Toko faha 9

1 Mikasika ny asa fanompoana ho an'ny mpino, tsy tegna ilaiko ny manoratra ho an'nareo. 2 Fantatro ny momba ny fagnirinareo, ze ireharehako am'ôlon'i Makedonia. Nolazaiko an'jareo fa Akaia de efa vonona nanomboka tam'taona lasa. Ny zotom-ponareo no nanosika ny ankamarôn'jareo hiasa. 3 Ary nasaiko ny rahalà mba tsy ho zava-pôgna ny fireharehantsika momba an'nareo, ary mba ho vonona nareo, araka ny efa nolazaiko ho an'nareo. 4 Raha tsy zany, raha misy Makedoniana maro miaraka aminà ary mahita an'nareo mbola tsy vonona, de ho menatra tsika tsy milaz na ino na ino momba an'nareo za no ny fatokiana an'nareo. 5 Ka mieritreritra za fa ilaina ny mampirisika an'reo rahalà hakaigny aminao ary hagnano fifagnarahana melô ny am'fagnomezana efa nampagnantenainao. Zany de afahana mivonona ôtran'ny ra tsy azo ekena. 6 Ny tegna izy de ty: Ny raika ze mamafy kely de handidy kely iany kô, ary ny raika ze mamafy am'tanjom-pitahiana de hijinja fitahiana ihany kô. 7 Avelao ny tsiraikaraika hagnome araka ze efa narafiny takao am-pony. Aza avela magnome fahorena na fagneriterena izy. Fa ny mpagnome am-pifalena no ten'Andriamanitra. 8 Ary Andriamanitra de afaka mampitombo ny fitahiana ho an'nao, mba am-ra daôly, de afaka hahazo ze ilainareo daôly mandrakariva nareo. Zany no misy de mba ahafanareo magnatombo ny asa soa an'nareo. 9 Zany de araka ny vôsoratra hoe: "Nozarainy reo harenany ary nagnome an'azy regny ho an'ny mahantra. Maharitra mandrakizay ny famarinany." 10 Izy ze mamatsy ambeoka ho an'ny mpamboly ze mamafy sy ny mofo ho an'ny ahanina, de hamatsy sy hampitombo ny vônao iany kô ho am'famafazana. Hampitombo ny vokatry ny famarinanao izy. 11 Hahazo harena am'fomba daôly enao mba hatonga an'nao ho malala-tagnana. Zany de hitondra fagnehoam-pisaorana an'Andriamanitra am'alalanay. 12 Ny fagnatanterana io asa fanompona io de tsy vitan'ny hoe mafeno ny ra ilain'ny mpino fotsiny iany. Mitondra iany kô zany am'asa fagnomezam-pisaorana an'Andriamanitra maro. 13 Fa nony fitsapana an'nareo ze vôporofo am'io asa io, de hagnome voninahitra an'Andriamanitra kô anareo am'fankatoavana ny fibabohanareo am'filazantsaran'i Kristy. De hagnome voninahitra an'Andriamanitra kô nareo am'falalan-tagnanareo am'fagnomezana ha an'jareo sy ny ôla daôly. 14 Magniry an'nao zareo, ary mivavaka ho an'nao zareo. Magnano an'zany zareo nony faleibiazan'ny fasoavan'Andriamanitra akao aminao. 15 Ho an'Andriamanitra anie ny sôtra nony fagnomezany tsy hay lazaina!