Toko faha 5

1 Zahay de naregny tatitra fa misy fijangajangna aketo aminareo, karazagna fitondran-tegna tsy mendrika ze tsy azo atao mitsy akeo am'reo Jentlisa. Ny tatitra de hoe misy raika aminareo miray fandrena tamin'ny vadin-drainy. 2 Anareo de tegna miavignavogna! Fa tsy tokony alaelo ma anareo? Ny raika ze magnano an'zany de tsy maintsy alàna aketo aminareo. 3 Fa na de tsy akeo ara-batana aza za nefa de akeo ara-panahy, de efa nitsara sahady le raika ze nagnano an'zany, salan'ny hoe takeo za. 4 Rafa miara-mivory amin'ny agnaran'i Jesosy Tompotsika anareo, ary ny fanahiko de akao amin'ny herin'i Jesosy Tompotsika, de efa nitsara io ôla io sahady za. 5 Nataoko zany mbô hagnomezako zany leila zany ho an'i Satana, ho fanilbana ny nofo, mbô ho vôvonjy ny fanahiny amin'ny andron'ny Tompo. 6 Tsy tsara ny fireareanareo! Tsy fantatrareo ma fa ny masirasira kely de magnova ny mofo manontolo? 7 Diovy ny tegnanareo amin'ny masirasira talô mbô ho tonga mofo vaovao anareo, ka mbô ho tonga mofo tsisy masirasira anareo. Fa kristy, le Zanak'ondrintsika tamin'ny Paka, de natao sorona. 8 Noho zany de ôka tsikana hankalaza ny firavoravôna, tsy amin'ny masirasira talô, le masirasiran'ny fitondran-tegna ratsy sy faratsena. Fa kosa, ôka tsikana hankalaza amin'ny mofo tsisy masirasiran'ny fadiovam-po sy fahamarinana. 9 Za de nanoratra ho an'nareo takao amin'ny taratasiko mbô tsy hiaranareo miasa am'reo ôla mpijangajanga. 10 Kanefa ny teko ambara de tsy ny ôla mpijangajanga daôly aketo am'zao tontolo zao, na reo tsy mahonon-tegna, na reo mpisoloky, na reo mpanompo sampy, satria mbô hialana amin-jareo de mila miala am'zao tontolo zao anareo. 11 Nefa am'zao fotôna zao za manoratra ho an'nareo mbô tsy hiara-hiasa miaraka amin'iza n'iza ze antsovina hoe rahala nefa miaigna akao agnatin'ny fijangajangana, na ze tsy mahonon-tegna, na mpanompo sampy, na mpiteny ratsy, na mpimamo, na mpisoloky. Aza minan-kanina miaraka amin'ôla ôtran'zany mitsy. 12 Fa ino no idirako amin'ny fitsarana reo ze aigny ivelan'ny fiangonana? Mifanohitra am'zany, anareo ma tsy tokony hitsara reo ze akao agnatin'ny fiangonna? 13 Fa Andrimanitra de mitsara reo ze aigny ivelany. "Esory akeo aminareo ny olon-dratsy."