Toko faha 5

1 Amizao fotôna zao mikasika ireo fotôna sy reo vanim-potôna, ry ralà, tsy mila na ino na ino vôsoratra ho anareo nareo. 2 Fa anareo tegnanareo mafantatra tsara ny andron'ny Tompo de ho avy ôtran'ny mpangalatra amin'ny alina. 3 Rafa miteny zareo, "Miadana sy milamina," de fapotena tampoka no ho avy amin-jareo. Ho ôtran'ny fararen'ny vevavy mitondra ivagna rafa miteraka zany. Tsy ho afaka milefa mitsy zareo. 4 Fa anareo, ry ralà, de tsy akao agnatin'ny aizigna ka hatakatra anareo tampoka ôtran'ny mpangalatra ny andro. 5 Fa anareo daôly de zanaky ny mazava sy zanaky ny andro. Tsy zanaky ny alina tsika na zanaky ny aizigna. 6 No zany, ndeha tsika tsy atory ôtran'ny fataon'ny ambiry. 7 Fa kosa, ôka tsika iambina sy ahonon-tena. Fa reo ze matory de magnano an'zany amin'ny alina, ary reo ze mamo de magnano an'zany kô amin'ny alina. 8 Fa ra mbôla amin'ny andro tsika, de tsy maintsy mahonontegna tsika ary mitafy ny finona sy fitiavana ho ferovan-tratra, ary ny antoky ny fagnavotana amin'ny ho avy ho ferovan-dôntsika. 9 Fa Andriamanitra tsy manendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa hazaôna ny famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. 10 Izy la maty ho an'tsika, na mifôtsika na matory, de afaka miara-miaigna aminazy. 11 Ka noho zany mifampionona ary mifampahereza anareo, ôtran'ny efa nataonareo. 12 Mangataka aminareo zahay, ry ralà, mba agnikenareo ze misasatra aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary ze magnanatra anareo. 13 Mangataka anareo ihany kô zahay mba hagnaja an'jareo am-pitiavana noho ny asan-jareo. Mihavàgna amin'ny tegnanareo. 14 Magnanatra an'nareo zay, ry ralà: mampitandrema ny fikorontagnana, ampaherezo reo kivy, ampeo reo malemy, mahareta amin'ny daôly. 15 Indro tsisy ôla mamaly ratsy ny ratsy na amin'iza na iza. Fa kosa, mikarà ze tsara ho an'ny tsiraikaraika sy ho an'ny daôly. 16 Mifale mandrakariva. 17 Aza mitsatra mivavaka. 18 Misaora amin'ny ra daôly. Fa zany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho an'nareo. 19 Aza mamono ny fagna. 20 Aza magnano tsinotsinona reo faminanina. 21 Andramo ny ra daôly. Mifikira amin'ny ze tsara. 22 Alao reo fisehoan'ny ratsy daôly. 23 Andriamanitry ny fiadanana ane hampamasina anao tanteraka. Ôka ny fagnanareo magnotolo, ny aigna, ary ny vatagna de hotahirizina tsy hanan-tsigny ho amin'ny fatongavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. 24 Matokia izy le miantso an'nao, le raika ze hagnano zany iany kô. 25 Ry ralà, mivavaha ihany kô ho an'nay. 26 Arabao amin'ny fagnorohana masina ny ralà daôly. 27 Mangataka aminareo amin'ny Tompo za mba ho vakina amin'ny ralà daôly ty taratasy ty. 28 Ho aminareo ane ny fasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.