Toko faha-8

1 (Fanamarihagny: Eteo gne fanamarihagny momban'i Jaona 7: 53-8: 11etsy ambony) nandeha an-tany agnabon'i Oliva jesosy. 2 Vao nandraigny da nandeha an-tempoly koa Izy, sady e fokonolo agnaby da nagnatogny an'azy; nipetrakyIzy da nampianatry andreo. 3 E mpanora-dalàgny sy indreo Fariseo da nitondra viavy raiky tratry nijangajanga. Nperakandreo t'antegnantegna izy. 4 (Fanamarihagny: Jereo gne fagnamarihagny momban'i Jaona7: 53-8:11 etsy ambony) Aveo hoy indreo tamin'azy: "Ry mpampiamatry ô, ity viavy ity da tratry teo am-pijangajangagny. 5 Sady ao ame lalàgny, Mosesy nibaiko anay mba hitora-bato gne olo akô zany; ino gne ambaranao momba an'azy?" 6 Nozakain-dreo hamandrihagny an'Azy fotsiny anefa zany mba ahafandreo magnameloky an'Azy, fa Jesosy kosa niondriky sady nanoratry tame tany tame rantsan-tanany. 7 (Fnamarihagny: Eteo gne fanamarihagny momban'i Jaona 7 53-8: 11 etsy ambony) Refa nametraky fanontaniagny tamin'Azy fezay indreo, da nitsangagny Izy ka nizaka andreo hoe: "Izay tsy nanota taminareo, aoka izy hitora-bato an'azy voalohany." 8 Da niondriky koa Izy, sady nanoratry tame tany tame rantsan-tanany. 9 ( Fanamarihagny: Eteo gne fanamarihagny momban'i Jaona 7: 53-8: 11 etsy ambony) Refa naregny zany indreo, da niala tsikiraikiraiky, nanomboky tame zokiny indrindra. Sady e farany da Jesosy raiky avao e sisa tabela teo, niaraky tame viavy zay t'antegnantegnany. 10 Ntsangagny Jesosy ka nizaka tamin'azy hoe: "Raviavy, fa lasa aia e mpagnameloky anao? Tsy misy manameloky anao ve? " 11 Hoy izy hoe: " Tsy misy tompoko." Ary hoy Jesosy hoe: "Tsy manameloky anao iao. Mandehana da aza manonta koa."] 12 Nizaka tamindreo koa Jesosy, nagnano hoe: "Izaho no fahazavan'zao tontolo zao; zay magnaraky Anah da tsy andeha ame haizigny fa hanagny fiainagny. " 13 Hoy indreo Fariseo tamin'Azy hoe: " Anao da magnambara e tegnanao; tsy marigny e fagnambaranao." 14 Jesosy namaly tamindreo hoe: "Na da magnambara gne tegnako aza iao, da marigny e fagnambarako. Lalako e nihaviako da gne lalagny andehanako, fa anareo kosa da tsy mahafantatry zay nihaviako na zay andehanako. 15 Anareo da mitsara arak'e nofo; fa Iao tsy mitsara ndre ia ndre ia. 16 Ndre da mitsara aza iao; da marigny e fitsarako satria tsy raiky iao, fa miaraky ame Ray zay nagniraky Anah. 17 Eka, sady ao ame lalànareo da voasoratry fa marigny gne fijoroan'e olon-droy vavlombelogny. 18 Iao gne magnambara gne tegnako, sady gne Ray zay nagniraky Anah avakoa da magnambara Anah." 19 Hoy indreo tamin'Azy hoe: "Aia e iabanao?" Jesosy namaly hoe: " Tsy fantatrareo ndre Iao ndre e Raiko; raha mahafantatry Anah anareo, da mahafantatry e Raiko avakoa." 20 Teo akaikin'e fandatsahan-drakitry Izy e nizaka zany teny zany raha igny Izy nampianatry teo ame tempoly igny, sady tsy nisy nanambotry an'Azy satria mbola tsy tonga e lerany. 21 Da hoy koa izy tamindreo hoe: "Andeha iao; hitady Anah anareo sady ho faty ame fahotanareo. Zay andehanako, da tsy ho azonareo andehanagny." 22 Hoy e Jiosy hoe: "Hamono tegna ve Izy? zany ve antony nizakany hoe: 'Zay andehanako,tsy azonareo andehanagny'?" 23 Hoy i Jesosy tamindreo hoe: "Avy ety ambany anareo; Iao kosa avy ambony. Avy amin'zao tontolo zao anareo; fa Iao tsy avy amin' zao tontolo izao. 24 Noho zany, nambarako taminareo fa ho faty ao ame fahotanareo anareo. Fa raha tsy mino anareo fa IZAHO E IZY, da ho faty ame fahotanareo anareo. " 25 Noho zany da hoy indreo tamin'Azy: "Ia me anao?" Hoy i Jesosy tamindreo hoe: "Arak'e voazakako taminareo hatrany am-boalohany. 26 Managny raha marobe ho zakaigny sady hitsaràgny anareo Iao. Kanefa, Izy zay nagniraky Anah da marigny; sady e raha zay regniko avy tamin'azy, da ambarako am'zao tontolo zao." 27 Tsy azondreo anefa fa Izy da niresaky tamindreo momba gne Ray. 28 Hoy Jesosy hoe: "Refa asandratrareo gne Zanak'Olona, da ho fantatrareo fa iao e Izy, ary tsy magnano ndre ino ndre ino ho Anah Iao. Araky gne nampianarin'ny Ray Anah, gne hizakako ireo raha ireo. 29 Izy zay nagniraky Anah da miaraky aminah, ary tsy hamela Anah ho raiky Izy, noho Iao magnano zay ankasitrahany mandrakariva." 