1 Tesaloniana faha 2

1 Fa ny tegnanareo de mahafatatra, ry ralà, fa ny fahatongavanay takeo aminareo de tsy fôgna. 2 Fantatrareo fa talô de nijaly ary nalam-baraka tany Filipy zahay. Zahay de sa takao amin'Andriamanitra hilaza taminareo ny filazantsaran'Andriamanitra takao agnatin'ny fanoerana leila. 3 Satria ny fananaranay de tsy avy tamin'ny fahadisoana, na avy tamin'ny fahalotoana, na avy tamin'ny fitaka. 4 Fa kosa, araka ny fagneken'Andriamanitra anay mba hatokisanay amin'ny filazantsara, no zany de miteny zahay. Miteny zahay, tsy hampifaly ny ô'la, fa hampifaly an'Andriamanitra. Izy le mahalala ny fonay. 5 Satria tsy de nampiasa navena navena reo teny fandokafana zahay, araka ny fanatatrareo, na kô ho felan-tsigny amin'ny fitsiriritana, satria Andriamanitra no vavolombelonay. 6 Na kô nikaraka ny voninahitra avy amin'ny ô'la zahay, na kô avy aminareo na avy amin'reo hafa. Zahay de afaka nitaky reo tombotsoa ôtran'reo apostolin'i Kristy. 7 Fa kosa, zahay de tsotra takeo aminareo toy ny reny mankahery ny zanay naterany. [Fanamarihana: Reo dikan-teny hafa sasagny de mivaky toy zao: "Fa kosa, zahay de ôtran'ny zazakely takeo aminareo, rafa mankaery ny zanagny nateragny ny reniny."] 8 De ôtran'zany no nanagnanay fitiavana ho anareo. Faly zahay mizara aminareo, tsy ny filazantsara an'Andriamanitra iany, fa ny fiaignanay manokana iany kô. Satria nareo de lasa malalany tokoa. 9 Satria tsaroanareo, ry ralà, ny asanay sy ny fisasaranay. Andro aman'aligna no niasanay mba tsy afanay mampitondra mavesatra ny raika aminareo. Nandritra zany fotoagna zany, de nitory ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo zahay. 10 Nareo no vavolombelogna, ary Andriamanitra iany kô, fa misana, sy marina, ary tsy manan-tsiny ny fitondran-tenanay takeo aminareo zay mino. 11 Toy zany iany kô de fantatrareo hoe toy ny aona no nataonay taminareo tsirairay toy ny ataon'ny ray amin'ny zanagny nateragny, 12 negavy sy nankaery ary nandrisika anareo zahay mba handeha amin'ny fomba zay mendrika an'Andriamanitra, zay miantso anareo ho akao amin'ny fanjakany sy ny voninahiny manokagna. 13 Fa zany antony zany no isaoranay iany kô an'Andriamanitra mandrakariva.Fa anareo rafa nandray avy taminay hafatr'Andriamanitra ze regninareo, de noraisinareo zany tsy ho toy ny tenin'ôla. Fa kosa,noraisinareo zany araka ze marina, de ny tenin'Andriamanitra. Zany teny zany iany kô no miasa akeo aminareo ze mino. 14 Satria nareo, ry ralà, de lasa ôtran'reo fiangonan'Andriamanitra akaigny Jodia ze amin'Jesosy Kristy. Fa nareo iany kô de nijaly tamin'reo ra reo iany no ny nataon'reo mpiray tanindrazagna aminareo, ôtran'ny nanjo an'jareo kô no ny nataon'ny Jiosy taminy. Reo Jiosy no namono na an'Jesosy Kristy na reo mpaminagny. 15 Reo Jiosy no nandroaka anay. nakasitraka an'Andriamanitra zareo. Fa kosa, zareo de favalon'ôla daôly. 16 Zareo de nandraranay tsy hiteny amin'ny Jentilisa mba tsy hamonjena an'izy regny. Vokatr'zany de mameno ny fahotan'ny tegnany mandrakariva zareo. Ny fahatezerana de tsy maintsy tonga akeo amin'jareo amin'ny farany. 17 Tafasaraja taminareo zahay, ry ralà, nandritra ny fotoana fohy, tamin'ny fagnatrena fa tsy tamin'ny fo. Tegna nazoto fatratra zahay, nagniry mafy, ny hatazagna ny tavanareo. 18 Satria nagniry ny ho akaigny aminareo zahay, za, Paoly, matetitetika, nefa nanakana anay i Satana. 19 Fa ino ma ny fagnantenanay ny ho avy, na fifalena, na sato-boninahitry ny fandresena akeo agnatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaveny? Mô tsy anareo ôtran'reo sasagny hafa kô va? 20 Fa anareo no voninahitray sy fifalenay.