Toko faha 13

1 Fagnintelony zao no nandalôvako taty aminareo. "Ny fempangana daôly de tsy maintsy miorigna amin'ny porofo amin'ny vavolombelona roey na telo." 2 Efa nitare tam'reo ze nagnota za talô sy tam'reo ambiny daôly rafa takeo fanindrôny, ary lazaiko ndre zany: "Rafa tonga ndre za, de tsy hiantra an-jareo za." 3 Mikoragna an'nareo an'zany za satria anareo de mikaraka porofo fa i Kristy de miteny amin'ny alalako. Tsy marefo aminareo Izy. Fa kosa, mahery akao aminareo Izy. 4 Fa Izy nombohana amin'ny falemena, nefa velogna tamin'ny herin'Andriamanitra. Fa tsika kosa de marefo akao amin'Azy, kanefa tsika de miara-miaigna amin'ny herin'Andriamanitra akeo agnivonareo. 5 Dinio ny tegnanareo raha tenareo ho hita fa akao amin'ny finoana anareo. Tsapao ny tegnanareo. Tsy mbola azonareo an-tsaigna ma zany momba ny amin'ny tegnanareo fa i Jesosy Kristy de akao aminareo? Raha ôtra anareo ka tsy nahomby tamin'ny fitsapana. 6 Ary za matoky fa anareo de hagneky fa tsika de nahomby am'zany. 7 Am'zao fotôna zao tsika de mivavaka amin'Andriamanitra fa tsy afaka ny hagnano ra ratsy anareo. Za de tsy mivavaka ny afaka ahitana fa tsika de nahomby amin'ny fitsapana. Fa kosa, za de nivavaka ny mbô afahanareo magnano ze mety kanefa tsika de mety ho hita ho ôtran'ny tsy nahomby tamin'ny fitsapana. 8 Fa tsika de tsy afaka ny hagnano ra magnohitra amin'ny famarinana, fa ho an'ny famarinana rerika fôgna. 9 Fa tsika de mifaly rafa marefo ary mafy anareo. Fa tsika fôgna kô de mivavaka mbô ho ataontsika feno anareo. 10 Magnoratra an'reto ra reto za raha magnalavitra an'nareo za, ka rafa miaraka aminareo za de tsy vôtery mitondra an'nareo am-pasosena amin'ny fampesana ny faefako - ze namen'ny Tompo anà - mbô ananganako an'nareo ary tsy hanimba an'nareo. 11 Faragny, ry ralà, mifalia! Miasà ho amin'ny fameregnana amin'ny lôny, maereza, mifaneke ny tsyraikaraika, miaignà am-pedanana, ary ny Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana de hiaraka aminareo. 12 Mifampiarabà anareo amin'ny fagnorohana Masina. 13 Reo mpino daôly de magnano veloma an'nareo. [Fagnamarihana: Reo dikan-teny sasagny de magnambatra ny andininy faha 13 amin'ny andininy faha 14 ho andininy faha 13.] 14 Enga anie ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy Kristy, ny fitiavan'Andriamanitra, sy ny fiarahana amin'ny Fanahy Masina ho akao aminareo daôly.