Toko faha 11

1 Magniry za mbô ahafanareo mamela anà hagnano fadalana kely sasagny. Fa tegna mamela anà tokô anareo! 2 Fa saro-piaro ny momba an'nareo za. Managna fahasarotam-paiaro araka an'Andriamanitra aminareo za, hatramin'ny nagnomezako toky an'nareo takao amin'ny fanambadena ho an'ny vady raika iany. Nagnome toky za ny hagnolotra annareo salan'ny virijiny madio ho an'i Kristy. 3 Fa matatra za sôde, salan'ny namitahan'ny menaragna an'i Eva tamin'ny alalan'ny hafetseny, ny eritreritrareo de mety hiala amin'ny fagnoloran-tegna amin-kitsi-po sy madio amin'i Kristy. 4 Fa eritrereto hoe misy ôla raika tonga hitory an'i Jesosy hafa noho le raika toriantsikana. Na eritrereto hoe mandray fagnahy hafa noho ze raisinareo anareo. Na eritrereto hoe mandray filazantsara hafa noho le raika ze noraisinareo anareo. Mamela regny ra regny tsara fôgna anareo! 5 Satria mieritreritra za fa tsy farany ambany noho reo lazaina fa hoe Apostoly ambony. 6 Fa na de tsy nizarana nandaha-teny aza za, de nizarana tamin'ny fahalalana. Tamin'ny fomba daôly sy tam'reo ra daôly de nataonay ho fantatrareo zany. 7 Magnota ma za tamin'ny fanetren-tegnako mbô hisandratanareo? Fa nitory ny filazantsaran'Andriamanitra maimaimpôgna ho an'nareo za. 8 Nandroba reo fiangonana hafa za tamin'ny alalan'ny fanekena fanohanana avy amin-jareo mbô afahako magnompo an'nareo. 9 Rafa niaraka taminareo za sy nila fagnampena, de tsy nagnavesatra n'iza n'iza. Fa reo ra nilaiko de namen'reo mpiralahy ze tonga avy takaigny Makedonia. Tamin'ny ra daôly de nitandrina ny tegnako tsy ho enta-mavesatra aminareo za, ary hanohy hagnano an'zany. 10 Raha akato aminà ny fahamarinan'i Kristy, de tsy hangina zany fireharehako zany aigny amin'ny faritr'i Akaia. 11 Magnino? Satria tsy teko ma anareo? Andriamanitra mahalala. 12 Ary ny ra ataoko de mbôla ho ataoko fôgna, mbô mety afahako magnala ny fitaraignana nohon'ny fanakianana anà sy ny fitarainana noho reo ze ten-jareo hireharehana - fa zareo de hita magnano asa mitovy am'ze ataonay. 13 Fa ny ôla salan'zany de apostoly sandoka sy mpiasa mamitaka. Zareo de magnano sarintsarin'ny tegnany salan'ny Apostolin'i Kristy. 14 Ary zany de tsy magaga, fa na ny satana aza maneho ny tegnany salan'ny anjelin'ny fahazavana. 15 Tsy magaga tsony raha maneho ny tegnan-jareo salan'ny mpanompon'ny fahamarinana reo mpanompony. Ny anjaran-jareo de ze mendrika ny asan-jareo. 16 Taraviko ndre hoe: "Aza avela hisy hieritreritra hoe adala za. Fa raha magnano zany anareo, de raiso salan'ny adala za ka mbô hirehareha kely. 17 Ze lazaiko momba ty fahatokiana mirehareha ty de tsy araka ny lazain'ny Tompo, fa miteny ôtran'ny adala za. 18 F'efa betsaka ny ôla no mirehareha araka ny nofo, de hirehareha iany kô za. 19 Nagneky am-pifalena reo adala anareo. De hoe hendry ny tegnanareo! 20 Fa mandefitra amin'ôla anareo raha manandevo an'nareo, mandany an'nareo, magnararôtra an'nareo, mandray ny tegnany ho ambony noho anareo, na raha mamely tefatsofigna an'nareo izy. 21 Ho taraviko amin'ny fafam-barakanay da malemy lôtra zahay tamin'ny fagnanôvana an'zany. Raha misy mirehareha - de miresaka ôtran'ny adala za - Za iany kô de hirehareha. 22 Hebreo ma zareo? Za iany kô. Israelita ma zareo? Za iany kô. Taranak'i Abrahama ma zareo? Za iany kô. 23 Mpagnompo an'i Kristy ma zareo? (Miresaka ôtran'ny ôla very saigna za.) Mihôtra noho zany za. Mbôla niasa mafy nihôtra noho zany aza za, taigny am-ponja matetika, tamin'ny taroka mihôtra ny fepetra, tamin'ny fiatrehana loza betsaka mahafaty. 24 Avy amin'ny alalan'reo Jiosy no nandraisako "Taroka efapolo latsaka raika" indimy. 25 Intelo za no notarôna tamin'ny kakazo. Indray za no notoraham-bato. Intelo za no vaky sambo. Nandany ray alina sy ray andro taigny an-dranomasina za. 26 Nande matetika za, tamin'ny lozan'ny ony, tamin'ny lozan'reo mpandroba, tamin'ny lozan'ny ôloko magnokana, tamin'ny lozan'reo Jeltilisa, tamin'ny loza taigny amin'ny tanàna, tamin'ny loza taigny agn'efitra, tamin'ny loza taigny an-dranomasina, tamin'ny loza avy am'reo ralahy sandoka. 27 Efa tamin'ny asa mafy sy ra sarotra za, tamin'ny alina tsisy torimaso, tamin'ny silaona sy hetaheta, tamin'ny fifaden-kanina matetika, tamin'ny hatseka sy fiboridanana. 28 Ankôtran'ny ra hafa, misy tsindry isan'andro aminà nohon'ny fagnahiko amin'ny fiangonana daôly. 29 Iza no malemy, ka tsy malemy za? Iza no manafitohina, ka tsy mirehitra za? 30 Raha tsy maintsy mirehareha za, de hirehareha momba ze maneho reo fahalemeko. 31 Le Andriamanitra sy Rain'i Tompo Jesosy, le raika ze deraina mandrakizay, de mafantatra fa tsy mandainga za! 32 Taigny Damaskosy, ny governora ambanin'i Areta mpanjaka de niambina ny tanànan'i Damaskosy mbô hisambotra anà. 33 Fa nampidignina tamin'ny sobika takeo amin'ny varavaran-kely raika teo amin'ny manda za, ka de nandositra ny tagnany.