Toko faha 3

1 Noho zany, rafa tsy afaka niaritra an'zany intsony zahay, de neritreretinay fa tsara ny mijanona aketo Atena. 2 Nandefa an'Timoty zahay, ralanay sy mpiara-miasa ho an'Andriamanitra akao amin'ny filazantsaran'i Kristy mba hagnamafy sy hankahery momba ny finonareo (Fagnamarihana: Ny dikanteny sasagny hafa talô de mivaky hoe: Nandefa an'Timoty zahay, ralany ary mpanompon'Andriamanitra akeo amin'ny filazantsaran'i Kristy.") 3 Nataony zany mba tsy hisy ô'la ho taitra noho reo fahorena reo. Fa ny tegnanareo de mahay fa zany no nanendrena antsika. 4 Marina tokotra rafa niaraka taminareo de nilaza mialô taminareo, fa tsika de tsy maintsy hampahorena, ary nitranga zany araka ny fantatrareo. 5 Noho zany antony zany, rafa tsy nadigny an'zany intsony za, de nagniraka mba afantarako ny finonareo. Angamba ny mpiaka fagnahy de efa naka fagnahy an'nareo, ary ho tsisy dikany ny asantsika. 6 Fa tonga taty aminay avy taigny aminareo Timoty, ary nitondra ny vaovao tsaran'ny finoana sy fitiavanareo ho an'nay. Nilaza taminay izy fa anareo de managna fatsiarovana tsara an'nay fogna, ary nareo de magniry mafy ny hahita an'nay ôtran'ny fagnirianay hahita an'nareo. 7 Noho izany, ry ralà, zahay de nampaherezinareo noho ny finoana, takao agnatin'ny fanaintaignana sy fahorenay daôly. 8 Fa am'zao fotoana zao velona zay ra mamagna mafy amin'ny Tompo anareo. 9 Fa fisaorana ôtran'ny akôry no azonay amena an'Andriamanitra ny aminareo tamin'ny fifalena daôly ze anagnanay teo agnatrehan'Andriamanitray noho ny aminareo? 10 Mivavaka mafy andro aman'alina zahay mba haita ny tavanareo sy hameno ze tsy ampy akao amin'ny finoanareo. 11 Andriamanitra Raintsika tegnany, ary Jesosy Tompontsika anie, hagnitsy ny lalanay ho aminareo. 12 Ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso amin'ny fifankatiavanareo amin'ny hafa sy ny ôla daôly, ôtran'ny ataonay aminareo koa. 13 Izy anie hagnamafy ny finoanareo ka mba tsy hanantsigny amin'ny famasinana izy reo akeo agnatrehan'Andriamanitra Raintsika, amin'ny fihaven'i Jesosy Tompontsika miaraka am'reo masina daôly.