Toko faha 7

1 Ary makasika reo olagna ze nosoratanareo momban'ny hoe: "Tsara ho an'ny leila ny tsy mikasika vevavy." 2 Nefa noho reo fakam-pagna amin'ny favetavetana maro isan-karazany, de tokony hanagna ny vadiny manokana avy ny leila tsirairay, ary ny vevavy tsirairay de tokony hanagna ny vadiny manokana avy. 3 Ny lehilà de tokony hagnome reo zo ara-panambadena ho an'ny vadiny, ary ôtran-zany kô ny vevavy ho an'ny vadiny. 4 Tsy ny vevavy no managna fahefana amin'ny vatany manokana, fa ny vadiny. Ôtran-zany kô, tsy ny lehilà no managna fahefana amin'ny vatany manôkana, fa ny vadiny no managna. 5 Aza mifanakatsakana nareo tsirairay, afa-tsy amin'ny fifanarana nifanôvana ary amin'ny fotôgna vôtokana. Atôvy zany mba hafanareo manokan-tena amin'ny vavaka. Avy akeo de tokony hiara-hatory ndray nareo, mba tsy hafan'ny Satana maka fagna anareo non'ny tsy fagnananareo fifezan-tegna. 6 Kanefa za de milaza reo ra reo aminareo am-pahalalana fa tsy didy akory. 7 Iriko ny ôla daôly ho ôtra anà. Fa ny tsirairay de samy managna ny fagnomezam-pahasoavana manokana avy amin'Andriamanitra. Ny raika managna ity karazam-panomezam-pasoavana ity, ary ny raika hafa managna karazagny hafa kô. 8 Ho an-reo ze tsy manambady sy reo mpitondrategna de mitare ze tsara ho an'azy reo raha mijanona tsy manambady izy reo, sala anà. 9 Kanefa zareo raha tsy afaka mametegna, de tokony hanambady. satria tsara kokô ho an'azy reo ny manambady ôtran-ze ampirehetin'ny filàna ara-nofo. 10 Ary ho an-reo ze tsy manambady de magnome zao didy zao za, tsy za fa ny Tompo, ny vevavy de tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny, 11 (fa raha hoe: misaraka amin'ny vadiny izy, de tokony hijanona tsy hanambady na kô miverigna mifanaraka amin'ny vadiny) ary ny lehilà de tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny. 12 Fa ho an'ny sisa de milaza za, fa tsy ny Tompo hoe raha misy rahalà raika managna vady tsy mpino, ary raha mafaly azy ny miara-miaigna aminy, de tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny izy. 13 Raha ny vevavy raika no managna vady tsy mpino, ary raha mahafaly an'azy ny miara-miaigna aminy, de tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny izy. 14 Satria ny lehilà tsy mpino de natokana no ny amin'ny vadiny, ary ny vevavy tsy mpino natokona no ny amin'ny rahalàny. Fa raha tsy zany de ho maloto ny zanakareo, nefa raha ny marina d'efa vôtokana izy reo. 15 Fa raha ny vady tsy kristianina no mandao, avelao izy ande. Amin'ny toe-javara ôtrany zany, ny rahalàny na ny rahavavy de tsy vôfatotr'ireo voadin-jareo. Andriamanitra de nagnantso antsika mba hiaigna am-pedanana. 16 Fa amin'ny fomba manakôry no alalanao, ry vevavy, raha ho vôvonjinao ny vadinao? Na amin'ny fomba manakôry no alalanao, ry lehilà, raha ho vôvonjinao ny vadinao? 17 Fa avilao fotsiny ny tsiraikaraika avy hiaigna ny fiaignana ze efa nanendren'ny Tompo an'azy, ary araka ny efa nagnantsovan'Andriamanitra an'azy. Io no fitsipiko akao amin'ny fengonana daôly. 18 Efa vôfora ve ny ôla raika rafa hiezaka ny hisehoseho salan'ny tsy vôfora. Tsy vôfora ve ny ôla raika rafa nantsovina ho amin'ny fonona? Tsy tokony ho foraina izy. 19 Satria tsy ny famorana na ny tsy famorana no ra-leibe. Ny ra-leibe de ny fankatoavana ny didin'Andriamanitra. 