Toko faha 10

1 Ny tegnako za Paoly, de mengavy an'nareo amin'ny fanetrentegna sy amin'ny hamoram-pagnan'i Kristy. Malemy fagna tokô za rafa akeo amin'ny fagnatrehanareo, nefa rafa tsy akeo za de sahy ny aminareo. 2 Mangataka aminareo za, rafa miaraka aminareo, tsy amin'ny fatokisan-tegna ny fasahiana. Nefa mieritreritra za fa mila sahy manoitra an'reo ze mihevitra fa ntsika de miaigna araka ny nofo. 3 Na zany aza de mande araka ny nofo zahay, fa tsy miady araka ny nofo. 4 Fa ny fiadiana ze iadianay de tsy ara-nofo. Noho zany, de managna hery avy aigny an-dagnitra mba hamotehana ny fagna ratsy. Fa tsy mitondra na ino na ino ny hevitra sy ny fitaky ry zareo. 5 Horavantsika kô reo ra reo ze manangana fanoherana ny fahalalana an'Andriamanitra. Fa mihevitra ny hambabo ny tsiraikarika amin'ny fankatoavana an'i Kristy tsika. 6 Ary miomagna amin'ny famaizana ny fihetsika tsy fagneikena atsika daôly, raha vao tanteraka ny fagneikinareo. 7 Zahao mazava ze akeo agnolonareo. Fa na iza na iza resy lahatra fa Izy no Kristy, de ôka izy hatoky ny tegnany fa izy tokô no Kristy, de ho salan'zany kô ntsika. 8 Iony fa na de mirehareha kely aza za momba ny fahefantsika ze namen'ny Tompo antsika mba hananganana fa tsy handravana an'nareo, mba tsy ho megnatra za. 9 Tsy teko ny hampitatra an'nareo amin'ny alalan'ny taratasiko. 10 Fa ny ôla sasagny de nitare hoe: Matotra sy mahery ny taratasiny, nefa malemy ara-batagna izy. Ary tsy mendrika hohenoina ny teniny." 11 Ôka ny ôla salan'ireigny ahafantatra fa reo teny akao amin'ny taratasinay tamin'ny fatôna tsy naha takeo an'nay de mampiseho ny asa tokony ataonay rafa tonga akaigny 'zahay. 12 Tsy mande lavitra izahay n ampitaha ny tegnanay am'reo ze midoka tegna. Fa mandrefy ny tegnanay amin'ny hafa zareo ary mampitaha ny tegnany amin'ny hafa, de tsy ho malina. 13 Na zany aza, tsika, tsy hirehareha mihôtra ny tokony ho izy. Fa kosa ataonay izany ze misy fetrany araka ny nanedren'Andriamanitra an'nay. 14 Fa tsy mitandrina ny tegnanay izahay rafa tonga taigny aminareo. Zahay no tonga vôlôny takaigny aminareo niaraka tamin'ny filazantsaran'i Kristy. 15 Tsy nirehareha mihôtra ny sasagny ntsika momba ny asany fa nisy fetra. Antenainay anefa fa hitombo ny finonareo amin'ny asa leibe ze mandigny ny tsiraikaraika, ary samy amin'ny fetrany avy zany. 16 Fa izao ho antenainay, mba afahanay mitory ny filazantsara ne de aigny amin'ny tôrana lavitra an'nareo. De tsy hirehareha momba ny asa efa vita taigny amin'ny tôran-kafa ntsika. 17 "Nefa ze hirehareha, ôka hirehareha akao amin'ny Tompo." 18 Fa tsy le raika ze manolotra ny tegnany no eken. Fa kosa le raika ze natolotry ny Tompo.