Toko faha 5

1 Fantantsika fa raha rava ny fonenana aketo ambonin'ny tany ze ipetrahantsika, de managna tragno avy amin'Andriamanitra tsika. Zany de tragno tsy nataon'ny tagnan'olombelona, fa tragno maharitra mandrakizay aigny an-dagnitra. 2 Fa aketo am'ty tragno le ty ntsika no misento, magniry mafy ny hitafy ny fonenantsika aigny an-dagnitra. 3 Magniry mafy an'zany tsika satria amin'ny fagnanôvantsika an'zany de tsy ho tazagna mitanjaka kô tsika. 4 Fa raha mbola aketo am'ty tragno lay ty tokô tsika, de misento, ary mavesatr'entana. Tsy te-hitanjaka tsika. Fa kosa te hitafy, nefa de ho atelignin'ny fiaignana ze mety maty. 5 Ary le raika ze nagnomagna antsika ho am'zany ra zany indrindra de Andriamanitra, ze nagnome antsika ny Fagna mba ho fagnambarana ze ho avy. 6 Noho zany de matokisa hatraigny. Tongava saigna fa raha akao an-dragno amin'ny vatagna ntsika, de lavitra ny Tompo. 7 Fa mande amin'ny finona ntsika, fa tsy amin'ny fahitana. 8 Noho zany tsika de managna fatokisana. Aleontsika lavitry ny vatagna fa akao an-dragno miaraka amin'ny Tompo. 9 Ka de ataontsika tanjona izany, na aigny an-dragno tsika na lavitra, de mba hahafinaritra an'Azy. 10 Fa tsika daôly de tsy maintsy hibôgna akeo alôn'ny seza fitsaran'i Kristy, mba ho valin'ny zava-bitan'reo tsiraikarika tao amin'ny vatagna, na ho amin'ny tsara zany no ho amin'ny ratsy. 11 Ary no zany, de ny fafataranany fatahôrana ny Tompo, no handresentsika lahatra ny ôla. Ny maha-tsika antsika de hitan'Andriamanitra mazava. Antenaiko fa mazava amin'ny feon'ny fieritreretanareo kô zany. 12 Tsy miezaka ny handresy lahatra an'nareo ndrey zahay mba hizaha an'ny ôtran'ny mahitsy fo. Fa kosa, magnome antony ho an'nareo mba hirehareha nony aminay zahay, mba hanagnanareo valin-teny ho an'reo ze mirehareha amin'ny endrika avelagny fa tsy ny am'ze akao am-po. 13 Fa raha very saigna zahay, de ho an'Andriamanitra zany; ary raha tonga saigna tsara zahay, de ho an'nareo zany. 14 Fa ny fitiavan'i Kristy no manery an'nay, satria azonay antoka; nisy ôla raika maty hamonjy ny daôly, ary no zany de maty kô izy daôly. 15 Maty Izy hoan'ny daôly, mba tsy velona ho an'ny tegnan-jareo ze velona ntsony ze velona fa ho an'Azy ze maty ary natsangana nony fitiavana an'azy reo. 16 No zany antony zany, manomboka zao de tsy mitsara n'iza n'iza araka ny fomban'olombelona stsika, na de efa nizaha an'i Kristy ôtran'zany aza ntsika talô. Fa am'zao fotôna zao kosa ntsika de tsy mitsara n'iza n'iza ôtran'zany intsony. 17 No zany, raha misy ôla akao amin'i Kristy, de olom-baovao izy. 18 Reo ra daôly reo de avy amin'Andriamanitra. Nampihevaniny tamin'ny tegnany amin'i Kristy ntsika, ka nameny antsika ny asa fanompoan'ny fampihavanana. 19 Zany hoe: akao amin'ty Andriamanitra no mampihavana an'zao tontolo zao amin'ny tegnany, tsy magnisa ny fahadison-jareo amin-jareo. Nankigniny aminay ny hafatry ny fampihavanana. 20 Ka de vôtendry ho mpisolo-tegnan'i Kristy zahay, ary salan'ny hoe: amin'ny alalanay no hagnanôvan'Andriamanitra ny fagnantsovany. Mangataka an'nareo nony am'i Kristy zahay: "Mivana amin'Andriamanitra!" 21 Nataony sorogna nony fahotantsika Kristy. Izy le tokana ze tsy nagnota miitsy. Nataony zany mba ho tonga famarinan'Andriamanitra akao amin'azy kô tsika.