30 Raha nizaka ireo raha ireo Jesosy, da maro gne nino an'Azy. 31 Jesosy nizaka tamin'ireo Jiosy zay nino an'Azy hoe: "Raha mipetraky ame zakako anareo, da ho tena mpianatriko; 32 Ary ho fantareo gne marigny, ary gne marigny hanafaky anareo." 33 Ary izy ireo namaly an'Azy hoe:" Taranak'i Abrahama iay sady tsy mbola nandevozin'ia ndre ia hatramizay; koa ahoagny gne hizakanao hoe: 'Ho afaky anareo'?" 34 Jesosy namaly andreo hoe: "Zakaiko aminareo, marigny, da marigny tokôtry, fa indreo zay manota da andevon'e ota. 35 Gne andevo da tsy mipetraky an-dragno mandrakizay. 36 Noho zany, raha gne Zanaka e manafaky anareo, da ho afaky tokôtry anareo. 37 Lalako fa taranak'i Abrahama anareo; mitady zay hahafaty anah satria tsy managny toeragny ao aminareo gne teniko. 38 Mizaka zay hitako niaraky tame Raiko iao, sady anareo koa magnano zay regninareo tame rainareo. " 39 Namaly indreo ka nizaka tamin'Azy hoe: "Abrahama e rainay." Jesosy nizaka andreo hoe: "Raha zanak'i Abrahama anareo, da hagnano gne asan'i Abrahama. 40 Kanefa, ankehitriny anareo mitady hamono anah, zay lelà nizaka taminareo gne marigny zay regniko tamin'Andriamanitry. Abrahama tsy nagnano zany. 41 Anareo da magnano gne asan'e rainareo." Hoy indreo tamin'Azy hoe: "Tsy teraky tame fijangajangagny iay; raiky avao gne iabanay: da Andriamanitry. " 42 Jesosy nizaka andreo hoe: "Raha Andriamanitry gne rainareo, da tokony ho tia Anah anareo, satria avy tamin'Andriamanitry gne nibohàko da nandehanako aty; fa tsy tonga ho azy iao, fa Izy e nagniraky Anah. 43 Nahoagny gne tsy azonareo gne zakako? Zany da satria tsy afaky hagneky gne zakako anareo. 44 Avy ame rainareo anareo, e devoly, ary gne tianareo atao da gne filàgny zay namboarin'e rainareo. Mpamono ologny hatramin'zay izy sady tsy mijoro ame fahamarinagny satria tsy misy marigny ao amin'azy. Refa mivandy izy, da gne toetry famboariny avao gne zakainy satria mpivandy Izy sady rain'e vandy. 45 Kanefa, satria mizaka gne marigny iao, da tsy mino Anah anareo. 46 Ia aminareo e manameloky Anah ame fahotagny? Raha mizaka gne marigny iao, nahoagny gne tsy hinoanareo? 47 Zay avy amin'Andriamanitry; tsy maregny zany anareo satria tsy avy amin'Andriamanitry." 48 Namaly e Jiosy ka nizaka tamin'Azy hoe: "Moa ve tsy mizaka gne marigny iay fa Samaritana Anao ary misy demonia?" 49 Jesosy namaly hoe: " Tsy misy demonia iao, fa magnome voninahitry e Raiko, ary anareo tsy magnome voninahitry Anah. 50 Tsy mitady gne voninahitro Iao; misy raiky mitady sady mitsara. 51 Zakaiko aminareo, marigny, da marigny tokôtry, fa raha misy mitandrigny gne zakako, da tsy hahita fahafatesagny mandrakizay izy." 52 Hoy indreo Jiosy tamin'Azy hoe: "Amizao fotoagny zao lalanay fa managny demonia anao. Efa maty Abrahama da ireo mpaminany; Kanefa anao mizaka hoe: 'Rah misy mitandrigny gne zakako, da tsy hahita fahafatesagny mandrakizay izy.' 53 Tsy zakabe noho gne rainay Abrahama zay Efa maty Anao, sa ve zakabe? Indreo mpaminany avakoa da maty. Magnano gne tagnanao ho iza me Anao?" 54 Jesosy namaly hoe: "Raha mankalaza gne tegnako Iao, da ho tsinotsinogny gne voninahitro; gne Raiko zay ataonareo ho Andriamanitry gne mankalaza Anah. 55 Tsy lalanareo Izy, fa Iao mahalala an'Azy. Raha mizaka Iao hoe: ' tsy mahalala an'Azy Iao,' da akô anareo, mpivandy. Kanefa, lalako Izy ka mitandrigny gne zakany Iao. 56 Gne rainareo da nifaly nahita gne androko; nahita an'zany izy da faly." 57 Hoy indreo Jiosy tamin'Azy hoe: "Mbola tsy misy dimampolo taogny aby anao, ka da efa nahita an'i Abrahama ve? 58 Ary hoy Jesosy tamindreo hoe: "Zakaiko aminareo, marigny, da marigny tokôtry, talohan'e naterahan'i Abrahama, da Iao e Izy." 59 Aveo da nangalaky vato hatoraky an'Azy indreo, fa Jesosy kosa niafigny ka nijotso gne tempoly.