Toko faha 4

1 Salan-zao no tokony handraisan'ny ôla antsika, ôtran'ny mpanompon'i Kristy ary mpitandrina reo misterin'Andriamanitra. 2 Am-zany fifandraisana zany, de fepetra takiana am-reo mpitandrina ny maha-mendri-pitokiana an'azy reo. 3 Fa aminà de ra kely de kely ny tokony hitsaranareo na hitsaran'ôlombelona daôly anà. Fa na za aza tsy mitsara ny tegnako. 4 Za de tsy mafantatra ze fiampangana natao taminà, fa zany de tsy midika fa tsy magnan-tsiny za. Ny Tompo no mitsara anà. 5 No zany, aza magnonona fitsarana momban'ny ra daôly melohan'ny fotôgna, melohan'ny hevian'ny Tompo. Izy de hitondra reo ra-miafin'ny haizina ho amin'ny fahazavana ary hampiseho ny fikasan'ny fo. Avy akeo ny tsirairay avy de handray ny fiderany avy amin'Andriamanitra. 6 Am-zao fotôgna zao, ry rahalà, nampiatra reo fitsipika reo taminà sy tamin'i Apolosy za non'ny aminareo, mba hafanareo mianatra avy aminay ny dikan'ny fitenenana hoe: "Aza mande mihôtra ze vôsoratra." Zany de mba tsy hisy raika aminareo hieboebo ny amin'ny fankasitrana ny raika nony hafa. 7 Fa iza no maita fasamihafana akeo aminareo sy reo hafa? Ino no agnananareo ka tsy noraisinareo maimaimpôgna? Raha nandray zany maimaimpôgna nareo, naôgna nareo no mieboebo ôtran'ny tsy nagnano salan-zany? 8 Efa agnananareo daôly ze ra tadiavinareo! Efa lasa mpanankarena nareo! Ary efa nanomboka nanjaka nareo ary zany de tsy avy taminay! Za de magniry tokoa ny nanjakanareo, mba hafahanay manjaka miaraka aminareo. 9 Fa za de mieritreritra fa Andriamanitra de nametraka antsika ho apostoly mibaribary ôtran'ny farany amin'ny laharana sy ôtran'ny ôla vôheloka ho faty. Zahay de lasa fampisehogna ho an'zao tontolo zao ho an'reo anjely, ary ny ho an'ny olombelona. 10 Zahay de adala non'ny amin'i Kristy, fa anareo de hendry akao amin'i Kristy. Malemy zahay, fa anareo matanjaka. Anareo de nomem-boniniatra, fa zahay kosa tsy nalaim-baraka. 11 Mandrak-zao zahay de nôgna sy mangetaeta, mahantra fitafy, vôkapoka mafy, ary tsy magnan-kelofagna. 12 Miasa mafy zahay, miasa amin'ny alalan'ny tagnanay iany. Rafa latsaigna zahay, de miaritra. 13 Rafa henjeigna zahay, de mitso-drano. Rafa vôendrikendrika zahay, de mitare amin'ny atsaram-pagna. Zahay de niôva, ary mbola raisina ho fakon-zao tontolo zao sy faikan'ny ra daôly. 14 Zà de ty nanoratra reo ra reo mba hahamenatra anareo, fa manitsy anareo salan'ny zanaka malalako. 15 Fa na de magnana mpiambina ray alina akao amin'i Kristy aza nareo, de tsy magnana ray betsaka be. Fa za de lasa rainareo akao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny filazantsara. 16 No zany de mamporisika anareo za mba ho mpaka-taka anà. 17 Zany no nandefasako anareo an'i Timoty, zanaka malalako sady matoky akao amin'ny Tompo. Izy de hampatsiahy anareo reo lalako akao amin'i Kristy, ôtran'ny ampenarako an'azy reo na aiza na aiza sy akao amin'ny fengonana daôly. 18 Amin'zao de lasa miavona ny sasagny aminareo, magnano salan'ny hoe tsy ho avy aigny aminareo za. 19 Fa ho avy tsy ho ela aigny aminareo za, raha sitraky ny Tompo. Ary tsy hahafantatra ny resak'reo ze tegna miavona fotsiny za, fa haita ny herin'izy reo. 20 Satria ny fanjakan'Andriamanitra de tsy mifototra amin'ny resaka fa amin'ny hery. 21 Ino no karanareo? Tokony ho avy aigny aminareo miaraka amin'ny tsorakazo ma za sa miaraka amin'ny fitiavana feno halemem-pagna?