Toko faha 4

1 Ary farany, ry ralà, mampaery sy magnanatra anareo zahay akao amin'ny Tompo Jesosy. Ra nahazo reo fampianarana avy aminay nareo momban'ny fomba tsy maintsy handeananareo sy hamalifalenareo an'Andriamanitra, ny amin'io lalana andeanana io iany kô, de mba anaovanareo miôtra izany. 2 Fa nareo de mahafantatra reo fampianarana ze namenay anareo tamin'ny alalan'i Jesosy Tompo. 3 Fa zao no sitrapon'Andriamanitra, de ny hagnamasinana anareo, mba elanareo amin'ny fijangajangana, 4 ze afantaran'ny tsiraikaraika avy aminareo ny fomba azona ny fanaky ny tegnany akao amin'ny fahamasinana sy voninahitra, 5 tsy amin'ny filan-dratsy (sala dreo Jentilisa ze tsy mahafantatra an'Andriamanitra). 6 Ôka tsisy ô'la handika na hanaratsy ny ralà amin'zany. Fa nu Tompo no mamaly amin'regny ra daôly regny, ôtrany nampitandremanay melô sy nijoroanay vavolombela taminareo. 7 Fa Andriamanitra tsy nagnatso anay ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana. 8 No zany, izy ze mandà zany de tsy mandà ô'la, fa Andriamanitra, ze nagnome ny Fagnahiny Masina ho anareo. 9 Momban'ny fifankatiavan'ny mpiralà, tsy mila ô'la afa nareo hanoratra ho anareo, fa nareo tegnanareo de nampianarin'Andriamanitra mba hifankate. 10 Ataonareo tokô zany, ho an'reo ralà daôly ze eran'i Makedonia. Fa zahay de mananatra anareo, ry ralà, mba hagnano miôtra. 11 Magnanatra anareo iany kô zahay mba hanandrana hiaigna am-pilaminana, hisaina ny raranareo manokana, ary hiasa amin'ny tagnanareo, araka ny nandidianay anareo, 12 mba anagnanareo fitondran-tegna mendrika akeo agnatrehan'reo tsy mino ary tsy hanan-java-mahory. 13 Fa tsy tenay ho fantatrareo, ry ralà, ny momba reo ze efa maty, mba tsy hampalaelo anareo ôtran'reo ambiny ze managna antoka ny amin'ny ho avy. 14 Fa ra mino tsika fa Jesosy de maty ary nitsangana ndre, de ôtran'zany kô no hitondran'Andriamanitra miaraka amin'i Jesosy reo ze efa maty takao aminy. 15 Fa zao no taraviny aminareo tamin'ny tenin'Tompo, fa isika ze velona, ze sisa tavela amin'ny fahatongavan'ny Tompo, de tsy hialô tokô reo ze maty. 16 Fa ny tegnan'ny Tompo no hidigna avy agny an-danitra. Ho avy miaraka amin'ny feo avy Izy, miaraka amin'ny feon'ny Arkanjely, ary miaraka amin'ny trompetran'Andriamanitra, ary ny maty akao amin'i Kristy no hitsangana vôlôny. 17 Avy akeo tsika ze velona, ze sisa tavela,hiaraka hiakatra amin'jareo egny amin'ny rôndro ka hiaogna amin'ny Tompo egny amin'ny habakabaka. Amin'zany de hiaraka amin'ny Tompo mandrakariva tsika. 18 No zany, mifankaereza amin'reo teny reo.