Toko faha 9

1 Ary raha nandalo Jesosy, da nahita lelà jamba hatramin'izy vô teraky. 2 Nanontany an'Azy e mpaminany hoe: "Raby, ia rô e nanota, io lehilahy io sa e ray aman-dreniny, no da teraky jamba akô zao izy?" 3 Jesosy namaly hoe: " Tsy io lelà io gne nanota, na e ray aman-dreniny, fa nanigny izao mba hanehoagny amin'azy gn'asan'Andriamanitry. 4 Tsy manao e asan'izay Anà isika raha mbola mazava. Fa ho avy gn'aligny zay tsy ahafahan'ia ndre ia miasa esanaky. 5 Râ mbola eto am'zao tontolo zao Iao, Da Iao gne fahazavan'zao tontolo zao." 6 Refa avy nizaka an'zany Jesosy, da nandrora tame tany, sady nganano feta tame rora, ka nagnosotry gne fotaky tame mason'e lelà. 7 Hoy izy tamin'azy hoe: "Mandehana, sasao egny ame ranon'e Siloama (zay adika hoe: nirahina) gne masonao." Ka lasa ralelà, nanasa an'zany, da nipody nahiratry. 8 Ary nifampanontagny ireo ologny mpiray voy rindrigny tamin-dralelà da ireo zay nahita an'azy nangataky taloha nagnano hoe: "Tsy ty ve e lelá nipetraky nangataky teto?" 9 Gny sasany nagnano hoe: "Izy io." Da e hafa nizaka hoe: "Tsia, fa mitovy amin'azy avao izy." Fa izy kosa nagnano hoe: "iao ty." 10 Hoy indreo tamin'azy hoe: "Koa ahoagny ary e nahiratan'e masonao?" 11 Namaly izy hoe: "Ilay lelà antsovagny hoe Jesosy gne nagnano feta da nagnosotry an'zany tame masoko ka nizaka taminah hoe: 'Mandihana agny Siloama da sasao e masonao.' Da nandeha iao sady nanasa an'zany, ka nahiratry." 12 Hoy indreo tamin'azy hoe: "Aia Izy?" Da novaliany hoe: "Tsy fantatro." 13 Nentindreo tame Fariseo e lelà zay jamba taloha. 14 Tame andro sabata moa gne nagnamboaran'i Jesosy gne feta da nampahiratany gne masony. 15 Ary nanontagny an'azy koa indreo Fariseo gne ame fomba nahiratany. Hoy tamindreo hoe: "Nasiany feta gne masoko, nosasako, ka mahita iao zao." 16 Gne sasany tamindreo fariseo nizaka hoe: "Tsy avy amin'Andriamanitry ty lelà ty satria tsy mba nagnaja gne andro Sabata." Gne hafa nagnano hoe: " Ahoagny gne afahan'e ologny mpanota magnano famantaragny zakabe akô zao?" Ka da nisy fizarazaragny teo amindreo. 17 Ka da nipody nanontagny e lelà jamba koa indreo hoe: "Ino gne ambaranao momba an'Azy, hatramin'e nampahiratany gne masonao?" Hoy e lelà jamba hoe: "Mpaminany Izy." 18 Ary mbola tsy nino gne momba an'azy avao ireo Jiosy hoe izy da efa jamba ka nahiratry raha tsy nangaiky gne ray aman-drenin'e lelà nahiratry indreo. 19 Nagnontany e ray aman-dreny indreo hoe: "Ty ve e zanakareo zay zakainareo fa hoe teraky jamba? Koa ahoagny ary e nahitany zao?" 20 Ary da novaliany hoe: "Lalanay fa zanakay io sady teraky jamba izy. 21 Saigny gne ame nahitany, tsy lalanay, sady zay nampahiratry gne masony, tsy lalanay. Anontanio an'azy, efa zakabe izy. Afaky mizaka ho an'e tegnany izy." 22 Nizaka an'zany e ray aman-dreniny, satria natahotry andreo Jiosy indreo. Satria efa nifagneky indreo Jiosy fa raha misy magneky an'Azy ho Kristy, da ho roahigny hiala ao ame synagoga izy. 23 Nohon'e amin'zany, gne nizakandreo ray aman-dreniny hoe: "Efa zakabe izy, izy gne agnontanio." 24 Da nangaiky e lelà jamba taloha fagnindroany koa indreo da nizaka tamin'azy hoe: "Omeo voninahitry Andriamanitry. Lalanay fa mpanota zany lelà zany." 25 Aveo da namaly e lelà hoe:" Tsy lalako aloha raha mpanota Izy. Ny hany lalako dia zao: efa jamba iao taloha, fa amizao iao mahita." 26 Aveo da hoy indreo tamin'azy hoe: "Fa ino gne namboariny taminao? Ahoana gne fomba nampahiratany gne masonao?" 27 Da namaly izy hoe: "Efa nambarako taminareo, fa tsy niteno anareo! Ka nahoana ianareo gne te- hiteno zany koa? Te ho isan'ny mpianany koa ve anareo, sa sa tsy zany?" 28 Nagneso an'azy indreo ka nizaka hoe: "Anao gne mpianany, fa iay mpianatr'i mosesy. 29 Lalanay fa efa niresaky tamin'i Mosesy Andriamanitry, fa raha zany lelà zany da tsy lalanay zay nihaviany." 30 Da namaly e lelà ka nagnano tamindreo hoe: "Mahagaga zany, tsy lalanareo izay nihaviany, kanefa nampahiratry gne masoko Izy. 31 Lalatsika fa tsy miteno gne mpanota Andriamanitry, fa raha misy mazoto mivavaky da magnano gne sitrapony, da miteno an'azy izy. 32 Hatramin'e niatombohan'zao tontolo zao da tsy mbola regny mihintsy hoe nisy nampahiratry gne mason'zay teraky jamba. 33 Koa raha tsy avy amin'Andriamanitry zany lelà zany, da tsy mahefa ndre ino ndre ino." 34 Sady namaly indreo ka nagnano hoe: "Tena teraka tame ota anao, da anao koa ve gn'ampianatry anay?" Aveo da noroahindreo hijotso izy. 35 Regnin'i Jesosy fa noroahindreo tao ame Synagoga izy. Ary Izy nahita azy da nizaka hoe: "Mino gne Zanak'Olona ve ianao?" 36 Namaly izy hoe: "Iza me gne Izy?" 37 Jesosy nagnano tamin'azy hoe: "Efa nahita an'Azy anao, sady e raiky zay miresaky aminao zao zany." 38 Hoy e lelà hoe: "Tompo, mino aho." sady nidera an'Azy izy. 39 Jesosy nizaka hoe: "Fa fitsaragny gne nahatongavako eto amin'zao tontolo zao mba hahiratry indreo zay jamba sady mba ho tonga jamba indreo zay mahiratry." 40 Naregny an'zany gne sasany tamin'e Fariseo zay niaraky tamin'azy ka nagnontany hoe: "Ary iay avakoa ve jamba?" 41 Fa Jesosy nizaka tamindreo hoe: " Raha jamba anareo, da tsy nanan-keloky, fa anareo kosa amizao fotoagny zao mizka hoe: 'Mahiratry iay,' da mbola mipetraky gne helokanareo."