Fagna? 9 Fa raha managna voninahitra ny asan'ny fagnamelohana, de ôtran'ny akôry ny fitombon'ny voninahitrin'ny asan'ny famarinana! 10 Satria tokô, ze namena voninahitra ndray mande de tsy hanamboninahita intsony am'zany fomba zany, non'ny voninahitra ze nampitombo an'zany. 11 Fa raha ze nandalo iany no nanagna voninahitra, de tsy hanagna voninahitra mihôtra no zany ma ze maharitra! 12 Satria managna toky, salan'zany tsika, de sahy tokô. 13 Tsika de tsy salan'i Mosesy, ze nanarogna ny tavany tamin'ny voaly, mba tsy hafahan'ny vahôkan'Israely mijery an'azy mivantagna amin'ny fefaran'ny voninahitra ze mandalo fôgna. 14 Fa ny sain-jareo, de donto. Na de mandrakizao zany voaly zany de mbola mijanona akeo amin'ny famakina ny fanekena talô. Tsy misokatra zany, satria akao amin'ny Kristy fôgna zany no alàna. 15 Nefa na de am'zao aza, na ovena na ovena no vakina ny lalan'i Mosesy, de manarogna ny fon'jareo ny voaly. 16 Nefa raha mitodika amin'ny Tompo ny ôla, de alàna ny voaly. 17 Ary ny Tompo de Fagna. Ze misy ny Fagnan'ny Tompo, de misy fahafana. 18 Ary antsika daôly, tsy misarom-boaly, de matazazgna ny voninahitry ny Tompo. Tsika de efa vôova ho akao amin'ny voninahitra mitovy ze avy amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra, ze avy amin'ny Tompo, ze tsy iza fa ny Fagna.