Toko faha 3

1 Ary za, ry rahala, de tsy afaka nitare taminareo ôtran'ny ôla ze ara-pagnahy, fa kosa ôtran'ôla ara-nofo, ôtran'ny zazakely akao amin'i Kristy. 2 Nofahanako ronono ,anareo; fa tsy venti-kanina; satria tsy vônona tam-zany nareo; ary na am-zao fotôgna zao aza de mbôla tsy vônona am-zany nareo. 3 Satria nareo mbola araka ny nofo. Fa na aiza misy fahasarotam-piaro sy fifandirana akeo aminareo, de tsy miaigna araky ny nofo ma nareo, ary tsy mande araka ny maha-olombela? 4 Fa rafa misy raika mitare hoe: " Za magnaraka an'i Paoly," ary ny raika mitare hoe: "Za magnaraka an'i Apolosy," de tsy miaina ôtran'ny olombela iany ma nareo? Iza ma Apolosy? 5 Ary iza Paoly? Mpanompo ze tamin''ny alalany no ninonareo, ze namen'ny Tompo asa avy. 6 Za no namboly, Apolosy no nanondraka fa Andrimanitra no nampitombo. 7 Ka no zany, na za ze namboly na izy ze nanondraka de tsisy dikany. Fa Andriamanitra no mampitombo. 8 Ary za ze mamboly sy izy ze manondraka de raika, ary ny tsiraikaraika de samy hahazo ny karamany avy araka ny asany. 9 Fa zahay de mpiara-miasa amin''Andriamanitra. Anareo de sahan'Andriamanitra, sy tragnon'Andriamanitra. 10 Araka ny fasoavan' Andrimanitra ze namena ana ôtran'ny mpagnano trano mahay, de nametraka ny fototra za ary ny sasagny no manorina akeo amboniny. Fa ôka ny lehila tsiraikaraika hitandrina ny amin'ny fomba hagnorenany akeo am-zany. 11 Fa tsy misy ôla mametraka fototra afa-tsy le raika ze napetraka, zany hoe, Jesosy Kristy. 12 Am-zao fotôgna zao raha misy ôla magnorina akeo ambonin'ny fototra amin'ny volamena, volafotsy, vato sarobidy, hazo, bozaka, na mololo, 13 de habôgna ny asany, fa ny andro mazava no hampibôgna izany. Satria habôgna amin'ny afo izany. Ny afo no hitsapana ny hatsaran'ny natôn'ny tsiraikaraika. 14 Ra mipetraka ny asan-le ôla, de hahazo valisoa izy; 15 fa raha may ny asan-le ôla, de ho fatiantoka izy, fa izy tegnany de ho vonjena, salan'ny nivôka tamin'ny afo iany. 16 Tsy fantatrareo ma fa anareo de tempolin'Andriamanitra ary ny Fagnan'Andriamanitra no mipetraka akao aminareo? 17 Raha misy ôla mandratra ny tempolin'Andriamanitra , de handratra zany ôla zany kô Andriamanitra. Fa masina ny tempolin'Andriamanitra, ary salan-zany kô nareo. 18 Aza avela hisy ôla hamita-tegna. Raha misy ôla akeo aminareo mihevitra fa hendry izy am-zao vanim-potôgna zao, avelao izy ho lasa "adala" am-zay mba ho lasa hendry izy. 19 Fa ny fahendren-zao tontolo zao de fadalana akeo amin'Andriamanitra. Satria vôsoratra hoe: "Nahatratra ny hendry takao amin'ny hafetsen-jareo Izy. 20 "Ary kô hoe: "Ny Tompo de mahalala fa ny fihevitry ny hendry de zava-pôgna." 21 No zany tsisy firearehana momban'ny ôla ntsony! Fa ny ra daôly de an'nareo, 22 na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na zao tontolo zao, na fiaignana, na fafatesana, na ra amin-zao fotôgna zao, na ra ho avy. Ny ra daôly de an'nareo, 23 ary anareo de an'i Kristy, ary Kristy de an'Andriamanitra.