Toko faha 12

1 Za de tsy maintsy mirearea, fa tsisy na ino na ino azo avy am'zany. Fa za de hanohy ny am'reo fahitana sy reo fagnambarana ary amin'ny Tompo. 2 Mafantatra leila akao amin'i Kristy za efatram-befolo taona lasana zay - na akao amin'ny tegna na tsy tao amin'ny tegna za tsy nafantatra, fa Andriamanitra mafantatra nalaina niakatra taigny amin'ny lagnitra fahatelo. 3 Ary fantatro fa io leila io na akao amin'ny tegna, na ambelan'ny tegna, za tsy mafantatra fa Andriamanitra mafantatra, 4 de nalaina niakatra tao amin'ny paradisa ary nareigny ra ze tegna masina lôtra amin'ny ôla ny hilaza an'azy. 5 Amin'ny agnaran'ny ôla salan'zany de hirearea za. Fa amin'ny agnaran'ny tegnako de tsy hirearea za, afa-tsy ny momba an'reo falemeko. 6 Raha te hirearea za, de tsy ho adala za, fa te hilaza ny marina. Fa hife tegna amin'ny fireareana za mba tsy hisy n'iza n'iza hievitra anà mihôtra no ze hita aminà na regny aminà. 7 Hife tegna amin'ny fireareana iany kô za no reo karazagna fireareana miaraka reo. No zany, mba tsy ho feno fireareana za de nasena tsilo ny nofoko, ny irak'i Satana hagnakorontagna anà, mba tsy hirearea lôtra za. 8 Intelo za no nitalao tamin'ny Tompo ny momba an'zany, mba hangalany an'zany aminà. 9 Fa ozy izy taminà hoa: "Ampy ho an'nao ny fasoavako fa ny hery de tanterana akao amin'ny falemena." Aleoko mirearea kokoa ao amin'ny falemena, mba hipetran'ny herin'i Kristy akato aminà. 10 No zany za de faly no i Kristy akao amin'ny falemena amin'ny fanevatevena, amin'ny korontana, amin'ny fagnenjena ary akao amin'ny fotôna sarotra za. Fa na vena na vena ny falemeko de fantanjako. 11 Za de lasa adala! Anareo no nanery anà am'zany, fa za de tokony noderainareo. Fa za de tsy ambany no reo ze antsovina hoe apostoly ambony reo miintsy, na de tsinontsinona aza za. 12 Reo famantarana marina ny maha Apostoly de natao teo am'nareo teo amin'ny faretana tanteraka famantarana sy fagagana ary asa maery. 13 Fa nagnino nareo no tsy de manan-danja no reo fengonana sasagny, za nefa tsy namaky tratra an'nareo? Mamelà anà no zany fadisoana zany! 14 Ty za vognona ho tonga fagnitelony aigny aminareo. Tsy ho antokareo za, fa za de tsy mila ze anagnanareo anareo no ilaiko. Fa tsy ny zanaka no tokony hitady ho an'zanakao. 15 Fa za de faly tanteraka handany ny ho lanina hasoany fanahianareo. Raha mitia be an'nareo za de kely ny fitiavanareo anà. 16 Fa na de ôtran'zany aza de tsy namaky tratra an'nareo. Fa satria za fetsy be, de azoko tamin'ny fomba akolaka anareo. 17 Nga ma nagnararôtra an'nareo tamin'ny alalan'ôla ze nalefako taminareo za? 18 Nagniraka nalady an'i Titosy ho aigny aminareo za, ary nalefako niaraka taminazy reo rahalà sasagny. Nga ma nagnararôtra an'nareo i Titosy? Nga ma tsy miray lalana tsika? Nga ma tsy niray dia tsika? 19 Nga ma nieritreritra anareo fa nandritra an'zany fotôna daôly zany de niaro ny tegnanay taminareo zahay? Aketo agnatrehan'Andriamanitra no itaravanay tao amin'i Kristy ny ra daôly mba ho fampaerezana an'nareo. 20 Fa matatra za sao de rafa tonga za de mety tsy haita an'nareo araka ny fagnantenako. Matatra za sao de mety hisy fifandirana, fialonana, firehetan'ny fatezerana, fikasana amin'ny fitiavan-tegna, fifosana, fieboebona, fikorontagnana. 21 Matatra za sao de rafa miverigna anà akao agnatrenareo ny Andriamanitro. Matatra za sao de alahelo ny am'reo ze nanota teo alô, ka mbola tsy nibebaka tamin'ny folotaona sy ny fijangajangana ary ny fijejofejôna feno fagnirian-dratsy ze nataon-jareo.