Toko faha 6

1 Rafa misy raika aminareo miady amin'ny raika hafa, sahy hagnantongna fitsarana akeo agnatrehan'ny mpitsara tsy mpino ma izy, fa tsy akeo agnatrehan'reo mpino? 2 Mô tsy fantatrareo ma fa reo mpino no hitsara an'zao tontolo zao? Ra zany, anareo no hitsara an'zao tontolo zao, mô tsy mahavita mandamina raharaha madinika ma anareo? 3 Mô tsy fantatrareo ma fa hitsara anjely tsika? Impiry, ary, tsika no afaka mitsara reo raharaha amin'ty fiaignana ty? 4 Ra tô ka mitsara ny ra ze mitranga amin'ny andavan'andronao anao, nagnino anao no mametraka karazana tranga ôtran'zany akeo agnatrehan'reo ze tsinotsino akao amin'ny fiangonana? 5 Hampamegnatra an'nareo no hitaravako an'zany. Mô tsy mbô misy ampy fahendrena na de raika avy aza aketo aminareo handamina ny disadisa akao amin'ny mpirahalà? 6 Fa kosa, misy mpino raika ifagnatrika amin'ny mpino hafa akeo amin'ny fitsarana, ary zany raharaha zany de hapetraka akeo agnatrehan'ny mpitsara ze tsy mpino! 7 Ny fisin'ny ady akeo aminareo kristiana daôly de efa faresena ho an'nareo sahady. Fa tsy aleo mijaly amin'ny fahadisoana? Fa tsy aleo avela ho vôfitaka ny tegnanareo? 8 Fa anareo de nandiso sy namitaka 'reo hafa nefa de rahalanareo iany ry zareo! 9 Mo tsy fantatrareo ma fa ny tsy marina de tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mino ny lainga. Reo vetaveta, reo mpanompo sampy, reo mpijangajanga, reo lehilà mpivaro-tegna, reo lehilà miara-matory magnano ny fagnaon'ny mpivady, 10 reo mpangalatra, reo tsy malala onina, reo mpimamo, reo mpagnaratsy, reo mpagnano an-keriny, tsisy raika amin-jareo reo no handova ny fanjakan'Andriamanitra. 11 Fa salan-zany ny sasagny aminareo. Fa efa vôdiko nareo, vômasina nareo, ary vômarigna takeo amin'Andriamanitra nareo tamin'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fagnan'Andriamanitsika. 12 "Ny ra daôly de ara-dalàna aminà," fa tsy ny ra daôly no mahasoa." Ny ra daôly de ara-dalàna aminà," fa tsy ho andevozin'ny raika amin-reo za. 13 "Ny ahanina de ho an'ny kibo, ary kibo natao ho an'ny ahanina," fa Andriamanitra de hagnafôgna an'azy roey reo. Ny vatana tsy natao ho an'ny fijangajangana. Fa kosa, ny vatana natao ho an'ny Tompo, ary ny Tompo de hagnome ho an'ny vatana. 14 Andriamanitra de efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika kô amin'ny heriny. 15 Moa tsy hainareo ma fa ny tegnanareo de rantsambatan'i Kristy? Ka ndesiko ma zany reo ratsam-batan'i Kristy ary ampiraika an-jareo amin'ny mpivaro-tegna? Tsy hisy ane zany! 16 Moa tsy fantatrareo ma fa ze miray amin'ny mpivaro-tegna de lasana nofo raika amin'azy? Ôtran'ny vôlazan'ny Soratra Masina hoe: "Ho nofo raika iany izy roey." 17 Fa ze miaraka amin'ny Tompo de lasa fagna raika amin'Azy. 18 Helao ny fijangajangana! Ny fahotana daôly hafa ze atôn'ny ôla de ivelan'ny tegna, fa ny ôla mpijangajanga de manota ho an'ny tegnany iany. 19 Moa tsy fantatrareo ma fa ny vatagnareo de tempolin'ny Fagna Masina, ze mipetraka akao agnatinareo, ze azonareo avy amin'Andriamanitra? Moa tsy hainareo ma fa tsy an'nareo ny tegnanareo? 20 Fa olom-bôvidy nareo. No zany de mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tegnanareo. [Fanamarihana: Ny antontan-taratasy talô de mivaky salan-zao hoe: "No zany mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tegnanareo sy amin'ny fagnanareo, de an'Andriamanitra." Fa ny antontan-taratasy tsara indrindra tsy managna zany fampenarana zany.]