20 Ny tsiraikaraika avy de tokony hijanono amin'ny fentsona ze nisy an'azy daôly nantsovin'Andriamanitra mba hino izy. 21 Andevo ma enao fony Andriamanitra niantso anao? Aza miahiahy ny am-zany. Fa raha mety ho afaka enao, de ararôty zany. 22 Satria ny ôla raika ze nantsovin'ny Tompo ho andevo de ôla afaka ny Tompo. Ôtran-zany kô ny ôla ze afaka fony izy nantsovina mba hino de andevon'i Kristy. 23 Anareo de vôvidy, no zany de aza tonga ôtran-reo andevon'ny ôla. 24 Ry rahalà, na ino na ino fiaignana nisy antsika tsiraikaraika fony isika nantsovina mba hino, de ôka tsika hijanona ho ôtran-zany. 25 Ary makasika reo ze tsy nanambady mitsy, za de tsy managna didy avy am'Tompo. Nefa za de magnome ny hevitro salan'ny tokana, amin'ny alalan'ny famindram-pon'ny Tompo, de mendri-pitokisana. 26 No zany, meritreritra za fa non'ny loza ze ho avy, de tsara ho an'ny leila ny mijanona amin'ny maha izy an'azy. 27 Vôfatotra amin'ny vevavy ma nareo? Aza mitady ny ho afaka aminy. Afaka amin'ny vadinao ma enao? Aza mitady vady. Nefa raha manambady nareo, de tsy nagnota. 28 Raha ny vevavy tsy manambady no manambady, de tsy nagnota izy. Nefa reo ze manambady de hanagna karazan'ôla betsaka raha mbola velona, ary za de te hagnala anareo amin-zany. 29 Fa zao no lazaiko, ry rahalà: Foy ny fotôgna. Manomboka zao, aleo reo ze efa magnam-bady hiaigna ho ôtran'ny tsy managna. 30 Reo ze mitomany de tokony hagnano ho ôtrany tsy mitomany, reo ze mifaly ho ôtrany tsy mifaly, ary reo ze mividy ho ôtrany tsy magnana na ino na ino; 31 ary reo ze mampiasa zao tontolo zao de tsy tokony hagnano ôtrany mampiasa zany tanteraka. Satria zao tontolo zao amin'ny endrigny am-zao fotôgna zao de ho tonga amin'ny fefarana. 32 Teko nareo ho afaka amin-reo ahiahy. Ny lehilà tsy manambady de miahiahy ny amin'ny reo ra ny Tompo, ny amin'ny fomba hampifaliana an'Azy. 33 Fa ny lehilà manambady de miahiahy ny amin'ny ran-zao tontolo zao, ny amin'ny fomba hampiafaliana ny vadiny, 34 mizarazara izy. Ny vevavy tsy manambady na virijiny de miahiahy ny amin'ny ran'ny Tompo, ny amin'ny fomba hanokanana amin'ny tegna sy ny fagna. Fa ny vevavy manambady de miahiahy ny amin'ny ran-zao tontolo zao, ny amin'ny fomba hampifaliana ny vadiny. 35 Lazaiko zany ho an'ny tombotsonareo manokana, fa tsy hametraka ze sakantsakana akeo aminareo. Milaza zany za no ze marina, am-ze anareo mba hanolo-tegna ho an'ny Tompo tsy misy fanelingelenagna 36 Nefa raha misy ôla raika mievitra fa tsy mitondra ny fofom-badiny am-pagnajana raha miôtra ny taonan'ny fagnambadegna le vevavy ary tsy maintsy ôtran-zany de toko ny hanao ze teigny izy. Tsy manota izy. Tokony hividy jareo. 37 Nefa raha nikasa tsara tao am-pony izy, raha toa ka tsy ambany faneriteregna fa afaka mifehy ny sitrapony magnôkana, ary raha nanapa-kevitra tao am-pony izy ny hagnano zany, mba hitazomana ny fofombadiny ho virijiny, de tsara ny ataony. 38 Koa ze manambady ny fofombadiny de magnano ny tsara, ary ze misafidy ny tsy hanambady de hagnano ny tsaratsara kokô aza. 39 Ny vevavy de vôfatotra ny vadiny raha mbôla velona ralehilà. Fa raha maty ny vadiny, de malalaka tsara izy ny hanambady ze teigny ho vadiana, nefa akao amin'ny Tompo iany. 40 Nefa amin'ny fitsarako de tokony ho faly kokô izy raha miaina am-zao iany. Ary heveriko fa za iany kô de magnana ny Fanahin'Andriamanitra.